FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g 3/12 p. 24
  • Ny Elatry ny Lolo

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny Elatry ny Lolo
  • Mifohaza!—2012
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny Elatry ny Lolo
    Mifohaza!—2014
  • Ny Elatry ny Lolomboasary
    Mifohaza!—2014
  • Ny Fahaizan’ny Lolofotsy Manangona Angovo
    Nisy Namorona Ve?
  • Andao Hianatra Baiboly!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2012
Hijery Hafa
Mifohaza!—2012
g 3/12 p. 24

Nisy Namorona Ve?

Ny Elatry ny Lolo

● Miovaova arakaraka ny lafiny ijerena azy ny loko manjelanjelatra amin’ny elatry ny lolo. Mazava sy mamiratra be ny elatry ny karazana lolo iray ka tazana hatrany amin’ny 805 metatra. Inona no mahatonga an’izany?

Diniho izao: Misy lempona kely be dia be milahadahatra eo amin’ny elatry ny lolo maitso manana elatra misy rambo, ary mamerina ny hazavana amin’ny fomba samihafa ireny lempona ireny. Lasa manopy maitso mavo, ohatra, ny eo afovoan’ny lempona tsirairay rehefa tarafin’ny hazavana fa manga kosa ny eny amin’ny sisiny. Mitaratra avy hatrany ny hazavana miantefa ao amin’ireo lempona. Mbola mandalo sosona maromaro kosa ny hazavana mankeny amin’ny lafin’ireo lempona ka miova ny fahitantsika ny loko avoakany, izany hoe lasa mamiratra kokoa sy manome loko samihafa.

Folo taona ny mpikaroka vao nahavita naka tahaka tsotsotra ny elatry ny lolo. Manantena izy ireo fa ho vitany ny hanamboatra taratasim-bola sy karatra fitrosana sarotra alaina tahaka ary fitaovana mahavita maka angovo betsaka kokoa avy amin’ny masoandro. Sarotra anefa ny maka tahaka ny elatry ny lolo. Hoy i Ullrich Steiner, profesora ao amin’ny Oniversiten’i Cambridge: “Maro ny tsipiriany fantatsika eo amin’ny resaka hazavana sy fahitana. Mbola tsy misy dikany anefa matetika ny loko azontsika foronina raha ampitahaina amin’ny loko mahavariana isan-karazany eo amin’ny natiora.”

Ahoana ny hevitrao? Tongatonga ho azy ve ny elatry ny lolo, sa nisy namorona?

[Sary, pejy 24]

Lolo maitso manana elatra misy rambo

[Sary, pejy 24]

Elatry ny lolo, jerena amin’ny mikraoskaopy

[Sary, nahazoan-dalana, pejy 24]

Lolo: Faunia, Madrid; elatra jerena amin’ny mikraoskaopy: © Eye of Science/Photo Researchers, Inc.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara