Hifarana ve ny Fandripahan’ny SIDA? Amin’ny Fomba Ahoana?
MARO ny tany afrikanina no tsy nanaiky hoe areti-mifindra ny SIDA. Misy olona tsy nety hiresaka momba izany mihitsy. Nisy ezaka be natao anefa tato ho ato, mba hanabeazana ny tanora indrindra indrindra, sy hampirisihana ny olona hiresaka mazava momba ny SIDA. Nisy vokany kely ihany izany ezaka izany. Efa tena raiki-tampisaka loatra mantsy ny fomba fiaina sy ny fanao mahazatra ny olona.
Fandrosoan’ny fitsaboana
Betsaka ny zavatra momba ny VIH efa fantatr’ireo mpikaroka, ary nahavita fanafody nahaela velona kokoa ho an’ny olona maro mitondra io virosy io izy ireo. Mandaitra mba hiadiana amin’ny virosy mivadika ny fitsaboana ampiasana fanafody telo indray miaraka, fara fahakeliny.
Marina fa tsy manasitrana tanteraka ireny fanafody ireny, nefa mihavitsy ny matin’ilay virosy rehefa nampiasaina izy ireny, indrindra fa atỳ amin’ny tany mandroso. Maro ny olona manantitrantitra fa tokony handefasana an’ireny fanafody ireny ny tany an-dalam-pandrosoana. Lafo loatra anefa izy ireny ka tsy takatry ny ankamaroan’ny olona any.
Izany no mahatonga ny fanontaniana hoe: Zava-dehibe noho ny aina ve ny tombom-barotra? Niaiky toy izao ny Dr. Paulo Teixeira, talen’ny fandaharan’asa momba ny VIH/SIDA any Brezila: “Olona an’arivo no miady irery satria tsy mahavidy ny fanafody ilainy hahavelomana. Maka tombony be loatra mantsy ny orinasa mpanao fanafody. Tsy afaka mamela an’izany amin’izao fotsiny izahay.” Nilaza koa izy hoe: “Antitranteriko fa tsy tokony ho ny fitadiavana tombony no hatao ambony noho ny fanaovana ny rariny sy ny fahasalaman’ny olona.”
Nisy tany tsy niraharaha an’ireo orinasa lehibe efa manana zo ara-dalàna hanamboatra sy hivarotra fanafody. Naka tahaka ny fanafody sasany namboarin’ireny orinasa ireny izy ireo na nanafatra tany an-tany hafa, ary nivarotra azy ireny mora be.a Milaza ny Gazety Ara-pitsaboan’i Afrika Atsimo fa rehefa natao ny fanadihadiana, dia “latsaka ny 82 isan-jaton’ny vidiny apetrak’i Etazonia ny vidiny ambany indrindra amin’ny fanafody nalaina tahaka.”
Olana eo amin’ny fitsaboana
Nampidina be ny vidin’ny fanafodin’ny SIDA tany amin’ny tany an-dalam-pandrosoana ireo orinasa lehibe mpanao fanafody, rehefa nandeha ny fotoana. Nantenaina mba hihabetsaka kokoa àry ny olona ho afaka hampiasa ireo fanafody. Misy olana lehibe mila hovahana anefa, vao ho afaka hahazo azy ireny mora foana ny olona any amin’ny tany an-dalam-pandrosoana. Mbola azo lazaina hoe lafo ihany mantsy ny vidin’ireny fanafody ireny ho an’ny ankamaroan’ny olona mila azy, na dia efa nahena aza ny vidiny.
Mbola olana koa ny fampiasana ireo fanafody. Be dia be ny fanafody tsy maintsy hohanina isan’andro ary misy ora voafetra hihinanana azy. Mety tsy handairam-panafody intsony ny virosy VIH, raha tsy hajaina tsara ny ora tokony hihinanana ireo fanafody na raha tapatapahina ny fihinanana azy. Tsy azo antoka hoe mampiasa ny fanafody rehetra araka ny tokony ho izy isan’andro, ny olona atỳ amin’ny tany afrikanina. Tsy ampy mantsy ny sakafo atỳ, ary tsy dia misy koa ny rano madio azo sotroina sady vitsy ny toeram-pitsaboana.
Tsy maintsy arahi-maso koa ny olona mampiasa ireo fanafody, ary tsy maintsy ovana ny fanafody ampiarahina raha tsy mandaitra amin’ilay virosy. Ilana dokotera mahay izany ary lafo be koa ny fanaovana fitsirihana. Misy vokany hafa koa ireo fanafody ary lasa misy tsy andairam-panafody ireo virosy.
Nisy fivoriana manokana momba ny SIDA, tao amin’ny Fivoriamben’ny ONU, tamin’ny Jona 2001. Nisy soso-kevitra naroso momba ny hanaovana Tahirim-bola Iraisam-pirenena ho An’ny Fahasalamana, hanampiana ny tany an-dalam-pandrosoana. Novinavinaina fa 7 000 tapitrisa dolara ka hatramin’ny 10 000 tapitrisa dolara no ilaina. Tsy nahatratra an’io tahirim-bola noeritreretina io anefa ny vola nolazain’ireo firenena fa harotsany.
Mbola manantena hahita vaksinin’ny SIDA ireo mpikaroka, ary misy vaksiny isan-karazany efa andramana any amin’ny tany samihafa. Na mahita vaksiny tokoa aza anefa ry zareo, dia mbola ho afaka taona maromaro vao tena ho azo amboarina sy andramana ary ampiasaina tsy misy atahorana izany.
Tena nandaitra ireo fitsaboana natao tany amin’ny tany sasany, toa an’i Brezila sy Tailandy ary Ouganda. Nampiasa fanafody natao tao amin’ny taniny ihany i Brezila, ary nihena ho antsasany ny isan’ny matin’ny SIDA. Manam-bola ny firenena kelin’i Botswana ka miezaka hividy fanafodin’ny virosy mivadika, ho an’izay mila izany ao amin’ny taniny, ary ataony izay hisian’ny toeram-pitsaboana ilaina.
Ho resy ny SIDA
Azo sorohina ny SIDA, fa tsy toy ny areti-mifindra hafa. Mety tsy ho voan’ny SIDA na azo antoka tsy ho voa mihitsy ny olona, raha vonona hanaraka ny toro lalan’ny Baiboly.
Mazava tsara ny toro lalan’ny Baiboly hoe tsy tokony hanao firaisana mihitsy ny olona tsy manambady. (1 Korintiana 6:18) Tsy tokony hifanitsakitsaka ny mpivady. (Hebreo 13:4) Ho voaro koa ny olona raha manaraka ny torohevitry ny Baiboly hifady ny ra.—Asan’ny Apostoly 15:28, 29.
Tena mahafaly sy mampahery an’ireo voan’ny SIDA ny mahafantatra momba ilay tontolo vaovao tsy hisy aretina izay ampanantenain’Andriamanitra. Mahafaly sy mampahery azy ireo koa ny fanarahana ny lalàn’Andriamanitra.
Manome toky antsika ny Baiboly fa tsy maintsy ho foana daholo ny fahorian’ny olombelona, anisan’izany ny aretina. Izao ny fampanantenana ao amin’ny Apokalypsy: “Nahare feo mahery avy teo amin’ny seza fiandrianana aho nanao hoe: Indro, ny tabernakelin’Andriamanitra dia eo amin’ny olona, ary Izy hitoetra eo aminy, ary ireo ho olony, ary Andriamanitra no hitoetra eo aminy, dia ho Andriamaniny. Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha.”—Apokalypsy 21:3, 4.
Tsy ho an’ny olona afaka mividy fanafody lafo ihany io fampanantenana io. Manamafy an’io fampanantenana ao amin’ny Apokalypsy toko faha-21 io ny Isaia 33:24, hoe: “Tsy hisy amin’ny mponina ao hilaza hoe: Marary aho.” Hanaraka ny lalàn’Andriamanitra ny olona rehetra eto an-tany ary hanana fahasalamana tonga lafatra. Hifarana mandrakizay àry ny fandripahan’ny SIDA sy ny aretina hafa rehetra!
[Fanamarihana ambany pejy]
a Mahazo manao an’izany ireo fanjakana anisan’ny Fikambanana Ara-barotra Iraisam-pirenena, rehefa misy toe-javatra ilana vonjy aina.
[Efajoro/Sary, pejy 9, 10]
IZANY MIHITSY NY FANASITRANANA NOTADIAVIKO
Mipetraka atỳ amin’ny faritra atsimon’i Afrika aho, ary 23 taona aho izao. Mbola tadidiko ny andro nahafantarako hoe mitondra ny virosy VIH aho.
Izahay sy i Neny no tao amin’ny efitra fizahana marary, rehefa nilaza izany ny dokotera. Io no vaovao nampalahelo indrindra reko hatrizay niainako. Very hevitra aho sady tsy nino. Nieritreritra aho hoe diso angamba ny laboratoara. Tsy nahateny aho sady tsy hitako izay hatao. Te hitomany aho nefa tsy nahalatsa-dranomaso. Nohazavain’ilay dokotera taminay sy Neny ny momba ny fanafody tokony hampiasaina sy ny zavatra hafa koa. Tsy nisy niditra tamin’ny saiko anefa ny fanazavany, noho ny fahatairako.
Fantatro fa mety ho olona tany amin’ny oniversite nianarako no nahazoako ilay virosy. Niriko ny hiresaka tamin’olona mahatsapa ny manjo ahy, saingy tsy hitako izay hiresahana. Nihevitra mihitsy aho tamin’izay fa tsy misy ilana ahy intsony ary tena very aho. Nanampy ahy ny fianakaviako, nefa mbola kivy sy natahotra foana aho. Nanana faniriana betsaka toy ny tanora rehetra aho. Roa taona sisa dia tokony hahazo diplaoma tamin’ny siansa aho, nefa nandamòka izany.
Nanomboka nampiasa ny fanafody nomen’ny dokotera aho, ary nanatona mpanolo-tsaina momba ny SIDA. Mbola kivy foana anefa aho. Nivavaka tamin’Andriamanitra aho mba hahitako ny tena fivavahana kristianina, alohan’ny hahafatesako. Mpiangona tao amin’ny fivavahana Pentekotista aho, nefa tsy mba nisy nitsidika ahy mihitsy ny mpiara-miangona. Tiako ho fantatra hoe ho lasa aiza marina aho rehefa maty.
Nisy Vavolombelon’i Jehovah roa vavy tonga tao aminay indray maraina, tamin’ny fiandohan’ny Aogositra 1999. Narary be aho tamin’izay, nefa mbola afaka nipetraka tao amin’ny efitra fandraisam-bahiny. Nilaza ny momba azy izy mirahavavy ary nilaza fa manampy ny olona hianatra Baiboly izy ireo. Maivamaivana erỳ aho satria nivaly ihany ny vavaka nataoko. Tena narary anefa aho tamin’izay, ka tsy afaka namaky teny sy nifantoka ela.
Nolazaiko tamin’izy ireo anefa fa te hianatra Baiboly aho ary nifanao fotoana izahay. Nampalahelo fa nalefa tany amin’ny hopitaly fitsaboana aretin-tsaina aho talohan’ilay fotoana nifanaovanay, satria tena ketraka mafy. Navoaka ny hopitaly aho rehefa afaka roatokombolana, ary maivamaivana erỳ aho rehefa nahafantatra fa tsy nanadino ahy ireo Vavolombelona. Tsaroako fa nanontany momba ny fahasalamako foana ny iray tamin’izy ireo. Azo lazaina hoe nihanatanjaka ihany aho, ary nanomboka nianatra Baiboly aho tamin’ny faramparan’ny taona. Tsy nandeha ho azy ny fianarana, satria efa tsy ara-dalàna tsara intsony ny fiainako. Tsara fanahy sady naharitra anefa ilay olona niara-nianatra tamiko.
Tena gaga aho rehefa nianatra momba an’i Jehovah, ny toetrany, ny tena dikan’ny hoe mahafantatra azy sy ny hoe manantena fiainana mandrakizay. Izay koa aho vao nahafantatra ny anton’ny fijalian’ny olombelona. Faly be aho nianatra momba ny Fanjakan’Andriamanitra, izay hisolo ny fanjakan’olombelona tsy ho ela. Nanosika ahy hanova tanteraka ny fiainako izany.
Izany mihitsy ny fanasitranana notadiaviko. Tena nampahery ahy ny nahafantatra fa mbola tia sy mikarakara ahy i Jehovah! Nihevitra aho taloha fa tsy tia ahy Andriamanitra, ka izany no nahatonga ahy ho voan’ity aretina ity. Nianarako anefa, fa fitiavana no namelan’i Jehovah antsika hahazo famelan-keloka amin’ny alalan’ny sorom-panavotan’i Jesosy Kristy. Fantatro àry fa miahy antsika i Jehovah, araka ny lazain’ny 1 Petera 5:7 hoe: “Apetraho aminy ny fanahianareo rehetra; fa Izy no miahy anareo.”
Miezaka mafy aho hifandray akaiky amin’i Jehovah araka izay azoko atao, ka mamaky ny Baiboly isan’andro aho ary manatrika fivoriana any amin’ny Efitrano Fanjakana. Resahiko amin’i Jehovah amin’ny vavaka ny zava-drehetra mampanahy ahy, na dia tsy mora foana aza izany, ary mangataka tanjaka sy fampaherezana avy aminy aho. Vonona hanampy ahy koa ny fiangonana ka tena faly aho.
Mitory ny filazantsara miaraka amin’ny fiangonana misy ahy foana aho. Te hanampy ny olona eo amin’ny lafiny ara-panahy aho, indrindra fa ireo sendra zavatra mitovy amin’ny manjo ahy. Natao batisa aho tamin’ny Desambra 2001.
[Sary]
Faly be aho nahafantatra momba ny Fanjakan’Andriamanitra
[Sary, pejy 8]
Ekipa mpanolo-tsaina momba ny SIDA any Botswana
[Sary, pejy 10]
Ho tonga lafatra ny fahasalaman’ny olona rehetra ao amin’ny paradisa an-tany