FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g 9/08 p. 20-21
  • Mety ve ny Miantso Olona Amin’ny Anaram-boninahitra?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mety ve ny Miantso Olona Amin’ny Anaram-boninahitra?
  • Mifohaza!—2008
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Manaja fa tsy hoe mankasitraka ny ataony
  • Ny ohatr’i Paoly
  • Ahoana raha anaram-boninahitra ara-pivavahana?
  • “Ampakariko any Amin’i Kaisara ity Raharaha Ity!”
    ‘Torio Amin’ny Fomba Feno ny Fanjakan’Andriamanitra’
  • Mitory Amin-kasahiana eo Anatrehan’ireo Olo-manan-kaja i Paoly
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
  • Ampio ny Olona Hanaiky ny Hafatra Momba Ilay Fanjakana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2003
  • Festosy
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
Hijery Hafa
Mifohaza!—2008
g 9/08 p. 20-21

Inona no Lazain’ny Baiboly?

Mety ve ny Miantso Olona Amin’ny Anaram-boninahitra?

NIHAONA tamin’ny mpitondra fanjakana ireo Kristianina voalohany, rehefa nitory na tamin’ny fiainany andavanandro. Olona tena ambony ny sasany tamin’ireny manam-pahefana ireny. Tsy mba nifampiantso tamin’ny anaram-boninahitra manondro fahefana na saranga, ny mpanara-dia an’i Jesosy. Fanaon’ny olona tamin’izany anefa ny niantso ny manam-pahefana tamin’ny anaram-boninahitra. Nantsoina hoe “Ilay Heni-kaja”, ohatra, ny mpanjaka romanina.—Asan’ny Apostoly 25:21.

Nampiasa anaram-boninahitra ve ny mpianatr’i Jesosy, rehefa teo anatrehan’ny mpitondra? Tokony hanao izany ve isika?

Manaja fa tsy hoe mankasitraka ny ataony

Nanoro hevitra ny mpiray finoana taminy ny apostoly Paoly hoe: “Aloavy amin’izy rehetra àry izay tokony ho azy avy: ... haja ho an’izay tokony hohajaina.” (Romanina 13:7) Anisan’ny fanajana ny mpitondra ny fiantsoana azy amin’ny anaram-boninahitra. Fampiasa eto amintsika, ohatra, ny hoe Andriamatoa Filoha, na Tompokolahy Hajaina, rehefa miresaka amin’ny manam-pahefana. Misy anefa manontany hoe: ‘Mety ve ny manaja an’ilay olona toy izany, raha toa izy ratsy toetra na ratsy fitondran-tena?’

Manam-pahefana maro no manao tsara ny asany, nefa misy koa tsy azo atokisana. Na izany aza, dia mampirisika antsika ny Baiboly mba hanaiky ny mpanjaka sy ny governora, “noho ny Tompo.” (1 Petera 2:13, 14) Ho vonona hanaja ny mpitondra isika, raha mitadidy fa navelan’Andriamanitra hahazo fahefana izy ireny matoa eo.—Romanina 13:1.

Mila manaja ny manam-pahefana foana isika, na tsara na ratsy ny ataony. Tsy hoe mankasitraka ny fitondran-tenany isika, raha miantso azy amin’ny anaram-boninahitra. Manaporofo izany ny zavatra niainan’i Paoly.

Ny ohatr’i Paoly

Nisy nanendrikendrika i Paoly, ka nosamborina tany Jerosalema ary nentina tany amin’i Feliksa, governoran’i Jodia. Olona ratsy toetra izy io. “Nihevitra izy fa afaka nanao ratsy nefa tsy ho voasazy”, hoy i Tacite, mpahay tantara romanina. Tia nandray tsolotra izy fa tsy nanao ny rariny. Nanaja azy foana anefa i Paoly, nandritra ny roa taona nigadrany. Niresaka imbetsaka izy ireo. I Feliksa moa nanantena hahazo tsolotra, saingy tsy nahazo mihitsy. I Paoly kosa nanararaotra nitory taminy.—Asan’ny Apostoly 24:26.

I Festosy no governora nandimby an’i Feliksa, ary henony ilay fitsarana an’i Paoly tao Kaisaria. Te hahazo sitraka tamin’ny mpitarika jiosy izy, ka nanolo-kevitra hoe hotsaraina any Jerosalema i Paoly. Fantatr’i Paoly anefa fa mety hotsaraina tsy ara-drariny izy any. Hoy àry izy: “Ampakariko any amin’i Kaisara ny raharaha!” (Asan’ny Apostoly 25:11) Nizaka ny zom-pirenena romanina mantsy izy.

Tsy hitan’i Festosy izay hanazavana tamin’i Kaisara ny fiampangana an’i Paoly. Nitsidika azy anefa ny Mpanjaka Agripa II, ary liana tamin’ilay raharaha. Tonga tamin’ny fomba nanetriketrika àry ny mpanjaka, ny ampitso. Nankao amin’ny efitra fitsarana izy, niaraka tamin’ny mpitari-tafika sy ny olo-manan-kaja tao an-tanàna.—Asan’ny Apostoly 25:13-23.

Rehefa navela hiteny i Paoly, dia nampiasa anaram-boninahitra hoe “Mpanjaka.” Niaiky izy fa fantatr’i Agripa tsara ny fanao sy ny adihevitra teo amin’ny Jiosy. (Asan’ny Apostoly 26:2, 3) Fantany fa nalaza ho ratsy fitondran-tena i Agripa. Niely be mantsy ny resaka hoe ny anabaviny ihany no vadiny. Nohajain’i Paoly foana anefa izy satria mpanjaka.

Hoy i Festosy: “Lasa adala ianao, ry Paoly!” Tsy tezitra anefa i Paoly fa tony tsara, ary mbola niantso an’i Festosy hoe “Governora hajaina.” (Asan’ny Apostoly 26:24, 25) Nanaja azy i Paoly satria manam-pahefana izy. Mipetraka anefa ny fanontaniana hoe: Misy fetrany ve ny fanajana an’ireo manam-pahefana?

Ahoana raha anaram-boninahitra ara-pivavahana?

Voafetra ihany ny fahefan’ny mpitondra fanjakana. Hoy mantsy ny Romanina 13:1: “Napetrak’Andriamanitra eo amin’ny toerany avy ny manam-pahefana.” Tokony ho voafetra ihany koa àry ny fanajana azy ireo. Izao no nolazain’i Jesosy tamin’ny mpianany, momba izany: “Aza mety hantsoina hoe Raby [ianareo], satria iray ny mpampianatra anareo, ary mpirahalahy avokoa ianareo rehetra. Ankoatra izany, dia aza miantso na iza na iza ho rainareo eto an-tany, fa iray ny Rainareo, dia Ilay any an-danitra. Aza mety hantsoina koa hoe ‘mpitarika’ ianareo, fa iray ny Mpitarika anareo, dia i Kristy.”—Matio 23:8-10.

Midika izany fa tsy mitovy ny anaram-boninahitra ara-pivavahana sy ny tsy ara-pivavahana. Misy anefa manam-pahefana mitondra anaram-boninahitra ara-pivavahana. Manaja tsara azy ireny ny olona manaiky ny torohevitry ny Soratra Masina, saingy tsy miantso azy amin’ny anaram-boninahitra ara-pivavahana. Tsy mety amin’ny feon’ny fieritreretany mantsy izany, satria milaza ny Baiboly hoe: ‘Aloavy amin’Andriamanitra izay an’Andriamanitra.’—Matio 22:21.

EFA NOERITRERETINAO VE IZAO:

◼ Ahoana no niheveran’ny mpianatr’i Jesosy ny manam-pahefana?—Romanina 13:7.

◼ Nampiasa anaram-boninahitra ve i Paoly, teo anatrehan’ny manam-pahefana?—Asan’ny Apostoly 25:11; 26:2, 25.

◼ Anaram-boninahitra manao ahoana no tsy neken’i Jesosy?—Matio 23:8-10.

[Sary, pejy 20, 21]

Ahoana no niantsoan’i Paoly an’i Agripa?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara