FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g02 8/10 p. 28-29
  • Topy Maso Eran-tany

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Topy Maso Eran-tany
  • Mifohaza!—2002
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Aza Manisa Ondry An’eritreritra
  • Ala Manangona Rano avy Amin’ny Rahona
  • Fandaniana Tsy Mitovy
  • Voangory Fetsy
  • Poizina avy Amin’ny Fitsapana Hafanana
  • Mahalalà Onony Rehefa Manao Fanatanjahan-tena
  • Holatra, Hazo ary Potoroo
  • Ny Loza Vokatry ny Tabataba any An-dranomasina
  • Ala
    Mifohaza!—2023
  • Feso any Nouvelle-Zélande
    Mifohaza!—2002
  • Bibikely Tsara Tarehy toy ny Firavaka
    Mifohaza!—2004
  • Manjavona ao anatin’ny iray segondra!
    Mifohaza!—1991
Hijery Hafa
Mifohaza!—2002
g02 8/10 p. 28-29

Topy Maso Eran-tany

Aza Manisa Ondry An’eritreritra

Milaza ny gazety New Scientist fa olana eran-tany ny tsy fahitan-tory lava, ary olona 1 ao anatin’ny 10 no tratran’izy io. Mihevitra ny mpahay siansa fa maty antoka 35 000 tapitrisa dolara isan-taona i Etazonia noho ny olona tsy mahita tory, ka tsy miasa fa marary na voan’ny loza. Inona no azon’ny olona tsy mahita tory atao? Nisy antokon’olona tsy mahita tory nasain’ireo mpikaroka any amin’ny Oniversiten’i Oxford hieritreritra zavatra mahafinaritra sy mampitony, toy ny rian-drano iray na toerana fanaovana vakansy tiana indrindra. Ny antokon’olona faharoa nasaina nanisa ondry an’eritreritra. Izany dia torohevitra fanome any amin’ny tany sasany mba hahitana torimaso. Ny antokon’olona fahatelo navela nanao izay tiany hatao. Elaela noho ny mahazatra ilay antokon’olona faharoa sy fahatelo vao nahita tory, fa ilay antokon’olona voalohany kosa natory 20 minitra mialoha noho ny mahazatra. Nilaza i Allison Harvey, izay anisan’ny nanao ilay fikarohana, fa “tsy dia tena mahaliana ilay manisa ondry ka tsy mampisinda ny fanahiana.”

Ala Manangona Rano avy Amin’ny Rahona

Milaza ny Dr. Paul Reddell sy David McJannet, mpahay siansa aostralianina, fa mety ho betsaka noho ny rotsakorana ny rano voangon’ny ala tropikaly avy amin’ny rahona. Araka ny Fikambanana Aostralianina Mpanao Fikarohana Momba ny Siansa sy ny Indostria, dia “misy rahona sy zavona foana ao amin’ilay ala. Miangona eny amin’ny hazo ireny ary mirotsaka na mitete amin’ny tany.” Miampy an-tapitrisa litatra àry ny rano mikoriana any amin’ny renirano tropikaly. “Tena mihena be anefa ny habetsahan’ny hamandoana milatsaka amin’ny tany, rehefa kapaina ireo ala tropikaly.”

Fandaniana Tsy Mitovy

Mandany ny efatra ampahadimin’ny entam-barotra eran-tany ny 20 isan-jaton’ny mponina eran-tany, hoy ny The State of World Population 2001. Io tatitra nataon’ny Tahirin’ny Firenena Mikambana Momba ny Mponina io dia mampahafantatra fa ‘tena tsy mitovy ny fandaniana’ ataon’ny olona any amin’ny tany mandroso sy ny olona any amin’ny tany an-dalam-pandrosoana. Voalaza, ohatra, fa “be kokoa ny fandaniana sy ny fandotoana ataon’ny ankizy iray teraka any amin’ny tany mandroso mandritra ny androm-piainany, raha oharina amin’ny an’ny ankizy 30 hatramin’ny 50 teraka any amin’ny tany an-dalam-pandrosoana. Ny antsasaky ny loto eny amin’ny rivotra dia avy any amin’ny tany mandroso izay misy ny ampahadimin’ny mponina eran-tany. Ampahany kely amin’izany (3%) no avy any amin’ny tany mahantra indrindra, izay misy ny ampahadimin’ny mponina eran-tany koa.” Fanampin’izany, dia ampy iveloman’ny olona maromaro any amin’ny tany an-dalam-pandrosoana ny ampahefatry ny velaran-tany na ranomasina ilaina mba hampandeha ny fiainan’ny olona iray any amin’ny tany manankarena.

Voangory Fetsy

Hitan’ny mpikaroka vao haingana ny fomba ahazoan’ny voangory Stenocara rano fisotro any amin’ny Efitr’i Namib, any atsimoandrefan’i Afrika. Manangona rano avy amin’ny zavona matevina tonga avy any amin’ny Oseana Atlantika ireo voangory mba hivelomany. Iray santimetatra mantsy no mba rotsakorana any an’efitra isan-taona. Ahoana no ataon’ireo voangory? Araka ny gazety Natural History dia “marokoroko ny lamosin’ireo voangory, toy ny hoe misy tendrombohitra sy lohasaha”, raha jerena amin’ny mikraoskaopy. Mitazona rano ireo tendrombohitra, ary ireo lohasaha malama manosika ilay rano. Hoy ilay gazety: “Manatrika ny rivotra izy ary atsangany ny vodiny, hany ka voangona eo amin’ny lamosiny marokoroko ilay mandomando avy amin’ny zavona. Rehefa mavesatra tsara toy ny rano indray mitete izany, dia mikoriana mankany am-bavany.”

Poizina avy Amin’ny Fitsapana Hafanana

“Mety handoto farihy 44 500 metatra toradroa eo ho eo ny volavelona avy amin’ny fitsapana hafanana iray monja, ary manampy volavelona 17 taonina amin’ny rano maloto any Etazonia ireo fitsapana hafanana vaky”, hoy ny gazety National Geographic. Atelin’ny trondro ilay volavelona, ka ny olona mihinana ilay trondro dia lasa mihinana ilay volavelona izay mety hanimba ny atidoha. Efa norarana ny fampiasana fitsapana hafanana misy volavelona any amin’ny tanàn-dehibe maro, anisan’izany i Boston. Misy mpivarotra manaiky hanakalo ny fitsapana hafanana misy volavelona amin’ny fitsapana hafanana elektronika na fitaovana hafa tsy mampidi-doza, any Boston.

Mahalalà Onony Rehefa Manao Fanatanjahan-tena

Hoy ny gazetiboky frantsay L’Express: “Mahasoa ny manao fanatanjahan-tena, toy ny fihazakazahana sy fitaingenana bisikileta ary filomanosana, intelo isan-kerinandro, mandritra ny 30 minitra na adiny iray.” Tsy tokony ho be loatra anefa ny fanatanjahan-tena ataonao raha tsy te harary mafy ianao. Ny fanatanjahan-tena tafahoatra mantsy dia mety hampahalemy ny vanin-taolana, hanimba ny taola-malemy, hampivilana ny hazondamosina, hahatriatra ny taolana, hampiakatra ny tosidra, hampikorontana ny fandevonan-kanina, hampahosa aloha be ny taolana, ary hahatonga aretim-po mihitsy aza. Hoy ny L’Express: “Mpanao fanatanjahan-tena salama tsara 1 500 no maty tampoka isan-taona atỳ Frantsa, noho ny fanatanjahan-tena mafy loatra.” Mpitsabo ny mpanao fanatanjahan-tena ny Dr. Stéphane Cascua, ao amin’ny hopitaly Pitié-Salpêtrière, any Paris. Izao no toroheviny ho an’ny olona maro “tsy manao fanatanjahan-tena raha tsy amin’ny faran’ny herinandro”, ka voatery tsaboina any amin’ny hopitaly: Manaova fanatanjahan-tena tsy tapaka, nefa aza manampatra ny herinao.

Holatra, Hazo ary Potoroo

Ny potoroo dia karazana kangoroa mitovy amin’ny voalavo, sady tsy fahita firy. Milaza ny gazety The Bulletin fa ireo biby ireo dia anisan’ny mampisy ireo alan-kininina lehibe indrindra any Aostralia. Miaina any anaty ala mijoalajoalan’ny Gippsland, any Victoria ny potoroo. Holatra maniry ambanin’ny tany no tena sakafony. Miara-miasa ireo holatra sy hazo, izany hoe ny holatra mandrakotra ny fakan’ny hazo sady manome azy rano sy sakafo alainy anaty tany. Ny hazo indray mamokatra siramamy, ka manome izany ho an’ny holatra. Ary inona no anjara asan’ny potoroo? Mihinana ireo holatra maimbo izy, ary aparitany eran’ny ala miaraka amin’ny fivalanany ireo voany tsy levony. Maniry tsara hatrany àry ny holatra sy ny hazo, ny potoroo koa bolangina erỳ!

Ny Loza Vokatry ny Tabataba any An-dranomasina

“Mihamitombo ny fanahiana noho ny oseana lasa toerana feno tabataba sy korontana ho an’ny trozona sy ny feso ary ny biby hafa any an-dranomasina”, hoy ny gazety The Independent. Nisy mpikaroka namotopototra ny antony nahafatesan’ny trozona enina sy feso iray hita teny amorontsirak’i Bahamas. Hitan’izy ireo fa lotsi-dra be tany amin’ny atidohany no nahafaty azy ary ahina hoe onjam-peo avy tamin’ireo sambon’ady teo akaikiny no nahatonga izany. Anisan’ny mampahory ny biby an-dranomasina koa ny sambom-barotra, ny fanorenana eny ambony ranomasina, ny lakana mandeha maotera, sy ny toy izany. Betsaka noho ny feo ren’ny olona mantsy ny feo ren’izy ireo. Manazava ilay gazety fa ‘rehefa misitrika any anaty rano ny trozona sy ny feso, dia voatosika hankany amin’ireo lavaka ao amin’ny tenany ny rivotra avy amin’ny havokavony. Manamafy avo 25 heny ny feo reny ilay rivotra voangona iny ka manimba ny taovam-pandrenesany. Feo iva kokoa sy amin’ny toerana lavitra kokoa tsy araka ny niheverana azy dia efa mahatonga io fahavoazana io.’ Nilaza ilay mpikaroka atao hoe Doug Nowacek fa ‘lasa tsy mahare feo lavitra toy ny mahazatra intsony ireo trozona sy feso, noho ny tabataba any an-dranomasina ka voatery mampiaka-peo. Mety tsy ho afaka hihaona sy hiray intsony izy ireo noho izany, ary raha tsy afaka mandre feo intsony izy dia tsy mahita lalana intsony koa.’

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara