FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g02 8/8 p. 2-4
  • Nahoana no Ilaina ny Polisy?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nahoana no Ilaina ny Polisy?
  • Mifohaza!—2002
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Asa soa ho an’ny daholobe
  • Sady Atokisana no Atahorana ny Polisy
    Mifohaza!—2002
  • Hanao Ahoana ny Hoavin’ny Polisy?
    Mifohaza!—2002
  • Avy Amin’ny Mpamaky
    Mifohaza!—2003
  • Fiezahana Mafy Hamarana ny Heloka Bevava
    Mifohaza!—1996
Hijery Hafa
Mifohaza!—2002
g02 8/8 p. 2-4

Nahoana no Ilaina ny Polisy?

HANAO ahoana ny fiainana raha tsy misy polisy? Inona, ohatra, no nitranga tany Recife, Brezila, tamin’ny 1997, rehefa nitokona ny polisy 18 000 tany, ka tsy nisy polisy nikarakara ireo vahoaka iray tapitrisa mahery?

“Nitombo avo telo heny ny vonoan’olona isan’andro tao amin’io tanàn-dehibe amorontsiraka io, nandritra ireo dimy andro nisafotofoto”, hoy Ny Gazetin’i Washington (anglisy). “Banky valo no nisy namaky. Norobain’ny andian-jiolahy ny tranom-barotra iray, ary nampiasa basy izy ireo rehefa nanafika nisesy an’ireo tanànan’ny mpanan-karena. Tsy nisy nanaja ny lalàm-pifamoivoizana. . . . Nitombo be ny vonoan’olona ka saika tsy antonona intsony ireo tranom-paty. Be dia be koa ny olona nalefa teny amin’ny hopitalim-panjakana lehibe indrindra, ka natsotra teny an-dalantsara ireo voatifitry ny basy na voatsatoky ny antsy.” Nilaza ny minisitry ny fitsarana hoe: “Mbola tsy nisy fandikan-dalàna toy izao mihitsy teto hatrizay.”

Fitaka manarontsarona ny fanaovan-dratsy fotsiny ny fandrosoana, hatraiza hatraiza. Mila ny fiarovan’ny polisy isika. Ekena fa efa nandre ny ankamaroantsika hoe misy polisy mahery setra, mandray tsolotra, tsy miraharaha olona ary manampatra fahefana. Miovaova arakaraka ny tany ny fisehoan’izany. Hahavita inona anefa isika raha tsy misy polisy? Tsy marina ve fa maro ny zavatra mahasoa ataon’ny polisy? Nanontany polisy tany amin’ny tany samy hafa ny Mifohaza!, momba ny antony nifidianan’izy ireo an’io asa io.

Asa soa ho an’ny daholobe

“Mahafinaritra ahy ny manampy olona”, hoy i Ivan, polisy anglisy. “Isan-karazany ny asan’ny polisy, ka izany no nahasarika ahy. Tsy fantatry ny olona fa ny 20 na 30 isan-jaton’ny asan’ny polisy ihany no mahakasika asan-jiolahy. Asa soa ho an’ny daholobe izy io, raha ny marina. Afaka mikarakara olona maty tampoka, ohatra, aho rehefa manao fisafoana, mijery izay nitranga tamin’ny lozam-piarakodia sy asan-jiolahy, ary manampy zokiolona sahirana. Afa-po erỳ ny tena rehefa mamerina zaza very any amin’ny ray aman-dreniny, na rehefa manampy olona mivarahontsana noho ny asan-jiolahy nihatra taminy.”

Polisy taloha tany Etazonia i Stephen. Hoy izy: “Afaka manampy ianao sady manam-potoana hanampiana, rehefa misy olona tonga mba hila vonjy. Izany no nahasarika ahy tamin’io asa io. Naniry hanampy olona sy hisolo vaika azy ireo aho. Tsapako fa niaro ny olona tamin’ny asan-jiolahy aho, na, fara faharatsiny, mba nisy anjara birikiko tamin’izany. Nisambotra olona 1 000 mahery aho, tao anatin’ny dimy taona. Faly koa aho, rehefa misy zaza very ka hitako indray, rehefa manampy olona mipenimpenina tsy mahita ny lalana mody noho ny aretin’i Alzheimer, ary rehefa mahatratra fiara nangalarina. Mientana koa ny fo rehefa manenjika sy mahatratra ireo olona ahiahina.”

“Naniry hanampy ny olona mila vonjy maika aho”, hoy i Roberto, polisy any Bolivia. “Efa hatramin’ny mbola kely no nahafinaritra ahy ny polisy, satria miaro olona izy ireo. Niandraikitra fanaovana fisafoana an-tongotra no asako tamin’ny voalohany, ka tao afovoan-tanàna nisy ny biraom-panjakana no anjarako. Nifanehatra tamin’ireo mpanao fihetsiketsehana ara-politika foana izahay, saika isan’andro. Anjarako ny nifehy ny toe-javatra mba tsy hisian’ny herisetra. Hitako fa tsy nisy ny rotaka izay nety ho nandratra olona maro, rehefa tsara fanahy sy nahay niresaka tamin’ireo mpitarika ny fihetsiketsehana aho. Nahafinaritra izany.”

Betsaka tokoa ny karazan’asa ataon’ny polisy. Mikarakara ny raharaha tsotra indrindra izy ireo, toy ny fanavotana saka eny ambony hazo. Manao ny sarotra indrindra koa anefa izy ireo. Manavotra olona atao takalon’aina, ohatra, ary mifanandrina amin’ny mpamaky banky. Tatỳ amin’ny andro maoderina anefa, dia nanjary sady atokisana no atahorana ny polisy. Miresaka ny anton’izany ny lahatsoratra manaraka.

[Sary, pejy 2, 3]

Pejy 2 sy 3: Fandaminana fifamoivoizana any Chengdu, Chine; polisy grika mpandamina rotaka; polisy atsy Afrika Atsimo

[Sary nahazoan-dalana]

Linda Enger/Index Stock Photography

[Sary, pejy 3]

Tranom-barotra voaroba nandritra ny fitokonan’ny polisy tany Salvadaoro, Brezila, tamin’ny Jolay 2001

[Sary nahazoan-dalana]

Manu Dias/Agência A Tarde

[Sary, pejy 4]

Stephen, Etazonia

[Sary, pejy 4]

Roberto, Bolivia

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara