Tokan-tena Nefa Tsy Manirery
“Rehefa tonga ao an-trano ny zanako, dia mamihina ahy sady miteny amiko hoe: ‘Neny moa tiako ô!’ Izany no tena mahatsara ny hoe reny.”—DORIS, MITAIZA IRERY NY ZANANY MIANADAHY.
METY hampahery ny ray na reny tokan-tena ilay teny ao amin’ny Baiboly hoe: “Lova avy amin’i Jehovah ny zanaka maro.” (Salamo 127:3) Tsy mihena ny hasarobidin’ny ankizy eo imason’Andriamanitra, na dia ny rainy na ny reniny irery aza no mitaiza azy. Tian’ny Mpamorona antsika ho sambatra ny ray na reny tokan-tena sy ny zanany. Hoy ny Baiboly: “Jehovah ... manandratra ny kamboty sy ny mpitondratena.” (Salamo 146:9) Afaka matoky ireo ray na reny tokan-tena fa vonona hanampy azy ireo Andriamanitra.
Natao hotezaina amim-pitiavana sy harovana ny ankizy. Hampitombo azy izany ary hahatonga azy ho mato-tsaina sy ho matotra ara-panahy. Andraikitra sy tombontsoa ho an’ny ray sy reny ny hoe ampiasain’Andriamanitra hampiofana ny ankizy.
Maro ny ray na reny nitaiza irery nahatsapa fa tsy ho nahavita nitaiza tsara ny zanany izy ireo, raha tsy nivavaka mafy sy nampihatra foana ny toro lalan’ny Baiboly ary nitoky tanteraka tamin’i Jehovah. Mifanaraka amin’izany ny fampirisihana ao amin’ny Salamo 55:22 hoe: “Apetraho amin’i Jehovah ny entanao, ary Izy no hanohana anao.”
Afaka manampy ny ray na reny tokan-tena handamina olana sasany ao an-tokantranony angamba indraindray, ny ray aman-dreniny sy ny anti-panahy ary ireo ray aman-dreny za-draharaha eo anivon’ny fiangonana. Mety ho afaka hanampy azy tokoa ny havana sy ny mpiara-mivavaka, kanefa ny ray sy reny niteraka no tena nanankinan’Andriamanitra ny andraikitra.a
Mahafaly fa olona maro nitaiza irery ny zanany no nahavita niatrika ireo olana goavana atrehin’izy ireo, ka nahalehibe ankizy mahay mandray andraikitra sy hendry ary matahotra an’Andriamanitra. Niresaka tamin’ny sasany tamin’izy ireny ny Mifohaza! Ireto ny zavatra sasany niombonan’izy ireo, mba hahasambatra ny ankohonany.
• Fahaiza-mitantana tokantrano. Miezaka mafy izy ireo hahay handamin-javatra tsara mba hampilamina ny fandaharam-potoanany. Tena ilaina ny manao fandaharana mialoha sy manao zavatra milamina tsara. Milaza ny Baiboly hoe: “Ny hevitry ny mazoto dia mampanan-karena; fa ny maimaika rehetra dia halahelo ihany.”—Ohabolana 21:5.
• Fandavan-tena. Ny fiainam-pianakaviana no anisan’ny zava-dehibe indrindra amin’izy ireo. Ny zavatra ilain’ny zanany no ataony ho vain-dohan-draharaha, alohan’ny an’ny tenany.—1 Timoty 5:8.
• Miatrika ny tena zava-misy. Tsy hamaivaniny sady tsy itariny ny olana mitranga, fa mitady vahaolana izy. Miatrika izay olana mitranga izy, ary miezaka tsy hitsetra tena na ho tezitra eo am-piatrehana izany.
• Mifampiresaka tsara. Ampirisihiny hifampiresaka ny mpianakaviny. Ampirisihiny ny zanany hilaza mazava izay ao an-tsainy sy ao am-pony. Nilaza toy izao momba ny zanany ny ray tokan-tena iray: “Miresaka amin’izy ireo foana aho isaky ny afaka manao izany. ‘Mahafinaritra ny fiarahanay’ rehefa mikarakara sakafo hariva. Amin’io no fotoana tena amborahan’izy ireo amiko ny ao am-pony.”
• Mikarakara tena. Tsy manam-potoana firy izy ireo, nefa fantany fa zava-dehibe koa ny hikarakarany izay ilain’ny tenany ara-panahy sy ara-pihetseham-po ary ara-batana. Nanazava toy izao i Ethel, reny nisara-panambadiana mitaiza ny zanany mirahavavy: “Miezaka aho hanokana fotoana hikarakaran-tena. Manana adiny iray aho, ohatra, rehefa tonga ny mpampianatra mozika ny zanako. Mipetraka aho ary vonoiko ny tele.”
• Toe-tsaina tsara. Jeren’izy ireo amin’ny lafiny tsara foana ny fitaizana sy ny fiainany amin’ny ankapobeny. Jereny amin’ny lafiny tsara koa ny zava-manahirana. Hoy ny reny iray tokan-tena: “Tsapako izao fa tsy mahakivy foana ny hoe reny tokan-tena.”
Nahavita nitaiza tsara ny zanany
Mandaitra ve ireo toro lalana ireo? Mandaitra tokoa, ary mampiseho izany ny tantaran’ny ray na reny tokan-tena maro nahavita nitaiza tsara ny zanany. Nitaiza irery ny zanany telo mianadahy i Gloria, noresahina tao amin’ny lahatsoratra voalohany. Nisara-panambadiana izy ary mipetraka sy miasa any Angletera. Efa lehibe ireo zanany ary samy lasa mpanompo kristianina manontolo andro, manokan-tena amin’ny fampianarana Baiboly. Nanazava i Gloria hoe: “Ny sarotra indrindra dia ny nanao tsy tapaka ny fiarahan’ny mpianakavy mianatra Baiboly sy ny nanaovana izany hahafinaritra foana. Tiako ny zanako mba ho sambatra, hilamin-tsaina, hahazo izay ilainy, ary ho voaro amin’ny fandrika. Niasa alina aho. Nokendreko ny hiaraka amin’ny zanako foana isaky ny afaka aho. Miara-mivavaka izahay mianakavy kely alohan’ny handehanako hiasa, ary ampatoriko izy ireo, izay vao mandeha aho. Miaraka amin’izy ireo ao an-trano ny nenitoako rehefa mandeha miasa aho.”
Ahoana no nanampian’i Gloria ny zanany hametra izay tena zava-dehibe eo amin’ny fiainana? Hoy izy: “Ny tanjoko lehibe indrindra dia ny hanao ny zavatra ara-panahy alohan’ny zava-drehetra. Tsy nanam-bola be izahay, ary noresahiko mazava tamin’ny zanako izany. Manao zavatra tsara hotahafin’izy ireo aho, fa tsy hoe miteny azy ireo fotsiny ary niara-niasa tsara izahay.” Notantarain’i Gloria ny nataony mba hahatonga azy mianakavy kely hifankatia be, ary hoy izy: “Nifankatia be izahay satria niara-nanao zavatra foana. Tsy nisy nihidy irery tany amin’ny efitranony. Niara-nahandro sakafo izahay, niara-nanadio, ary niara-nampihaingo trano. Nampifandanjainay ny zavatra nataonay. Tsy maintsy asiako fotoana hialam-boly foana koa.”
Faly i Carolyn rehefa nihalehibe i Joseph zanany lahy. Izy irery no nitaiza an-janany, nefa ahoana no nahavitany izany tsara? Hoy izy: “Miara-mamaky Baiboly izahay mianaka alohan’ny hatoriana, ary anontaniako azy izay fianarana azony avy amin’ilay famakiana. Mandinika fehintsoratra nofantenana avy ao amin’ny boky sy gazety ara-baiboly izahay, ary ampiharinay izay zavatra nodinihina. Manampy an’i Joseph izany rehefa misy olana atrehiny, toy ny fampijalian’ny ankizy any am-pianarana.” Eken’i Carolyn fa tsy mora mihitsy ny fiainany, nefa tsy mahatsiaro ho manirery izy. Hoy izy: “Ady tsy mety tapitra ny fiainako, kanefa tsapako fa tena manampy ahy i Jehovah. Tena mampahery ahy koa ny fiangonana kristianina.”
An’arivo ny ray na reny tokan-tena nahavita nitaiza tsara ny zanany, anisan’izany i Gloria sy Carolyn. Porofo izany fa afaka miantehitra amin’ny toro lalana tsy tontan’ny ela ao amin’ny Baiboly ny ray na reny tokan-tena, mba hanabeazana ankizy hendry sy matotra tsara ara-panahy. (Ohabolana 22:6) Vitan’izy ireo ny mitaiza tsara ny zanany! Afaka mahazo traikefa avy amin’ireo olana maro atrehiny ny ray na reny tokan-tena, ary azony zaraina amin’ny olon-kafa izany. Ilaina ny fianteherana tanteraka amin’Andriamanitra sy ny finoana fa hanampy izy, satria izay no fomba tsara hahatontosana ny andraikitry ny reny tokan-tena.—Salamo 121:1-3.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo ny toko faha-9 amin’ny boky Ny Tsiambaratelon’ny Fahasambaram-pianakaviana, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah, raha mila fanazavana fanampiny ianao ny amin’izay azon’ny ray na reny tokan-tena atao mba hahasambatra ny zanany.
[Sary, pejy 11]
Niara-nianatra Baiboly foana i Gloria sy ny zanany telo ka lasa mpanompo kristianina manontolo andro izy telo mianadahy. Miaraka amin’ny zanany mianadahy izy eto, mijery taratasy sy sarin’ilay lahimatoa lasa misionera
[Sary, pejy 12]
Carolyn sy Joseph zanany