FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g02 8/10 p. 3-5
  • Mihabetsaka ny Ray na Reny Tokan-tena

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mihabetsaka ny Ray na Reny Tokan-tena
  • Mifohaza!—2002
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Reny tokan-tena vaovao
  • Anehoy Fiahiana Ireo Ray na Reny Tokan-tena
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2010
  • Afaka Mahomby Ireo Fianakaviana Tsy Misy Afa-tsy ny Ray na ny Reny!
    Ny Tsiambarantelon’ny Fahasambaram-pianakaviana
  • Tokan-tena Nefa Tsy Manirery
    Mifohaza!—2002
  • Manao Hazakazaka Misy Sakana ny Reny
    Mifohaza!—2002
Hijery Hafa
Mifohaza!—2002
g02 8/10 p. 3-5

Mihabetsaka ny Ray na Reny Tokan-tena

“Matetika aho no mivavaka amin’Andriamanitra amin’ny alina, sady mitomany milaza aminy hoe: ‘Tsy hitako izay hatao rahampitso.’”—GLORIA, RENY MITAIZA IRERY NY ZANANY TELO.

MIHABETSAKA ny ray na reny tokan-tena any amin’ny firenena maro ankehitriny.a Hafa mihitsy ny fianakaviana ankehitriny, fa tsy mba misy ray sy reny ary zanaka toy ny taloha intsony. Mamantatra ny anton’izany ny mpanadihady momba ny mponina sy ny manam-pahaizana momba ny fiaraha-monina, any amin’ny faritra maro eto an-tany.

Milaza i Simon Duncan sy Rosalind Edwards, manam-pahaizana momba ny fiaraha-monina, fa “niova tanteraka ny firafitry ny fianakaviana ary niova toy izany koa ny fifandraisan’ny lehilahy sy ny vehivavy.” Inona no nahatonga izany? Milaza ny mpandinika sasany fa izany no vokatry ny fomba fiaina fidin’ny olona, araka ny fiovan’ny toe-karena sy ny kolontsaina ary ny fiaraha-monina.

Andeha isika hamakafaka ny sasany amin’izany fiovana izany sy ny safidin’ny olona. Tena misy fiantraikany eo amin’ny fiainan’ny olona ny faneren’ny fiainana. Toy ny hoe iainan’ny olona mihitsy koa ny zava-mitranga eo amin’ny manodidina azy. Tsy afaka miara-manao zavatra toy ny taloha intsony ny mpianakavy, satria ny fotoanan’izy ireo lany amin’ny Internet, hijerena tele, hiresahana an-telefaonina, eny ambony fiara ary hirotorotoana amin’ny fiainana.

Misy fiantraikany be koa ny olana ara-bola. Te hiadana ny olona nefa mila vola be izany, ka mihamaro ny ray aman-dreny miasa. Afaka miovaova asa sy mifindrafindra monina mora foana koa ny olona ankehitriny, ka lasa misy olona mipetraka sy miasa lavitra ny havany sy ny vadiny mihitsy. Vao mainka ratsy koa ny fiantraikan’ny fialam-boly tiam-bahoaka, any amin’ny tany maro. Matetika mantsy izy ireny no manasongadina ny fanosihosena ny rafitry ny fiaraha-monina, anisan’izany ny fanambadiana sy ny fianakaviana.b

Reny tokan-tena vaovao

Tsy heverina ho enta-mavesatra ho an’ny fiaraha-monina intsony izao ny tovovavy niteraka tsy manambady. Tsy dia mahamenatra intsony koa izao ny hoe miteraka tsy manambady, ary manindrahindra izany mihitsy aza ireo olo-malaza tahafin’ny olona. Maro koa ankehitriny ny vehivavy nahita fianarana sy mahavelon-tena, ka tsy voatery hanambady izy ireo mba hahazoana vola hikarakarana ny zanany.

Tsy manambady mihitsy ny reny sasany satria tsy tiany hijaly ny zanany raha misaraka izy mivady. Ny vehivavy manana ray aman-dreny nisara-panambadiana no tena mieritreritra toy izany. Tsy fidiny ho an’ny vehivavy sasany kosa ny hitaiza irery ny zanany, noho izy nilaozan’ny vadiny. Milaza ny Fikambanan’i Joseph Rowntree any Grande-Bretagne hoe: “Amin’ny ankapobeny, dia tsy fitiavan-tena na sitrapo ny ho tokan-tena, ary tsy manao an-tsirambina na mampahaditra ny zanany ny reny tokan-tena.”

Mampanahy be ihany anefa ny fitomboan’isan’ny ray na reny tokan-tena, satria mety hijaly sy hahantra ary tsy horaharahain’ny mpiara-monina izy sy ny zanany. Mety hisy olona hieritreritra hoe ‘Hahavita hitaiza tsara ny zanany ve ny ray na reny tokan-tena?’ Inona no anisan’ny olana atrehin’izy ireo? Ahoana no hahavitan’ny ray na reny kristianina tokan-tena, hitaiza tsara ny zanany?

[Fanamarihana ambany pejy]

a Voamariky ny manam-pahaizana momba ny fiaraha-monina fa “betsaka lavitra noho ny ray tokan-tena ny reny tokan-tena.” Ny reny tokan-tena àry no resahina matetika ato amin’ireto lahatsoratra ireto. Mihatra amin’ny ray tokan-tena koa anefa ny toro lalana resahina ato.

b Miresaka tsipiriany kokoa momba ny zava-tsarotra atrehin’ny reny amin’ny ankapobeny, ny Mifohaza! 8 Aprily 2002.

[Efajoro, pejy 4]

Famaritana

Mahafaoka ny reny rehetra mitaiza irery ny zanany ny hoe “reny tokan-tena.” Angamba izy nisara-panambadiana, na nilaozan’ny vadiny, na maty vady, na niteraka tsy manambady.

Ampiasaina ato amin’ity andian-dahatsoratra ity koa ny hoe “ray tokan-tena” mba hilazana ny ray rehetra mitaiza irery ny zanany.

[Efajoro/Sarintany, pejy 4, 5]

MIHABETSAKA NY RAY NA RENY TOKAN-TENA ERAN-TANY

Etazonia: “Nihabetsaka ny reny tokan-tena. Telo tapitrisa ny isan’izy ireo tamin’ny 1970 nefa tafakatra ho 10 tapitrisa izany tamin’ny 2000. Nihabetsaka koa ny ray tokan-tena, tao anatin’ireo taona ireo ihany. Tafakatra ho 2 tapitrisa ny isan’izy ireo, nefa 393 000 tamin’ny voalohany.”—Birao Amerikanina Momba ny Fanisam-bahoaka.

Meksika: Milaza ny gazety La Jornada, fa tovovavy tsy manambady ny 27 isan-jaton’ny vehivavy bevohoka any Meksika.

Irlandy: Tamin’ny 1981 dia 5,7 isan-jaton’ny ray na reny no tokan-tena, nefa lasa 7,9 isan-jato izany tamin’ny 1991. “Mbola ny tokantrano rava ihany no tena mahatonga ny reny ho tokan-tena.”—Reny Tokan-tena Eran-tany, 1997 (anglisy).

Grande-Bretagne: “Mihoatra ny 25 isan-jaton’ny ray na reny izao no tokan-tena. Mampiseho izany fa tena mihabetsaka ny vehivavy miteraka tsy manambady ary mitombo ny fisaraham-panambadiana, tao anatin’ny 30 taona.”—Ny Fotoana (anglisy), Londres, 2 Martsa 2000.

Frantsa: “Nanan-tombo 50 isan-jato mahery ny isan’ny ray na reny tokan-tena, nanomboka tamin’ny faramparan’ireo taona 1970.”—Reny Tokan-tena Eran-tany, 1997.

Alemaina: ‘Lasa avo roa heny ny isan’ny ray na reny tokan-tena tao anatin’ny 20 taona farany. Ny reny amin’ny ankapobeny no mitaiza irery ny zanany.’—Reny Tokan-tena Eran-tany, 1997.

Gresy: “Nitombo 29,8 isan-jato ny isan’ny vehivavy niteraka tsy manambady eto [Gresy], nanomboka tamin’ny 1980. Nasehon’ny antontan’isa navoakan’ny Firaisambe Eoropeanina, fa zazasary ny 3,3 isan-jaton’ny ankizy teraka tamin’ny 1997. Vao 1,1 isan-jato monja anefa izany tamin’ny 1980.”—Gazety Ta Nea, Atena, 4 Septambra 1998.

Japon: ‘Nihabetsaka ny reny tokan-tena nanomboka tamin’ireo taona 1970.’ Tokan-tena ny 17 isan-jaton’ny reny rehetra, tamin’ny 1997.—Reny Tokan-tena Eran-tany, 1997; Vehivavy Eran-tany 2000: Ny Zava-misy sy ny Statistika (anglisy).

Aostralia: Efa ho ampahefatry ny ankizy no tezain’ny rainy na reniny irery. Ny fisaraham-panambadiana na ny tsy fifanarahan’ny mpivady no mahatonga izany, amin’ny ankapobeny. Tombanana fa hitaiza irery ny zanany ny 30 ka hatramin’ny 66 isan-jaton’ny ray na reny, rehefa afaka 25 taona.—Birao Aostralianina Momba ny Statistika.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara