FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g 1/08 p. 11-14
  • Ambanivohitra Kely Lasa Tanàn-dehibe

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ambanivohitra Kely Lasa Tanàn-dehibe
  • Mifohaza!—2008
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Niova endrika ilay tanàna
  • Niova ny kolontsaina
  • Niova anarana ilay tanàna
  • Potika nefa tafarina
  • Tsara ny toe-tsain’ny mponina
  • Nahoana no mandray hevi-baovao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
  • Fitsidihana Loharano Mafana Eto Japon
    Mifohaza!—2004
  • Nivavaka Tamin’ny Emperora vao Nankamin’ny Fanompoam-pivavahana Marina
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
  • Tsy mahafoy an’ireo mpanompony Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
Hijery Hafa
Mifohaza!—2008
g 1/08 p. 11-14

Ambanivohitra Kely Lasa Tanàn-dehibe

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY JAPON

INDRAY andro tamin’ny Aogositra 1590, dia tonga tao Edo any amin’ny faritra atsinanan’i Japon, i Ieyasu Tokugawa (ankavanana). Izy no lasa andrian-dehibe voalohany tamin’ny taranak’andriana Tokugawa.a Milaza ny boky iray fa “trano bongo an-jatony no mba tao Edo”, tamin’izany fotoana izany, “ary tantsaha sy mpanjono no nipetraka tao.” Nisy tranobe efa zato taona mahery koa tao, ary efa simbasimba ilay izy.

Tsy nalaza ilay tanàna nandritra ny taonjato maro, nefa niova be tatỳ aoriana. Izy io no lasa Tokyo, renivohitr’i Japon. Nanjary tanàn-dehibe feno olona koa izy io, satria maherin’ny 12 tapitrisa no mipetraka ao. Malaza eran-tany i Tokyo satria mandroso be eo amin’ny teknolojia, fifandraisan-davitra, fitaterana, ary varotra. Lasa foiben’ireo fikambanana lehibe mpamatsy vola mihitsy aza izy. Ahoana no nahatonga izany?

Niova endrika ilay tanàna

Niady nandritra ny zato taona ireo andrianan’i Japon, taorian’ny 1467. Lasa andriana maromaro àry no nitondra. Niady tamin’i Hideyoshi Toyotomi, izay andriana mahery, i Ieyasu tamin’ny voalohany. Nihavana anefa izy ireo tatỳ aoriana. Nataon’izy ireo fahirano ny lapa tao Odawara, izay nisy manda niaro ny foko hōjō. Lasan’izy ireo àry i Kanto, any amin’ny faritra atsinanan’i Japon. Tamin’ny farany, dia i Hideyoshi irery no nitondra ny ankamaroan’ireo faritanin’i Japon. Lasa mpisolo toerana ny mpanjaka àry izy tamin’ny 1585, na dia avy tamin’ny fianakaviana tsotsotra aza.

Nomen’i Hideyoshi an’i Ieyasu ireo faritany valo midadasika any Kanto, izay an’ny Hōjō taloha. Toa efa tetika maty paika ilay izy, amin’izay i Ieyasu mifindra any atsinanana lavitra an’i Kyoto. Tany mantsy no nisy ny mpanjaka, na dia tsy tena nanana fahefana aza izy io. Nanaiky anefa i Ieyasu ary tonga tao Edo araka ny voalaza terỳ aloha. Novany tsikelikely ho renivohitry ny fitondrany io tanànan’ny mpanjono io.

Rehefa maty i Hideyoshi dia nantsoin’i Ieyasu ireo andriana tany atsinanana, mba hiara-manafika ny faritra andrefan’i Japon. Resiny tao anatin’ny iray andro monja ireo faritra ireo, tamin’ny 1600. Voatendry ho andrian-dehibe izy tamin’ny 1603, ka izy no tena nitondra an’ilay firenena manontolo. Tao Edo indray àry no niainga ny fitantanana ny raharaham-panjakana rehetra.

Nandidy an’ireo andriana i Ieyasu mba handefa mpiasa sy fitaovana, hanamboarana lapa ngezabe iray. Nisy granita lehibe maro notrandrahina tao amin’ny Saikinosy Izu, tokotokony ho 100 kilaometatra any atsimon’i Edo. Sambo 3 000 teo ho eo no nitaterana azy ireo. Rehefa tonga tao an-tseranana ireo vato, dia lehilahy zato, na mahery, no nitarika azy ireo ho any amin’ilay fanorenana.

Vita ilay lapa, 50 taona tatỳ aoriana, tamin’ny fitondran’ny andrian-dehibe fahatelo. Io no lapa lehibe indrindra teto Japon, ary famantarana ny fitondran’ny Tokugawa. Nipetraka nanodidina azy io ireo samouraï, na miaramila mpiaro ny andrian-dehibe. Nasaina nanao trano tao Edo koa ireo andriana, na dia efa nanana lapa tany amin’ny faritaniny aza.

Lasa feno mpivarotra sy mpanao asa tanana avy any amin’ny faritra maro àry tao Edo. Nahatratra iray tapitrisa ny mponina tamin’ny 1695, izany hoe zato taona teo ho eo taorian’ny nahatongavan’i Ieyasu! I Edo no be mponina indrindra eran-tany tamin’izany.

Niova ny kolontsaina

Tsy niady tamin’ny fahavalo ny fitondrana, ka tsy dia nisy asa ny samouraï. Marina fa mbola nirehareha ihany izy ireo, nefa tsy nalaza firy intsony. Ny mpivarotra indray mantsy no nisongadina. Nandry ny tany nandritra ny 250 taona mahery. Nanan-karena ny olona tamin’ny ankapobeny, indrindra fa ny mpivarotra, ary nanana safidy malalaka kokoa. Tena niova koa ny kolontsain’izy ireo.

Nanomboka nijery fampisehoana nalaza ny mponin’i Edo. Anisan’izany ny Kabuki (tantara an-tsehatra), sy ny Bunraku (saribakoly manao teatra), ary ny rakugo (hatsikana). Nankeny amoron’ny Reniranon’i Sumida ny olona rehefa hariva, tamin’ny vanin-taona mafana. Fanaon’izy ireo koa ny nijery afomanga, ary mitohy hatramin’izao izany.

Mbola tsy nalaza eran-tany anefa i Edo. Tsy navelan’ny fanjakana hifandray tamin’ny vahiny mantsy ny Japoney, nandritra ny 200 taona mahery. Ny Holandey sy Koreanina ary Sinoa ihany no mba afaka nifandray kely tamin’izy ireo. Nisy zava-nitranga tsy nampoizina anefa tatỳ aoriana, ka nanova an’ilay tanàna sy ilay firenena manontolo.

Niova anarana ilay tanàna

Nisy sambo hafahafa nanatona ny morontsirak’i Edo. Namoaka setroka mainty be izy ireo, ka taitra ny mpanjono. Noheveriny fa volkano izy ireo! Nisy tsaho niely momba izany, ka nitsoaka ny olona.

Niantsona tao amin’ny Helodranomasin’i Edo ireo sambo efatra (ambony), tamin’ny 8 Jolay 1853. Kapitenin-tsambo amerikanina atao hoe Matthew Perry no nitarika azy ireo. Nangataka tamin’ny andrian-dehibe i Perry, mba hamela ny Amerikanina hanao raharaham-barotra tamin’izy ireo. Tonga saina ny Japoney taorian’izay, fa hay mbola tsy nandroso mihitsy izy ireo teo amin’ny lafiny ara-tafika sy ara-teknolojia.

Rava àry ny fitondran’ny Tokugawa, taorian’ny fiovana maro teo amin’ilay firenena. Navela hitondra indray ny mpanjaka. Novana hoe Tokyo na “Renivohitra Atsinanana” ny anaran’i Edo, tamin’ny 1868. Any atsinanan’i Kyoto mantsy no misy azy. Niala tany Kyoto àry ny mpanjaka, ka nifindra tao amin’ny lapan’i Edo. Io indray àry no lasa Lapan’ny Mpanjaka.

Naka tahaka ny kolontsaina tandrefana, ilay fitondrana vaovao teto Japon. Nisy tetikasa maro àry natao mba hanovana an’ilay firenena. Toy ny fahagagana mihitsy ny zava-nitranga tamin’izany. Notokanana tamin’ny 1869 ny telegrafy nampifandray an’i Tokyo sy Yokohama. Nisy lamasinina koa nampitohy an’ireo tanàna ireo, tsy ela taorian’izay. Vetivety dia feno trano biriky ny tanàna. Teo koa ny banky sy fivarotana lehibe, ary hotely fatoriana sy fisakafoana. Natsangana ireo oniversite isan-karazany. Novana ho rarivato ny lalan-tany. Lasa nisy sambo nivezivezena teo amin’ny Reniranon’i Sumida.

Ny paozin’ny olona koa aza niova. Marina fa mbola nanao ilay akanjo nentim-paharazana atao hoe kimono ihany ny ankamaroan’ny Japoney. Nihamaro anefa ireo nanao akanjo tandrefana. Lasa nampaniry volombava ambony molotra ny lehilahy, ary nanao satroka mainty sy nitondra tehina. Ny vehivavy sasany kosa nianatra nandihy valsa sy nanao akanjo fanao amin’izany.

Ny saké no tena fisotron’ny Japoney, fa lasa tia labiera koa izy ireo. Ny sumo na tolona no fanatanjahan-tena nalaza, nefa lasa be mpitia koa ny base-ball. Nalain’izy ireo tahaka avokoa ny kolontsaina sy politika nisy tamin’izany. Nandroso foana ny tanànan’i Tokyo. Nisy loza nahatsiravina nitranga anefa indray andro.

Potika nefa tafarina

Nisy horohoron-tany mafy be namely ny faritr’i Kanto, ny 1 Septambra 1923. Teo am-pikarakarana sakafo antoandro indrindra ny olona tamin’izay. Mbola nihovotrovotra injato mahery ny tany avy eo, ary nisy iray mafy be indray, 24 ora tatỳ aoriana. Nanimba zavatra maro ilay izy. Ny afo vokatr’izany anefa no tena nandravarava, satria kila forehitra ny ankamaroan’ny trano tao Tokyo. Olona 100 000 mahery no maty eran’i Japon, ka tao an-drenivohitra ny 60 000 tamin’ireo.

Nanomboka tetikasa goavana hanarenana an’ilay tanàna ny mponina. Mbola tsy tafarina tsara akory ilay izy dia rava indray, noho ny zera baomba tamin’ny Ady Lehibe II. Baomba 700 000 teo ho eo no nilatsaka ny alin’ny 9 Martsa 1945, tamin’ny misasakalina ka hatramin’ny telo maraina tany ho any. Namoaka afo ireo baomba ireo, ka nandoro an’ilay tanàna be mponina. Vita tamin’ny hazo mantsy ny ankamaroan’ireo trano. Olona 77 000 mahery no maty tao Tokyo. Raha ampitahaina amin’ireo baomba tsy niokleary nampiasaina hatramin’izay, dia ireo baomba tamin’io alina io, no namono olona maro sy nandravarava indrindra.

Rava tanteraka i Tokyo taorian’ny ady, nefa nanao ezaka mafy tsy nisy toy izany ny olona, ka tafarina indray ilay tanàna. Efa vita tsara ilay izy, 20 taona latsaka tatỳ aoriana, ka afaka nandray ny Lalao Olympika tamin’ny 1964. Nitohy foana ny asa fanorenana nandritra ny 40 taona taorian’izay. Nitatra hatrany ilay tanàna ary lasa feno trano avo be.

Tsara ny toe-tsain’ny mponina

Efa 400 taona izao ny tanànan’i Tokyo. Tsy tranainy mihitsy anefa izy io raha oharina amin’ireo tanàn-dehibe eran-tany. Vitsy ihany ny faritra mbola toy ny taloha, ary tsy dia misy firy intsony ireo trano sy zavatra naorina fahiny. Hita ihany anefa hoe i Edo taloha ilay tanàna rehefa dinihina tsara.

Mbola eo afovoan’i Tokyo ihany no misy ny Lapan’ny Mpanjaka, teo amin’ilay nisy ny lapan’i Edo fahiny. Zaridaina sy zavamaniry be dia be no manodidina azy io. Mbola miainga avy eo amin’io lapa io avokoa ireo lalambe mankany ivelan’ny tanàna, toy ny tao Edo. Mifampidipiditra be sady mihodinkodina koa ireo lalankely ao an-tanàna, toy ny taloha ihany. Tsy misy anarana akory aza ny ankamaroan’ny lalana! Tsy milahatra toy ny any an-tanàn-dehibe hafa eran-tany koa ireo trano ao Tokyo. Sady tsy mitovy habe mantsy izy ireo no tsy mifanitsy.

Ny toe-tsain’ny mponina anefa no tena tsy niova. Tia miana-javatra foana izy ireo, indrindra raha avy amin’ny vahiny. Vonona ny hiarina sy handroso hatrany izy ireo na dia sahirana ara-toe-karena aza, ary na teo aza ny horohoron-tany, sady nitombo be ny isan’ny mponina. Lasa nalaza eran-tany tokoa ilay tanànan’ny mpanjono, izay tsy fantatra akory taloha. Raha mankatỳ ianao, dia ho hitanao fa tena olona mazoto ny mponin’i Tokyo!

[Fanamarihana ambany pejy]

a Antsoina hoe shogun ireo andrian-dehibe japoney. Lehiben’ny tafika izy ireo, ary nanana fahefana ambony nanarakaraka ny mpanjaka.

[Sarintany, pejy 11]

(Jereo ny gazety)

JAPON

TOKYO (Edo)

Yokohama

Kyoto

Osaka

[Sary, pejy 12, 13]

Tokyo ankehitriny

[Sary nahazoan-dalana]

Ken Usami/photodisc/age fotostock

[Sary nahazoan-dalana, pejy 11]

© The Bridgeman Art Library

[Sary nahazoan-dalana, pejy 13]

The Mainichi Newspapers

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara