FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g97 8/3 p. 23
  • Arovy ny Fandrenesanao!

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Arovy ny Fandrenesanao!
  • Mifohaza!—1997
  • Mitovitovy Aminy
  • Arovy ny Sofinao!
    Mifohaza!—2002
  • Fihainoana, Fandrenesana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Ny Fandrenesanao — Fanomezana Tokony Hankamamina
    Mifohaza!—1997
  • Fijerena An’izao Tontolo Izao
    Mifohaza!—1999
Hijery Hafa
Mifohaza!—1997
g97 8/3 p. 23

Arovy ny Fandrenesanao!

NY FANADIHADIANA iray natao vao haingana teo amin’ny tanora 400 tany Frantsa, dia nampiharihary fa tanora iray amin’ny dimy no iharam-pahavoazana ny fandrenesany. Ny fandinihana nitovy tamin’izany natao folo taona talohan’io, dia nampiseho fa tanora iray monja tamin’ny folo no azon’izany fahavoazan’ny fandrenesana izany. Mba hiatrehana ny fahavoazan’ny fandrenesana izay mitombo be eo amin’ny tanora, ny Antenimieram-pirenena frantsay, tamin’ny taon-dasa, dia niara-nandany ny hamerana ny haavom-peo avy amin’ny fitaovana fandefasana mozika ho 100 desibela.

Ny ankabeazan’ny antony mahatonga ny fahavoazan’ny fandrenesana dia ny feo avo avoakan’ny écouteurs amin’ny fitaovana fandefasana mozika. Milaza ilay mpandidy sofina atao hoe Jean-Pierre Cave fa ny hamafim-peo ambonin’ny 100 desibela dia afaka miteraka fanimbana maharitra, rehefa afaka ora vitsivitsy. Afaka minitra vitsivitsy monja dia mitranga izany fanimbana izany, rehefa mihoatra ny 115 desibela ny hamafim-peo. Milaza ny FNAC, mpaninjara fitaovana elektronika frantsay lehibe indrindra, fa ny ankamaroan’ny fitaovana fandefasana mozika ao aminy dia mamoaka feo mihoatra ny 100 desibela. Misy fitaovana fandefasana mozika sasany afaka mamoaka feo 126 desibela, izay avo efajato henin’ny 100 desibela ny heriny!

Mety hanimba kokoa an’ireo tanora noho ny fitaovana fandefasana mozika ny rindran-kira rock, hoy ilay manam-pahaizana manokana frantsay momba ny fandrenesana atao hoe Christian Meyer-Bisch. Eny tokoa, ireo mpijery tsy tapaka rindran-kira rock no voa mafy ny fandrenesany, raha oharina amin’ireo tanora 18 taona salama. Tsy mahagaga raha nampitandrina toy izao i Jean-François Mattei, depioten’ny Antenimieram-pirenena frantsay: “Eo am-pamokarana taranaka marenina isika.”

Koa mba hiarovana ny fandrenesanao, tandremo io hamafim-peo io!

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara