FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g02 8/7 p. 15-17
  • Afaka Mifankahazo Amin’ny Mpiray Efitra Amiko ve Aho?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Afaka Mifankahazo Amin’ny Mpiray Efitra Amiko ve Aho?
  • Mifohaza!—2002
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Miezaha mifankahalala
  • Fampiharana ny fitiava-namana
  • Rehefa mifamaly ianareo
  • Ny soa azo
  • Nahoana no Sarotra Iaraha-monina Ilay Mpiray Efitra Amiko?
    Mifohaza!—2002
  • Ahoana no Ahitako Mpiray Efitra Mifanaraka Amiko?
    Mifohaza!—2002
  • Avy Amin’ny Mpamaky
    Mifohaza!—2003
  • Avy Amin’ny Mpamaky
    Mifohaza!—2002
Hijery Hafa
Mifohaza!—2002
g02 8/7 p. 15-17

Manontany ny Tanora Hoe . . .

Afaka Mifankahazo Amin’ny Mpiray Efitra Amiko ve Aho?

“Izaho tia lakozia madio, nefa ny mpiray efitra tamiko tsy niraharaha na tsy nimpirina aza ny vilia, ary na navelany fotsiny teo ambony fatana aza ny vilany. Tsy nampaninona azy mihitsy izany.”—Lisy.a

MPIRAY EFITRA. “Afaka ny ho mpinamana tsy mifankafoy izy ireo, na koa ho mpifahavalo mandra-pahafaty”, hoy ilay mpanoratra atao hoe Kevin Scoleri. Mety tsy hahery be ohatra izany ny fihetseham-ponao, kanefa tsy azo lavina fa tena sarotra indraindray ny miara-mipetraka amin’olon-kafa.b Be dia be ny mpiray trano miady any amin’ny oniversite, ka milaza ny gazety Vaovaon’i Etazonia & Tatitra Momba An’izao Tontolo Izao (anglisy), fa sekoly maro no manao “ezaka be” mba hanampiana ny mpiray efitra hifankahazo tsara. Anisan’izany ezaka izany ny fampiofanana sy ny “fandaharana natao handaminana ady.”

Sarotra amin’ny tanora kristianina koa indraindray ny miray trano amin’olon-kafa, na dia nandao ny fianakaviany mba hanao asa manontolo andro aza izy ireo. Soa ihany fa azo alamina ny tsy fifanarahana, rehefa ampiharina ny toro lalana ao amin’ny Baiboly sy ny “tena fahendrena.”—Ohabolana 3:21.

Miezaha mifankahalala

Rehefa tsy dia mientam-po intsony toy ny tamin’ny vao nifindra trano ianao, dia mety hanomboka hanembona ny tany an-tranonao taloha. (Nomery 11:4, 5) Vao mainka hanasaro-javatra anefa ny fieritreretana foana momba ny lasa. Izao no torohevitra ao amin’ny Mpitoriteny 7:10: “Aza manao hoe: Ahoana no nahatsara ny andro taloha noho ny ankehitriny? fa tsy avy amin’ny fahendrena no anontanianao izany.” Ataovy àry izay azonao atao mba hanatsarana ny tarehin-javatra.

Miezaha aloha hahafantatra ilay mpiray efitra aminao. Tsy voatery ho mpinamana tsy mifankafoy ianareo. Mety tsy ho ilay karazan’olona manintona anao akory aza izy. Kanefa raha tsy maintsy hiara-miaina aminy ianao, tsy aleo ve manana fifandraisana tsara araka izay azo atao?

Milaza amintsika ny Filipiana 2:4 hoe: “Aza samy mihevitra ny azy ihany, fa samy ny an’ny namany koa.” Anontanio ny momba ny fianakaviany, ny zavatra mahaliana azy, ny tanjony, ary ny zavatra tiany, kanefa aza atao toy ny famotopotorana ilay izy. Lazao koa ny mombamomba anao. Hifankahazo kokoa ianareo, rehefa mifankahalala bebe kokoa.

Miaraha manao zavatra tsindraindray. Hoy i Lova: “Miara-mandeha misakafo any ivelany na mijery zava-kanto izahay sy ilay mpiray efitra amiko indraindray.” Mifankatia kokoa ny samy kristianina miara-mipetraka, raha miara-manao zavatra ara-panahy, ohatra hoe miara-manomana fivoriana na miara-mitory.

Hoy i Davida: “Rehefa nanao lahateny ilay mpiray efitra tamiko, dia niaraka taminy aho mba hampahery azy.” Ampifandraisin’ny fitiavana zavatra ara-panahy izy roa lahy, na dia tsy mitovy aza ny mozika sy ny spaoro tiany. Hoy i Davida: “Miresaka zavatra ara-panahy foana izahay, mandritra ny ora maro mihitsy aza indraindray.”

Mitandrema anefa sao miraiki-po be loatra amin’ny mpiray efitra aminao, ka tsy ho afaka hinamana amin’olon-kafa. Mety hahatsiaro ho voafehifehy ilay mpiray efitra aminao, raha voatery hanasa anao hiaraka aminy foana isaky ny misy halehany. “Mihalalaha”, hoy ny Baiboly, mba hanananao namana maromaro.—2 Korintiana 6:13.

Fampiharana ny fitiava-namana

Mazava ho azy fa tsy mitovy ny fahazaranareo sy ny zavatra tianareo ary ny fomba fihevitrareo. Nampitandrina i Mamy hoe: “Tokony hanampo ny hahita fahadisoana ianao.” Hisy ny zava-manahirana, raha miziriziry amin’ny hevitrao ianao, na tsy mihevitra afa-tsy ny tenanao. Hanasaro-javatra koa ianao, raha manantena ny hanaovan’ilay mpiray efitra aminao fiovana be mba hamalifaliana anao.

Izao no nianaran’i Fidy momba ny fiaraha-mipetraka amin’olon-kafa: “Tsy tokony ho tia tena ianao na tsy hihevitra afa-tsy ny tenanao.” Mifanaraka amin’ilay fitsipika malaza momba ny fitiava-namana izany, dia ilay hoe: “Na inona na inona tianareo hataon’ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy kosa tahaka izany.” (Matio 7:12) Hitan’i Fidy, ohatra, fa ny fitaovana fanafanana trano no nampiady azy sy ilay mpiray efitra taminy, satria izy tia mafana, fa ilay namany kosa tia matory amin’ny efitra mangatsiatsiaka. Inona no vahaolana? Hoy i Fidy: “Naka bodofotsy aho.” Hoy koa i Mamy: “Mandefera. Tsy voatery hampandeferinao daholo akory ny zavatra rehetra tianao, fa iray na roa angamba no tsy maintsy ampandeferinao.”

Intỳ koa misy fomba iray azo ampiharana ny fitiava-namana: Mahaiza milefitra amin’izay zavatra tian’ilay mpiray efitra aminao. Tsy tianao ny mozika henoiny, hoy ianao? Azo antoka fa tsy tiany koa ny mozika henoinao. Angamba afaka mandefitra ianao, raha tsy misy resaka fahalotoam-pitondran-tena ny hira tiany. Hoy i Fidy: “Tiako kokoa raha mba karazan-kira hafa no henoin’ilay mpiray efitra amiko. Efa mihazatra an’ilay izy anefa aho izao.” Afaka mankafy ny mozika tiany amin’ny fitaovana fihainoana koa ny olona iray, mba tsy hanelingelenana ny mpiray trano aminy izay mianatra.

Afaka misakana ny fifandirana tsy misy antony momba ny fananana manokana koa ny fitiava-namana. Tsy ho faly, ohatra, ilay mpiray efitra aminao, raha mahery mandany ny zavatra ao amin’ny vata fampangatsiahana ianao, kanefa zara raha mameno azy io. Tsy ho tsara mihitsy koa ny fifandraisanareo, raha tezitra na mangarika ianao, rehefa maka sakafo novidinao ilay namanao. Mampirisika antsika ‘hazoto hanome sy hiantra’ ny Baiboly. (1 Timoty 6:18) Raha heverinao fa manararaotra anao izy, dia aza mangina fotsiny, fa lazao amim-pahatoniana sy amin-katsaram-panahy izay mampalahelo anao.

Samia manaja ny fananan’ny andaniny avy. Miavonavona, na miana-kendry, ny olona maka zavatr’olona tsy miera. (Ohabolana 11:2) Tadidio koa fa mba te hanana ny fiainany manokana ny mpiray efitra aminao. Manehoa fahalalam-pomba tsotra, ka aza hadinoina, ohatra, ny mandondòna alohan’ny hidirana. Rehefa manaja azy ianao, dia hanaja anao koa izy. “Tsy olana aminay ny mianatra ao an-trano”, hoy i Davida. “Samy manaja an’izany tanteraka izahay, ka mangina tsara ny iray rehefa mianatra ny iray. Mandeha mianatra any amin’ny famakiam-boky anefa aho indraindray, rehefa te hanao zavatra hafa ny mpiray efitra amiko.”

Raha mampihatra ny fitiava-namana koa ianao, dia tokony hahatsapa ny andraikitrao handoa ara-potoana ny anjaranao amin’ny vola laninareo, sy hanao ny anjara raharahanao ao an-trano.

Rehefa mifamaly ianareo

Tamin’ny andron’ny Baiboly, dia “nifanditra mafy” i Paoly sy Barnabasy, izay samy kristianina nohajain’ny rehetra. (Asan’ny Apostoly 15:39) Ahoana raha mitranga eo aminareo koa izany? Angamba izany vokatry ny toetranareo tsy mitovy, na ny fahazarany iray tsy tantinao intsony. Raha tsy mifanaraka na mifamaly mafy indray mandeha ianareo, midika ve izany fa tsy tokony hiray trano intsony ianareo? Tsy voatery ho izany. Mazava ho azy fa voalamin’i Paoly sy Barnabasy tsara ny tsy fifanarahana nisy teo aminy. Angamba afaka manao toy izany koa ianareo, fa tsy tonga dia misaraka. Afaka manampy anareo ireto toro lalan’ny Baiboly ireto:

● ‘Aza manao na inona na inona amin’ny fifampiandaniana, na mandrani-tena foana; fa amin’ny fanetren-tena, dia aoka samy hanao ny namany ho mihoatra noho ny tenany.’—Filipiana 2:3.

● “Esory aminareo ny fo-lentika rehetra sy ny fahavinirana sy ny fahatezerana sy ny fitabatabana sy ny fitenenan-dratsy ary ny lolompo rehetra; ary aoka samy halemy fanahy amin’ny namany avy hianareo, ka hifampiantra sy hifamela heloka, tahaka ny namelan’Andriamanitra ny helokareo ao amin’i Kristy.”—Efesiana 4:31, 32.

● “Ary amin’izany, raha mitondra ny fanatitrao ho eo amin’ny alitara hianao, ary eo no mahatsiaro fa ny rahalahinao manana alahelo aminao, dia avelao eo anoloan’ny alitara ny fanatitrao, ka mandehana aloha, ataovy izay hihavananao amin’ny rahalahinao, ary rehefa miverina, dia vao atero ny fanatitrao.”—Matio 5:23, 24; Efesiana 4:26.

Ny soa azo

Tanora (sy olon-dehibe) kristianina maro, miara-mipetraka amin’olon-kafa, no nahita fa marina ny tenin’i Solomona Mpanjaka hendry hoe: “Tsara ny roa noho ny iray.” (Mpitoriteny 4:9) Eny tokoa, maro no nahita fa misy tombony ny miara-mipetraka amin’olon-kafa. “Nanjary nahay nifandray sy nifanaraka kokoa tamin’ny olona aho”, hoy i Mamy. Hoy koa i Rondro: “Manjary fantatrao kokoa ny tenanao. Afaka mitaona anao hanao zavatra tsara koa ny mpiray efitra aminao.” Miaiky toy izao i Lisy: “Zaza nihanta be aho tamin’izaho vao nifindra trano niaraka tamin’ireo mpiray efitra tamiko, fa avy eo aho nanjary tsy sarotiny intsony. Fantatro izao fa tsy voatery ho diso ny hafa, rehefa tsy mitovy amin’izay ataoko ny ataony.”

Marina tokoa fa mitaky ezaka ny mifankahazo amin’ny mpiray efitra. Raha miezaka mafy hampihatra ny toro lalan’ny Baiboly anefa ianao, dia tsy vitan’ny hoe hiara-miaina amim-pihavanana ianareo, fa mety ho tianao mihitsy aza ny miara-mipetraka amin’olona.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Nosoloana ny anarana sasany.

b Jereo ilay hoe “Nahoana no Sarotra Iaraha-monina Ilay Mpiray Efitra Amiko?” ao amin’ny Mifohaza! 8 Mey 2002.

[Sary, pejy 16]

Tsy mampifanaraka indraindray ny maka zavatra tsy anao

[Sary, pejy 17]

Samia mihevitra ny namany avy

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara