Manontany ny Tanora Hoe . . .
Ahoana no Ahitako Mpiray Efitra Mifanaraka Amiko?
“Tsy ho afaka ny ho mpitory ny filazantsara manontolo andro sady handoa hofan-trano ary ny vidin’ny jiro sy rano mihitsy aho, raha tsy nisy olona niray efitra tamiko.”—Lisy.a
MATETIKA no gaga ny tanora mandao ny ray aman-dreniny, rehefa mahita fa hay tena lafo ny vidim-piainana. Maro no mizara ny fandaniana amin’ny mpiray efitra iray na mihoatra, mba hiatrehana izany.
Araka ny hita tamin’ny lahatsoratra iray teo aloha, tamin’ity andian-dahatsoratra ity anefa, dia mety ho tena sarotra ny miray efitra amin’olona, indrindra raha tsy fantatrao mihitsy ny toetrany.b Marina izany, na dia tanora kristianina te ho mpisava lalana, izany hoe mpitory ny filazantsara manontolo andro, aza no miara-mipetraka. Na ahoana na ahoana, dia tsara raha mampiasa ny “tena fahendrena” ianao rehefa mifidy olona hiray efitra aminao.c—Ohabolana 3:21.
Ny loza ateraky ny fikambanana amin’ny ratsy
Maro ny tanora no mitady olona hiray efitra aminy any amin’ny petadrindrina sy ny filazana an-gazety ary ny Internet. Tena mitera-doza ho an’ny tanora kristianina anefa izany. Tena mety ho olona tsy mitovy finoana, na fitsipi-pitondran-tena aminao no atolotr’izy ireny. Tery saina ve, sa manohitra ny fiaraha-monina ny olona iray raha olona mitovy finoana aminy ihany no tiany hiara-mipetraka aminy? Tsia, fahendrena izany. Mampitandrina ny Baiboly fa “ny fikambanana amin’ny ratsy manimba ny fitondran-tena tsara.”—1 Korintiana 15:33.
Diniho ny nahazo an’i Lova. Nanomboka nanao kilasimandry tany amin’ny oniversite izy, tamin’izy mbola tsy Kristianina vita batisa. “Tena toerana nampidi-doza ilay izy”, hoy ny tsaroany. “Nahita ny namany nanao firaisana ny ankizivavy sasany rehefa nody.” Tsy ela dia nanimba ny ara-panahin’i Lova ny fipetrahany tany. Niaiky izy hoe: “Maro ny fivoriana kristianina tsy voavonjiko.” Tsy nahagaga raha niharatsy ny fitondran-tenany. “Tena nanompa mihitsy aza aho indray andro, ary nilaza tamiko ny iray tamin’ireo ankizivavy hoe: ‘Mankasitraka izany ve i Jehovah?’ ” Tena nahamenatra ilay izy! Soa ihany fa niala tamin’io toerana manimba io i Lova ary nanomboka nandroso ara-panahy. Asehon’io zavatra niainany io anefa fa mampidi-doza ny miara-miaina amin’olona tsy manaraka ny fitsipika arahin’ny tena.
Fitadiavana olona mifanaraka aminao
Aiza àry ianao no hitady? Manomboha eo anivon’ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah misy anao. Tsara homarihina fa matetika ireo mpisava lalana no mifankahita amina tanora hafa araka ny fanahy, any amin’ireo sekoly sy fivoriana samy hafa natokana ho azy ireo.d Afaka manampy koa ny ray aman-dreny sy ny anti-panahy eo an-toerana ary ny mpiandraikitra mpitety faritany. Mety hahafantatra tanora afaka hiray efitra aminao mantsy izy ireo.
Tena mety hanampy anao koa ny firesahana amin’olon-kafa. Arakaraka ny habetsahan’ny olona ampahafantarinao ny zavatra ilainao ny valiny mety ho azonao. (Mpitoriteny 11:6) Ambonin’izany, dia mangataha ny fanampian’i Jehovah mba hahitanao olona hiray efitra aminao ary miantehera aminy mba hitahiany ny ezaka ataonao.—1 Jaona 5:14, 15.
Fanadihadiana
Hitanao izao ilay olona mety hiray efitra aminao. Tsy andrinao angamba izay hiarahanareo hipetraka. Fahendrena anefa ny manadihady mialoha. “Tsara laza” ve io olona io eo anivon’ny fiangonany? (Asan’ny Apostoly 16:1, 2) Afaka manontany izay olona mahafeno fepetra ara-panahy, mahafantatra azy, angamba ianao sy ny ray aman-dreninao. Azonareo atao ny manontany hoe: ‘Ahoana no fahitan’ny olona azy? Salama ara-panahy sy ara-pihetseham-po ve io olona io? Mandray anjara amin’ny fitoriana ve izy? Manome valin-teny ve izy any am-pivoriana? Fantatra ho olona manaraka ny fitsipi-pitondran-tena ao amin’ny Baiboly ve io olona io?’
Tadidio fa “izay miara-dia amin’ny hendry dia ho hendry.” (Ohabolana 13:20) “Tena araka ny fanahy ilay olona niray efitra tamiko”, hoy i Davida. “Nanampy ahy ho salama ara-panahy hatrany izany.” Hoy koa i Rondro, izay efa niray efitra tamin’olona maromaro: “Niara-namaky toko iray tao amin’ny Baiboly izaho sy ny mpiray efitra tamiko sasany, isan’alina. Tsy mba nanana fianaram-pianakaviana izany izahay, satria tsy Vavolombelona ny ray aman-dreniko. Noho izany, dia tena nankasitraka ilay ‘fianaram-pianakaviana’ niaraka tamin’ny mpiray efitra tamiko aho!” Tena mahasoa tokoa ny miray efitra amin’olona tia zavatra ara-panahy sahala amin’ny tena.
Fiarahana midinika
Tokony hihaona sy hiara-midinika ianareo avy eo. Amin’ny alalan’ny resadresaka toy izany no hahitanareo raha mety hifanaraka ny toetranareo na tsia. Ny mpiray efitra nitovy fomba firesaka no “nilaza ho tena afa-po sy nifankahazo”, araka ny filazana tao amin’ny gazety Fikarohana Momba ny Fifampiresahana (anglisy). Koa raha tso-po sy tia mifandray amin’olona ary be resaka, ianao, dia mety hahita olana raha mimpirimpirina, na tsy be teny, na tia mitokantokana ilay olona miray efitra aminao.
Marina fa tsy te hanadihady be toy ny polisy ianao, nefa tsara raha anontanianao an’ilay mety hiray efitra aminao ny tanjony. Te handroso eo amin’ny lafiny ara-panahy ve izy, sa te handositra ny olana tany an-tranony fotsiny? Niresaka momba ny zava-manahirana hafa mety hitranga i Lisy. Hoy izy: “Nampiaraka ny mpiray efitra tamiko iray izay. Teo foana ilay ankizilahy ary nijanona hatramin’ny alina be.” Nilaza i Lisy fa tafahoatra ny fifanehoam-pitiavana nataon’izy ireo, ka nahasosotra. Azo sorohina anefa ny olana toy izany raha mametraka fitsipika fototra dieny mialoha ny mpiray efitra. Nilaza, ohatra, i Rondro hoe: “Noferanay ny ora azon’ny ankizilahy hijanonana tao an-trano.” Tsara koa raha mifanaraka ny mpiray efitra hoe tsy hijanona irery ao an-trano mihitsy miaraka amin-dehilahy, raha vehivavy izy ireo, na miaraka amim-behivavy, raha lehilahy izy ireo.
Mendrika ny hodinihina koa ny zavatra hafa, toy ny fialam-boly sy ny zavatra tiana manokana ary ny mozika ankafizina. “Tiako raha olona tia ny zavatra tiako sy mitovy toetra amiko ary tia manao ny zavatra ataoko, no miara-mipetraka amiko”, hoy i Mamy. Marina aloha fa tsy manakana olona tsy hiara-mipetraka ny fitiavana zavatra samy hafa. Ny tena zava-dehibe dia hoe: Mahay mifanaraka ve ianareo? Vonon-kandefitra ve ianareo rehefa tsy mitovy ny zavatra tianareo, ka hanao fanitsiana mba hanekena ny hevitr’ilay anankiray?
Hoy i Lova: “Tokony hanontanianao an’ilay anankiray koa ny zavatra antenainy. Misy manantena hoe ho lasa namany akaiky indrindra ianao. Tsy izany anefa no tadiaviko.” Hoy koa i Davida: “Tiako raha afaka manao zavatra miaraka amiko ny mpiray efitra amiko, nefa tsy tiako raha manaraka ahy foana izy, rehefa mba te hiaraka hanao zavatra amin’olon-kafa aho.” Fantaro koa raha tiany ny hiaraka aminao rehefa mitory ny filazantsara, na misy zavatra hafa tiany hatao, toy ny hoe hanompo any amin’ny fiangonana iray miteny vahiny.
Farany, aza hadinoina ny raharaha lehibe toy ny fandrahoan-tsakafo (samy mahay mahandro ve ianareo?), ny fizarana ny asa ao an-trano, ny fampiasana ny fitaovan’ny tena manokana, ny lalimoara, fanaka, toerana fampirimana entana, ary ny biby ompiana ao an-trano. Afaka misoroka tsy fifankazahoan-kevitra sy alahelo ianareo, raha miresaka izany zavatra izany. Hoy ny Ohabolana 20:18: “Ny hevitra rehetra dia aorin’ny fisainana.”
“Amin’ny fahamendrehana sy ny filaminana”
Misy toro lalana tsara koa ao amin’ny Lioka 14:28, manao hoe: ‘Mihevera izay ho lany.’ Eny, tombantombano ny vola mety ho laninareo. Ohatrinona no mety ho lany amin’ny hofan-trano, sakafo, jiro sy rano? Telefaonina iray ve no hampiasainareo? Raha izany, ahoana no fomba hizarana ny sarany? “Ataoko azo antoka tsara fa ho afaka handoa ny anjarany ny ankizivavy iray vao manaiky hiara-mipetraka aminy aho”, hoy i Lisy. Milaza ny Dingana Manaraka (anglisy), fandaharana amin’ny Internet, hoe: ‘Manorisory ny mpiray efitra rehefa tsy manampy anao handoa hofan-trano, na vidin-tsakafo, na mampiakatra ny vidin’ny jiro sy rano satria mandanilany foana.’
“Indraindray dia tsy ny habetsahan’ny vola tsy maintsy haloa no mampisy olana, fa ny fotoana handoavana azy!”, hoy i Rondro. Nanazava izy hoe: “Tsy maintsy aloa amin’ny fahatelon’ny volana ny hofan-tranonay. Indraindray anefa lasa ilay mpiray efitra amiko ny faran’ny herinandro, nefa mbola tsy nahaloa ny anjarany, dia izaho no tsy maintsy miala tsiny any amin’ny tompon-trano.” Fahendrena àry ny manao ny zavatra rehetra “amin’ny fahamendrehana sy ny filaminana.” Tokony halamina mialoha ireo zavatra lehibe. (1 Korintiana 14:40) Fahendrena, matetika, ny hanaovana ny fifanekena an-tsoratra.
Raha mitandrina tsara ianao rehefa mitady olona hiray efitra aminao, dia hahasambatra anao izy fa tsy hampahory anao. Ahoana anefa raha mitombo ny zava-manahirana sy ny tsy fitovian-toetra? Hamelabelatra izany ny lahatsoratra ao amin’ny nomerao manaraka.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Novana ny anarana sasany.
b Jereo ilay lahatsoratra hoe: “Nahoana no Sarotra Iaraha-monina Ilay Mpiray Efitra Amiko?” ao amin’ny Mifohaza! 8 Mey 2002.
c Maro ankehitriny no miara-mipetraka, satria te haloto fitondran-tena. Noho izany, dia hamafisinay fa ity lahatsoratra ity dia miresaka momba ny samy lehilahy na samy vehivavy, miara-mipetraka, mba hifanampy eo amin’ny lafiny ara-bola, na zavatra hafa.
d Manana tombontsoa hanatrika ny Sekolin’ny Fanompoan’ny Mpisava Lalana ny mpitory manontolo andro. Misy fivorian’ny mpisava lalana koa isan-taona, alohan’ny fivoriamben’ny faritra.
[Sary, pejy 26]
Ahitan-doza ny fiarahana efitra amin’olona tsy manaraka ny fitsipi-pitondran-tena ao amin’ny Baiboly
[Sary, pejy 26]
Diniho miaraka amin’ilay olona aloha ireo zavatra tena lehibe vao manaiky hiray efitra aminy ianao