Antsoantso Fanovana
AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY ALEMAINA
“Nitarika fihetsiketsehana ho an’ny fanovana aho raha mbola tanora!”, hoy i Anna, vehivavy 80 taona, mipetraka any Alemaina. “Inona anefa no tianao hovana?”, hoy i Robert nanontany azy. “Ny zava-drehetra mihitsy!”, hoy i Anna namaly azy.
MARO no mitovy hevitra amin’i Anna. Hita tamin’ny fitsapan-kevitra natao tany Alemaina, teo antenatenan’ireo taona 1990, fa tsapan’ny androatokon’ny olona nanontaniana hoe mila ‘fanovana lehibe sy fanitsiana goavana ny fiaraha-monina.’ Izany koa angamba no mitranga eo amin’ny tany misy anao.
Ampanantenaina fanatsarana foana ny vahoaka rehefa mitaky fanovana. Mpampianatra mpanampy momba ny fampianarana sy ny fanjakana i Frederick Hess. Hoy izy mikasika ny fanatsarana ny fampianarana: “Rehefa tiana ny hampangina an’ireo vahoaka tsy mahandry tantana, dia ampanantenaina fanovana hatrany izy.” Resahina an-gazety ny fanovana tokony hatao eo amin’ny sehatry ny hetra, fahasalamana, fambolena, ary lalàna. Fandrentsika koa ny tolo-kevitra momba ny fanatsarana ny fampianarana sy ny fanampiana ara-tsosialy ary ny rafitra ara-pitsarana.a Fantatsika koa fa misy mpikambana amin’ny fivavahana sasany, mitady hanova ny foto-pampianarana.
Hanova sa tsy hanova?
Nahoana ny olona no mitaky fanovana? Satria ezahiny hatsaraina foana ny fiaraha-monina misy azy. Koa mba hanatanterahana izany, dia ampiasainy ny olom-boafidy, vola, lalàna, na hery. Maniry mafy hanatsara ny fiainany mantsy ny olona ary maniry hoavy azo antoka ho an’ny taranany. Mety ho tiany koa ny hanatratra ny filamatra noeritreretiny momba ny fiaraha-monina izay manampy ny sahirana, sy tsara fitondran-tena, ary hanjakan’ny rariny. Hitaky fanovana foana anefa ny olona, raha mbola misy koa ny tsy fahalalana, aretina, fahantrana, ary ny hanoanana.
Maro no tia fanovana. Tsy mitovy hevitra avokoa anefa ny rehetra raha ny momba ireo mpitondra fanovana sy ny antony manosika azy ireo. Misy koa ireo tsy mankasitraka fanovana. Mihevitra izy ireny fa manonofy fotsiny ireo te hanova an’izao tontolo izao, ary tsy mahatsapa ny tena zava-misy. Milaza ny Bokin’ny Fanavaozana Tany Alemaina (1880-1933, alemà) fa ireo mpitondra fanovana no “tena lasibatry ny mpanakiana sy ny mpanao kisarisary fanarabiana, ary koa ny fanesoana.” Hoy i Molière, Frantsay mpanoratra tantara an-tsehatra: “Ny faniriana hanova ny tany ho toerana tsara kokoa no hevitra feno hadalana indrindra.”
Ahoana ny hevitrao? Azo hatsaraina ve ity tontolo ity? Sa mieritreritra ianao fa manonofy antoandro ireo mpitondra fanovana? Ahoana ny amin’ireo fanovana taloha? Nahatratra ny tanjony ve ny tompon’andraikitra tamin’izy ireny? Hiresaka momba izany ireo lahatsoratra manaraka.
[Fanamarihana ambany pejy]
a “Tsy momba ny atsy na ny aroa amin’ny politika mihitsy” ny Mifohaza! Natao hahalalan-javatra fotsiny ireto lahatsoratra ireto, ary koa miresaka momba ilay hany vahaolana tena ilain’ny olombelona.