Sady Atokisana no Atahorana ny Polisy
OLONA maro tany Angletera no tsy nanaiky ny hampiasana polisy matihanina manao fanamiana, tany am-piandohan’ny taonjato faha-19. Natahotra izy ireo sao ho very ny fahalalahany raha misy tafika eo ambany fahefan’ny fanjakana foibe. Ny sasany natahotra sao hanao toa an’ireo mpitsongo dia frantsay, nampiasaina tamin’ny andron’i Joseph Fouché, ireo polisy. Tsy maintsy nieritreritra anefa izy ireo hoe: ‘Hahavita inona tokoa moa isika raha tsy misy polisy?’
Nanjary ny tanàna lehibe sy nanankarena indrindra eran-tany i Londres. Nitombo ny asan-jiolahy tany, ka notandindomin-doza ny fandraharahana. Tsy nahavita niaro ny vahoaka sy ny fananany, na ireo lehilahy nirotsaka an-tsitrapo hiambina amin’ny alina, na ireo efa matihanina amin’ny fanenjehana mpangalatra, ampiasain’ny fikambanana tsy miankina. Hoy i Clive Emsley, ao amin’ilay bokiny hoe Tantaran’ny Politika sy ny Fiainan’ny Polisy Anglisy: “Nihananjaka ny fiheverana hoe tsy tokony hisy asan-jiolahy sy korontana any amin’ny tany mandroso.” Natoky ny mponin’i Londres fa hizotra tsara ny fiainana, ka tapa-kevitra izy ireo hampiasa polisy matihanina, notarihin’Andriamatoa Robert Peel. Nanomboka nanao fisafoana ny faritra niandraiketany ny Polisin’ny Renivohitra, tamin’ny Septambra 1829.
Hatramin’izay nisian’ireo polisy maoderina anefa, dia sady natoky azy ireo ny olona no natahotra azy ireo koa. Natokisana hiaro izy ireo, kanefa natahorana hanampatra fahefana koa.
Lasa nisy polisy tany Amerika
I New York no voalohany nanana polisy matihanina, tany Etazonia. Nihananankarena io tanàna io, ka nitombo koa ny asan-jiolahy tao. Nanomboka tamin’ireo taona 1830, dia azon’ny fianakaviana tsirairay vakina ao amin’ny gazety mora vidy, ireo fitantarana mampihoron-koditra momba ny asan-jiolahy. Nitombo ny fitarainan’ny vahoaka, ka nanomboka nisy polisy tany New York, tamin’ny 1845. Samy tia ny polisiny ny Amerikanina sy ny Anglisy nanomboka tamin’izay.
Nanjary natahotra ny tafika nampiasain’ny fanjakana toy ny Anglisy koa ny Amerikanina. Samy hafa anefa ny vahaolana hitan’izy ireo. Ny Anglisy nisafidy hampiasa lehilahy ambony toetra, hampanaovina satroka sy fanamiana manga antitra, hatao polisin’izy ireo. Tsy nitondra fiadiana afa-tsy kibay kely nafenina ry zareo. Tsy mitondra basy mihitsy ny polisy anglisy, hatramin’izao, raha tsy hoe tena misy toe-javatra ilana izany angaha. Misy milaza anefa hoe: “Toa tsy ho voasakana fa . . . hanjary hitam-piadiana tanteraka ireo polisy anglisy, atsy ho atsy.”
Nahatonga ny Amerikanina hanao ny Fanitsiana Faharoa tamin’ny Lalàm-panorenana kosa, ilay tahotra hoe sao hanampatra fahefana ny mpitondra. Niantoka “ny zon’ny vahoaka hanana sy hitondra Fitaovam-piadiana” io fanitsiana io. Mba nangataka hitondra basy koa ny polisy, ary nampiasa izany. Rehefa nandeha àry ny fotoana, dia lasa fahita ny polisy sy ny jiolahy amerikanina mifampitifitra eny amin’ny arabe, na malaza ho toy izany izy ireo, fara faharatsiny. Tsy nampaninona ny Amerikanina koa ny fampiasana basy satria tsy nitovy tamin’ny fiainana tany Londres ny fiainana tany Etazonia, tamin’ny fotoana voalohany nisian’ny polisy. Lasa nisavoritaka ny fiainana tany New York, rehefa nitombo haingana be ny isan’ny mponina tao. Nisy mpifindra monina an’arivo nirohotra nankany, rehefa nanomboka ny Ady An-trano tamin’ny 1861 ka hatramin’ny 1865. Eoropeanina sy Amerikanina mainty ny ankamaroan’izy ireo. Niady ireo olona samihafa firazanana, ka nihevitra ny polisy fa mila mampiasa fomba mahery vaika kokoa izy ireo.
Nanjary noheverina matetika àry fa sady nampidi-doza no nilaina ny polisy. Vonona hiaritra izay zavatra tafahoatra ataon’ny polisy tsindraindray ny vahoaka, satria nanantena fa mba hampilamina sy hiaro ihany izany. Misy karazana polisy hafa koa anefa any an-toeran-kafa.
Polisy atahorana
Ny lalàn’ny fanjakana eoropeanina no nifehy ny olona saika hatraiza hatraiza, tany am-piandohan’ireo taona 1800, raha vao nanomboka nisy ny polisy. Ny mpitondra fa tsy ny vahoaka no tena natao harovan’ny polisy eoropeanina, tamin’ny ankapobeny. Toa tsy nampaninona ny Anglisy ny nampiasa polisy miaramila mitam-piadiana mba hifehezana ireo zana-taniny, nefa izy ireo tsy tia polisy mitam-basy tao amin’ny taniny mihitsy. Hoy i Rob Mawby, ao amin’ilay bokiny hoe Fifehezan’ny Polisy Eran-tany (anglisy): “Saika nisy foana ny hetraketraka, tsolotra, herisetra, vonoan’olona, fanamparam-pahefana, nandritra ireo folo taona nisesy nisian’ny polisin’ireo mpanjana-tany.” Miresaka io boky io fa nahasoa ihany ny asan’ny polisy nofehezin’ny fanjakana eoropeanina. Milaza koa anefa izy avy eo, fa izany no “tena nahatonga ny firenena eran-tany hihevitra ny asan’ny polisy ho toy ny hery eo am-pelatanan’ny fanjakana, fa tsy ho tombontsoan’ny daholobe.”
Natahoran’ireo fanjakana tsy refesi-mandidy sao hanongam-panjakana ny vahoaka, ka matetika izy ireo no nampiasa polisy miafina mba hitsikilo ny vahoakany. Nampijalin’ireny polisy ireny ireo olona nalaina am-bavany, ary novonoina na nosamborina tsy nisy fitsarana akory izay nahiahina ho mpanongam-panjakana. Nampiasa ny Gestapo ny Nazia, nampiasa ny KGB ny Firaisana Sovietika, ary nampiasa ny Stasi (polisy miafina miantoka ny fiarovam-panjakana) kosa i Alemaina Atsinanana. Polisy 100 000 be izao no nampiasain’ny Stasi, ary 500 000 angamba no isan’ny mpitsikilo nampiasainy hanara-maso ny mponina 16 tapitrisa. Nohenoin’ireo polisy andro aman’alina ireo antso an-tariby, ary nanana antontan-taratasy momba ny tsipirian’ny fiainan’ny telo ampahefatry ny mponina izy ireo. “Tafahoatra ny nataon’ireo Stasi, sady tsy nisy henatra intsony izy ireo nanao izany”, hoy i John Koehler, ao amin’ilay bokiny hoe Stasi. “Mpitondra fivavahana ambony maro be, protestanta sy katolika, no nampiasaina ho mpitsikilo. Nofenoina fitaovana fihainoana an-tsokosoko ny biraon’izy ireo sy ireo efitra fanaovana konfesy.”
Tsy any amin’ny faritra misy fanjakana tsy refesi-mandidy ihany anefa no atahorana ny polisy. Nisy nilaza fa mampahatahotra ireo polisy, any amin’ny tanàn-dehibe rehetra. Mahery setra mantsy izy ireo rehefa mampihatra ny lalàna, indrindra fa amin’ireo olona vitsy an’isa. Niresaka momba ny raharaha mahafa-baraka fanta-bahoaka, niseho tany Los Angeles, ny gazetiboky iray. Nilaza ilay gazetiboky fa io zava-nitranga io, no “nampiseho fa tena tafahoatra ny fandikan-dalàna ataon’ny polisy, ka nanjary nantsoina hoe polisy jiolahy izy ireo.”
Nieritreritra àry ireo manam-pahefana hoe: Inona no azon’ny polisy atao hahatsara laza azy? Maro ny polisy niezaka nanantitrantitra ny asa ataon’izy ireo ho an’ny daholobe, mba hanamafisana fa miasa ho an’ny vahoaka izy ireo.
Natokisana ny polisy isan-tanàna
Nahasarika ny firenena vahiny ny fampiasana polisy isan-tanàna fanaon’ny Japoney. Mizarazara ho antoko samy manana faritra kely iandraiketany ny polisy japoney. Misy polisy 12 eo ho eo ao amin’ny antoko tsirairay, ary mifandimby izy ireo. Milaza toy izao i Frank Leishman, mpampianatra momba ny asan-jiolahy, efa nipetraka ela tany Japon: “Fantatry ny olona daholo ny asa mahafinaritra ataon’ny polisin’ny koban. Ohatra: Manoro adiresy any amin’ireo lalana saro-tadiavina any izy ireo; mampindrana elo tsy nalain’ny tompony an’ireo mpiasa sendra tratran’ny orana; ataony azo antoka fa tafiditra ao amin’ny fiaran-dalamby farany ireo mpiasa birao mamo lava; manoro hevitra amin’ny ‘zava-manahirana ny mponina.’ ” Nalaza fa tsy misy atahorana ny mandehandeha eny amin’ny araben’i Japon, satria nampiasa polisy isan-tanàna ry zareo. Nitsiriritra izany ny firenen-kafa.
Mety handaitra any an-toeran-kafa ve izany fomba fiasa izany? Nanomboka nianatra momba izany ny mpianatra momba ny heloka bevava. Manjary lavitra ny olona ny polisy, noho ireo fitaovam-pifandraisana maoderina. Toa mamonjy amin’ny tarehin-javatra ilana vonjy aina matetika no tena ataon’ny polisy. Tsikaritra indraindray fa tsy antitranterina toy ny taloha intsony ny fisorohana ny asan-jiolahy. Nanjary be mpitia indray àry ny andrimasom-pokonolona.
Andrimasom-pokonolona
“Tena mandaitra io fomba io, ary mampihena ny asan-jiolahy”, hoy ny polisy atao hoe Dewi, raha niresaka momba ny asany any Pays de Galles. “Ny andrimasom-pokonolona dia midika hoe asaina mifampiaro ny mpiray tanàna. Mandamina fivoriana izahay, mba hifankahalalan’ny mpiray tanàna, anisan’izany ny anarana sy nomerao telefaonina, ary hampahafantarana azy ireo ny fomba hisorohana ny asan-jiolahy. Tiako io hevitra io satria mahatonga ny mpiray tanàna hifandray tsara indray. Tsy mahafantatra ny mpiray tanàna aminy akory mantsy ny olona indraindray. Mandaitra io tetika io satria manjary mitandrina kokoa ny mponina.” Manjary mifandray tsara koa ny polisy sy ny vahoaka.
Dingana iray hafa koa ny fampirisihana ny polisy ho tsara fanahy kokoa amin’ireo niharan-doza. Izao no nosoratan’i Jan van Dijk, manam-pahaizana amin’ny fanadihadiana momba ireo niharan-doza: “Tokony hampianarina ny polisy fa zava-dehibe ny fomba ifandraisan’izy ireo amin’ireo niharan-doza, mitovy amin’ny maha zava-dehibe ny fomba ifandraisan’ny dokotera amin’ireo marary.” Mbola tsy mihevitra ny herisetra an-tokantrano sy ny fanolanana ho tena asan-jiolahy ny polisy, any amin’ny faritra maro. Hoy anefa i Rob Mawby: “Nivoatra be ny fomba fikarakaran’ny polisy raharaha momba ny herisetra an-tokantrano sy fanolanana, tao anatin’ireo taona faramparany. Mbola betsaka koa anefa ny azo hatsaraina.” Afaka miezaka tsy hanampatra fahefana, ohatra, ny ankamaroan’ny polisy.
Atahorana handray tsolotra ny polisy
Toa hadalana indraindray ny hiheverana fa miaro ny olona ny polisy, indrindra fa rehefa malaza ho mandray tsolotra izy ireo. Nanomboka tamin’ny fotoana nisian’ny polisy mihitsy no efa nalaza izany. Miresaka momba ny taona 1855 ilay boky hoe NYPD: Ny Tanàna sy ny Polisiny (anglisy). Hazavainy fa “tsapan’ny ankamaroan’ny mponin’i New York, hoe lasa tsy hay intsony ny manavaka ny jiolahy amin’ny polisy.” Milaza ilay boky hoe Mombamomba An’i Amerika Latinina (anglisy), nosoratan’i Duncan Green, fa “malaza be ho mpandray tsolotra sy tsy mahay ary mpanitsakitsaka ny zon’olombelona” ny polisy any. Hoy ny lehiben’ny polisy, miandraikitra ireo mpitandro filaminana 14 000 any Amerika Latinina: “Hanao inona moa ny polisy, hoy ianao, raha tsy ampy [100 dolara] akory ny karamany isam-bolana? Tsy handray tsolotra ve izy raha misy manome?”
Olana goavana ve ny fandraisana tsolotra? Arakaraka izay olona hanontanianao ny valin’izany. Izao no navalin’ny polisy iray any Amerika Avaratra, nanao fisafoana ny tanàna iray misy mponina 100 000, efa nandritra ny taona maro: “Azo antoka fa misy polisy manao ny tsy marina, kanefa manao ny marina ny ankamaroany. Izay aloha ny fahitako azy e!” Izao kosa no navalin’ny lehilahy iray avy any an-tany hafa, izay efa mpanao famotorana momba ny asan-jiolahy nandritra ny 26 taona: “Miely hatraiza hatraiza ny tsolotra, araka ny hevitro. Tena vitsy ny polisy manao ny marina. Raha misava trano voaroba ny polisy, dia mety halainy izay vola hitany ao. Raha mahatratra zava-tsarobidy nangalarin’olona izy, dia tsy maintsy hakany kely izany.” Nahoana no lasa ratsy toetra ny polisy sasany?
Manara-dalàna tsara ny sasany eo am-boalohany, nefa voataonan’ny naman-dratsy izy rehefa mandeha ny fotoana. Lasa misy fiantraikany eo aminy koa ny toetra ratsin’ireo mpanao asan-jiolahy ifaneraserany. Hoy ny polisy iray any Chicago, araka ilay boky hoe Ny Zavatra Hain’ny Polisy (anglisy): ‘Tsy ny polisy no atoro ny atao hoe zava-dratsy. Izany no manodidina azy ireo, kasihiny, hitany, fofoniny, henoiny. Tsy maintsy mikarakara izany izy ireo.’ Mety hisy fiantraikany mora foana eo amin’izy ireo izany toetra ratsy manodidina azy izany.
Marina fa asa tena ilaina no ataon’ny polisy, kanefa mbola tsy lavorary izany. Afaka manantena ve isika fa mbola hihatsara izany?
[Efajoro/Sary, pejy 8, 9]
“Mahafinaritra ny Polisy Anglisy An!”
Anisan’ny voalohany afaka nanakarama polisy matihanina ny Anglisy, na dia lafo be aza izany. Tonga ara-potoana foana ny fitaterana tamin’ny kalesin-tsoavaly nampiasain’izy ireo taloha, ka tian’izy ireo hizotra tsara toy izany koa ny fireneny. Nandresy lahatra ny Parlemanta Andriamatoa Robert Peel, Minisitry ny Atitany, tamin’ny 1829, mba hanaiky ny hisian’ny Polisin’ny Renivohitr’i Londres, ka ny Scotland Yard no foibeny. Tsy tiam-bahoaka ireo polisy tamin’ny voalohany, satria sarotiny be tamin’ny fimamoana sy ny filokana eny an-dalam-be. Nanjary tena tian’ny olona anefa izy ireo rehefa nandeha ny fotoana.
Nirehareha mihitsy i Londres nanasa an’izao tontolo izao hanatrika ilay nantsoiny hoe Fampirantiana Lehibe sy hijery ny zava-bitan’ny indostria anglisy, tamin’ny 1851. Talanjona ireo nasaina rehefa nahita ny arabe nilamina, tsy nisy mpimamo sy mpivaro-tena ary mpirenireny. Nitarika ny olona ny polisy, nitondra ny entan’ireo vahiny, nanampy ny olona hiampita arabe, ary nanatitra an’ireo vavy antitra ho eny amin’ny taxi mihitsy aza. Tsy mahagaga raha niteny ny tompon-tany sy ny vahiny mpitsidika hoe: “Mahafinaritra ny polisy anglisy an!”
Toa vitan’izy ireo ny nisoroka ny asan-jiolahy, ka nieritreritra ny lehiben’ny polisin’i Chester tamin’ny 1873, fa tsy hisy intsony ny asan-jiolahy any! Nanomboka nikarakara fiara mpitondra marary sy sampan’asa mpamonjy trano may koa ny polisy, ary nanao asa fanasoavana, toy ny fizarana kiraro sy fitafiana ho an’ny mahantra. Ny sasany nikarakara lapan’ny tovolahy sy trano hipetrahan’ny mpanao vakansy ary nandamina fitsangantsanganana.
Marina fa sahirana koa izy ireo nanafay an’ireo polisy nandray tsolotra sy nahery setra. Nirehareha anefa izy ireo matetika, satria afaka nitandro ny filaminana nefa tsy nila nampiasa hery be akory. Nirotaka, ohatra, ny mpiasa tao amin’ny toeram-pitrandrahana iray, tamin’ny 1853, ka nifanehatra tamin’izy ireo ny polisy tany Wigan, Lancashire. Tsy nety hampiasa ny basin’ny tompon’ilay toeram-pitrandrahana mihitsy ny serizà nahery fo iray sy ireo lehilahy folo monja niaraka taminy. Nanazava ny toe-tsain’ny polisy tamin’izany fotoana izany ny taratasy voarain’i Hector Macleod, tamin’ny 1886, rehefa lasa polisy toa an-drainy koa izy. Izao no voalazan’io taratasy io, araka ny hita ao amin’ilay boky hoe Ny Polisy Anglisy: “Tsy hanampy anao ny vahoaka raha masiaka ianao ... Ny tombontsoan’ny vahoaka no nokatsahiko voalohany, satria mpanompon’ny fiaraha-monina izay anendrena azy ny polisy, sady takina aminy ny hanome fahafaham-po ny mpiara-monina sy ny lehibeny.”
Hoy i Hayden, polisy efa misotro ronono, avy ao amin’ny Polisin’ny Renivohitra: “Nampianarina hifehy tena foana izahay, satria tsy misy vokany ny asan’ny polisy raha tsy eo ny fanampian’ny mpiara-monina. Rehefa tena tsy misy hevitra intsony vao ampiasainay ny kibay kelinay. Mety tsy hampiasa azy io mihitsy ny ankamaroan’ny polisy.” Nahatonga ny polisy anglisy halaza tsara koa ilay andian-tantara hoe Dixon avy any Dock Green, nandeha tao amin’ny tele nandritra ny 21 taona. Tantaran’ny polisy iray nahafantatra ny olona rehetra tao amin’ny faritra niandraiketany izy io. Voatosika haka tahaka izany angamba ny polisy, fa ny tena azo antoka dia hoe, nahatonga ny Anglisy ho tia ny polisy io andian-tantara io.
Niova ny toe-tsain’ny Anglisy, tamin’ireo taona 1960, ka nanjary manam-pahefana tsy natokisana intsony ilay reharehan’ny firenena taloha. Niezaka hitady ny fanampian’ny vahoaka tamin’ny andrimasom-pokonolona ny polisy, kanefa niharatsy laza izy ireo tamin’ireo taona 1970, noho ny tsolotra sy ny fanavakavaham-bolon-koditra. Imbetsaka izy ireo no nampangaina ho nanavakava-bolon-koditra sy namorona porofo hanamelohana olona. Niezaka mafy nanatsara ny fitondran-tenany anefa izy ireo tato ho ato.
[Sary nahazoan-dalana]
Sary etsy ambony: http://www.constabulary.com
[Efajoro/Sary, pejy 10]
Fahagagana Tany New York Hoe?
Mahavariana ny vokany, rehefa miezaka mafy ny polisy. Efa hatry ny ela i New York no noheverina ho anisan’ny tanàna mampidi-doza indrindra, ary toa tsy voafehin’ny polisy intsony ny asan-jiolahy tamin’ny faramparan’ireo taona 1980, ka kivy izy ireo. Tsy ampy vola ny fanjakana, ka tsy afaka nanondrotra ny karaman’izy ireo, ary voatery nahena ny isan’ny polisy. Vao mainka nanjaka ireo mpivarotra rongony, ka nihabe dia be ny herisetra. Matetika no nandre poa-basy ny mponina any an-tanàn-dehibe, rehefa matory amin’ny alina. Nisy fifandonana mafy tamin’ireo olona samy hafa firazanana, tamin’ny 1991, ary nanao tabataba be koa ny polisy mba hampisehoana ny alahelony.
Naniry handrisika azy ireo anefa ny sefo vaovaon’ny polisy, ka nanao fivoriana tsy tapaka niaraka tamin’izy ireo izy mba handinihana ny fomba fiasa, isaky ny faritra tsirairay. Manazava toy izao i James Lardner sy Thomas Reppetto ao amin’ilay bokiny hoe NYPD: “Tsy dia hita matetika afa-tsy ao anaty gazety ireo sefon’ny polisy miandraikitra ny faritra na ny lehiben’ny Sampan-draharahan’ny Zava-mahadomelina. Avy nivory ela be izy ireo izao.” Nanomboka nihena be ny asan-jiolahy. Araka ny tatitra, dia nihanihena ny vonoan’olona. Efa ho 2 000 izany tamin’ny 1993, nefa lasa 633 tamin’ny 1998. Izany no vitsy indrindra tao anatin’ny 35 taona. ‘Fahagagana izany’, hoy ny mponin’i New York. Nihena 64 isan-jato ny tatitra momba ny asan-jiolahy voaray, nandritra ireo valo taona farany.
Ahoana no nahavitana izany? Milaza Ny Gazetin’i New York (anglisy), tamin’ny 1 Janoary 2002, fa fomba iray tena mandaitra ilay antsoina hoe Compstat. ‘Fomba fanaovana famotorana momba ny asan-jiolahy izy io. Dinihina amin’izany ny statistika isan-kerinandro isam-paritra, mba hahafantarana ny olana sy hamahana izany isaky ny vao mitranga.’ Hoy i Bernard Kerik, kaomisera taloha: “Dinihinay ny toerana nitrangan’ilay asan-jiolahy sy ny nahatonga ilay izy. Alaminay indray ny toeran’ny polisy sy ny fitaovana mba hanaraha-maso akaiky an’ireny toerana ireny. Izany no fomba hampihenana ny asan-jiolahy.”
[Sary, pejy 7]
Paositry ny polisy japoney
[Sary, pejy 7]
Polisy mandamina fifamoivoizana any Hong Kong
[Sary, pejy 8, 9]
Polisy manara-maso ny mpijery baolina anglisy
[Sary, pejy 9]
Andraikitry ny polisy koa ny manampy ny olona niharan-doza