FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g02 8/5 p. 16-18
  • Nahoana no Sarotra Iaraha-monina Ilay Mpiray Efitra Amiko?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nahoana no Sarotra Iaraha-monina Ilay Mpiray Efitra Amiko?
  • Mifohaza!—2002
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Miara-miaina amin’olon-tsy fantatra
  • Samy hafa fiaviana, samy hafa fomba
  • Mampisy olana ny telefaonina
  • Tsy misy fotoana itoerana ho irery
  • Afaka Mifankahazo Amin’ny Mpiray Efitra Amiko ve Aho?
    Mifohaza!—2002
  • Ahoana no Ahitako Mpiray Efitra Mifanaraka Amiko?
    Mifohaza!—2002
  • Avy Amin’ny Mpamaky
    Mifohaza!—2003
  • Avy Amin’ny Mpamaky
    Mifohaza!—2002
Hijery Hafa
Mifohaza!—2002
g02 8/5 p. 16-18

Manontany ny Tanora Hoe . . .

Nahoana no Sarotra Iaraha-monina Ilay Mpiray Efitra Amiko?

“Izaho aloha dia tena madio sy milamina. Rehefa tonga ao an-trano anefa aho, dia hitako mifotetaka amin’ny tany, mijery tele ilay mpiray efitra amiko. Ny taratasy sy ny poa-katsaka amin’izay miparitaka etsy sy eroa. Efa azoko an-tsaina, isaky ny mody, ny zavatra ho hitako ao an-trano, ka hoy aho anakampo: ‘Tsy te hiditra ao aho.’”—Davida.

“Diso nampihantaina loatra ilay mpiray efitra tamiko. Heveriny fa nisy mpiasany angamba tao aminay. Dia izay tiany foana no tsy maintsy atao.”—Rondro.a

‘NY FIANARANA mizaka ny toetran’olona tsy fantatrao dia manampy anao hahay hifanaraka amin’olona sy handefitra’, hoy ny lahatsoratra iray tao amin’ny Vaovaon’i Etazonia sy Tatitra Momba An’izao Tontolo Izao (anglisy). “Tena sarotra anefa ilay fianarana matetika.” Miaiky an’izany angamba ireo efa niray efitra tamin’olona.

Maro ny mpianatry ny oniversite no miara-mipetraka amin’olon-kafa mba hampihenana ny vola lany, satria mandany vola be ny fianarana eny. Misy tanora mandeha miara-mipetraka amin’olon-kafa satria tsy te hofehezin’ny ray aman-dreniny intsony. Nifidy ny hiara-mipetraka amin’olon-kafa koa ny tanora kristianina maro, mba hahafahany hitory ny filazantsara. (Matio 6:33) Hitan’izy ireo fa afaka manao izany manontolo andro izy, rehefa ifampizarany amin’olona ny vola lany amin’ny fivelomana. Miray efitra koa indraindray ny samy misionera sy ny samy betelita any amin’ny sampana maron’ny Vavolombelon’i Jehovah.b

Niresaka tamina tanora maro, lahy sy vavy, efa niray efitra tamin’olon-kafa ny Mifohaza! Niaiky izy rehetra fa tsy manampy anao handoa hofan-trano fotsiny io olona io, fa afaka ny ho namana azo iresahana sy iarahana manao zavatra koa. “Miari-tory izahay matetika, dia manao resak’ankizivavy na mijery filma”, hoy i Lisy. “Afaka mampahery anao koa ny mpiray efitra aminao”, hoy i Rondro. “Mahafinaritra erỳ rehefa miasa ianao, sady miezaka mandoa ny vola lany isam-bolana, no miezaka mitory, ka misy olona hampahery anao miara-mipetraka aminao.”

Mety ho tena sarotra anefa ny miray efitra amin’olona, indrindra raha tsy fantatrao mihitsy ny toetrany eo am-boalohany. Hoy ny Vaovaon’i Etazonia sy Tatitra Manerana Izao Tontolo Izao momba ny zava-mitranga eny amin’ny oniversite: “Matetika no tsy mahafa-po ny vokatra azo na dia miezaka mafy aza ny oniversite maro mba hampiaraka ireo olona heverina fa hahay hifanaraka.” Tonga hatramin’ny herisetra mihitsy aza ny fifanolanan’ny mpiray efitra any amin’ny oniversite! Noho izany, dia nanjary nisy toerana ao amin’ny Internet ahafahan’ny mpianatra manoratra momba izay mahasosotra azy lava amin’ny mpiray efitra aminy. Nahoana no sarotra matetika ny miray efitra amin’olona?

Miara-miaina amin’olon-tsy fantatra

“Mety ho sarotsarotra ihany izany hoe miara-mipetraka amin’olona tsy fantatrao izany”, hoy i Mamy. “Tsy tena fantatrao hoe hanao ahoana ilay olona.” Tena mety hampanahy izany hoe hiara-mipetraka amin’olona iray mety tsy hanana, na zara raha manana zavatra iombonana amin’ny tena izany. Marina fa tokony hanana zavatra maro iombonana sy horesahina ny Kristianina. Na izany aza, dia niaiky toy izao i Davida: “Tena nampahatahotra ahy izany hiray efitra amin’olona izany.”

Olona avy any an-drenivohitra toa an’i Davida koa anefa no nampiarahina efitra taminy. Tsy voatery hifanaraka tsara toy izany foana anefa ny olona hampiarahina efitra. Hoy i Mamy: “Tsy dia niresaka firy ilay olona niray efitra tamiko voalohany. Tena mila miresaka ianao rehefa miray efitra amin’olona. Tena tsy be resaka anefa izy. Nanomboka nahasorena ahy mihitsy ilay izy.”

Mety hiteraka zava-manahirana hafa koa ny fahasamihafan’ny fiaviana. Hoy i Lisy: “Te hanao izay tianao hatao ianao raha vao mitokan-trano. Tsy ela anefa dia tsapanao fa hay misy olon-kafa tokony hanehoanao fiheverana.” Tena mety ho gaga ianao, satria tena hafa noho ny an’ny fianakavianao ny fomba fihevitry ny olona.

Samy hafa fiaviana, samy hafa fomba

Miankina be dia be amin’ny fanabeazana, na ny tsy fisian’izany avy tamin’ireo ray aman-dreny ny fomba fiainan’ny olona iray. (Ohabolana 22:6) Hoy i Fidy: “Olona madio sy milamina aho, fa be korontana kosa ilay mpiray efitra tamiko. Ny azy, ohatra, atsipitsipiny anaty lalimoara fotsiny ny akanjony, fa ny ahy kosa ahantoko tsara.” Samy hafa tanteraka indraindray ny zavatra heverina ho tsara na ratsy.

Hoy i Rondro: “Tena sahala amin’ny fanariam-pako ny efitra fatorian’ilay olona niray trano tamiko! Ny sasany indray tsy mba nanadio ny latabatra avy nisakafoanany, na navelany tao anaty toerana fanasam-bilia nandritra ny roa na telo andro ny vilia.” Raha ny raharaha ao an-trano no resahina, dia toa mitovy amin’izao lazain’ny Ohabolana 26:14 izao mihitsy ny sasany: “Toy ny varavarana mihodina amin’ny saviliny, dia toy izany ny kamo eo amin’ny fandriany.”

Mety tsy dia hahafinaritra loatra koa anefa ny miara-monina amin’olona sarotiny loatra amin’ny fahadiovana. Hoy ny tovovavy iray atao hoe Lova momba ny olona iray niray efitra taminy: “Raha ny sitrapony dia atao isaky ny mihetsika ny fanadiovana. Tsy voretra mihitsy aho, fa mba mamela zavatra ambony fandriana tsindraindray, toy ny boky, ohatra. Dia mihevitra izy fa tsy maintsy arahiny maso foana hoe milamina ny zavatra rehetra.”

Mety ho samy hanana ny heviny momba ny fahadiovana koa ny mpiray efitra. Hoy i Mamy: “Efa tara be vao nifoha ilay olona niray efitra tamiko. Nihazakazaka nankeny amin’ny toerana fisasana fotsiny izy, ary lemany rano kely ny lohany dia lasa izy.”

Mety ho samy hafa koa ny fialam-boly fidin’ny tsirairay rehefa samy hafa fiaviana sy toetra izy ireo. “Samy hafa ny mozika tianay”, hoy i Mamy mahakasika ny mpiray efitra aminy. Mety hahasoa anefa ny fahasamihafana toy izany rehefa misy ny fifanajana, satria mety hanampy ny andaniny sy ny ankilany ho tia zavatra hafa koa. Matetika anefa izany fahasamihafana izany no miafara amin’ny fifandonana. “Tia mozika espaniola aho”, hoy i Fidy, “mitsikera izany foana anefa ilay mpiray efitra amiko.”

Mampisy olana ny telefaonina

Ny fampiasana telefaonina no tena mampisy olana. Hoy i Mamy: “Amin’ilay fotoana fatoriako iny indrindra no mbola ilaozan’ilay mpiray efitra amiko miresaka amin’ny telefaonina. Mety hahasorena izany rehefa elaela.” Izao koa no tsaroan’i Lisy: “Indraindray dia miantso amin’ny telo na amin’ny efatra maraina ny naman’ilay mpiray efitra amiko. Izaho no tsy maintsy nifoha handray ilay telefaonina, rehefa tsy teo izy.” Ny vahaolana hitan’izy ireo? “Samy nividy telefaonina izahay.”

Tsy ny tanora rehetra anefa no afaka mividy telefaonina ho azy manokana, ka maro no tsy maintsy mitambatra telefaonina. Mety hiteraka olana goavana mihitsy izany. Izao no tsaroan’i Rondro: “Nampiaraka ny iray tamin’ireo vehivavy niray efitra tamiko, ary niresaka ela be tamin’ny telefaonina izy matetika. Ny volana iray izay, nahatratra 90 dolara [600 660 FMG eo ho eo] ny saran’ny telefaoniny. Nantenainy handoa ny antsasany aho, satria efa nifanaiky izahay fa hifampizarana ny saran’ny telefaonina.”

Mety tsy ho afaka hampiasa ilay telefaonina akory aza ianao. “Be taona kokoa noho izaho ilay olona niray efitra tamiko”, hoy i Lova, “ary iray ihany ny telefaoninay. Saika izaho foana no nampiasa ilay izy satria be namana aho. Tsy mba niteny mihitsy izy. Noheveriko fa hiteny izy raha te hampiasa ilay telefaonina. Tsapako ankehitriny fa tia tena aho.”

Tsy misy fotoana itoerana ho irery

“Samy te ho irery ny olona”, hoy i Davida. “Indraindray aho mba te hitsotsotra sy tsy hanao na inona na inona.” Sarotra anefa ny mahita fotoana mangina rehefa miray efitra amin’olona ny tena. “Mba te ho irery aho”, hoy i Mamy. “Ny tsy fisian’ny fotoana hitoerana ho irery àry no tena mafy indrindra tamiko. Mitovy ny fandaharam-potoananay sy ilay olona miray efitra amiko, hany ka sarotra ny mahita fotoana itoerana ho irery.”

Na i Jesosy Kristy koa aza mba nila fotoana nitokanana. (Matio 14:13) Mety hahasorena àry raha sarotra, na tsy azo atao mihitsy ny mamaky teny, mianatra, na misaintsaina satria eo ilay olona miray efitra amin’ny tena. Hoy i Mamy: “Tsy afaka mianatra ianao satria misy zavatra mitranga foana. Asainy ao an-trano ny namany, na miresaka amin’ny telefaonina izy, na mijery tele, na mihaino radio.”

Na mety ho sarotra toy izany aza anefa ny mandefitra amin’ny olona miray efitra amin’ny tena, dia nahavita izany tsara ny tanora an’arivo. Hisy lahatsoratra hafa amin’ity fitohitohizan-dahatsoratra ity hanazava ny fomba andraisan-tsoa be indrindra amin’ny firaisana efitra amin’olona.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Novana ny anarana sasany.

b Na dia natao ho an’ny tanora aza ireto torohevitra ireto, dia mety hahasoa ireo be taona kokoa, izay tsy maintsy miray efitra amin’olon-kafa noho ny fiovana teo amin’ny fiainany, toy ny hoe maty vady.

[Sary, pejy 16, 17]

Mety hisy ny olana rehefa samy hafa ny mozika tiana

[Sary, pejy 18]

Mety hampiady ny tsy fanehoana fiheverana ny hafa

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara