FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g 2/10 p. 30
  • Topy Maso Eran-tany

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Topy Maso Eran-tany
  • Mifohaza!—2010
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • “Voahelingelina Loatra”
  • Mila Mpandika Teny
  • Volamena avy Amin’ny Toerana Tsy Ampoizina
  • Ny Zava-miafina Momba ny Volamena
    Mifohaza!—1998
  • Volamena
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitadiava Zava-tsarobidy Noho ny Volamena
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2016
  • Nampitomboina ve ny Fitantarana ny Amin’ny Harenan’i Solomona Mpanjaka?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
Hijery Hafa
Mifohaza!—2010
g 2/10 p. 30

Topy Maso Eran-tany

“Ny 60 isan-jaton’ny mponina eran-tany izao no [manana] nomeraona finday ... Tena misy fiovana goavana tokoa, satria latsaka ny 15 isan-jaton’ny mponina no mba nanana finday, enin-taona lasa izay.”—MACLEAN’S, KANADA.

Karazana zavamiaina sy zavamaniry vaovao 1 068 no hita tany Mékong, any amin’ny faritra atsimoatsinanan’i Azia, nandritra ireo folo taona farany.—WORLD WILDLIFE FUND (WWF), ETAZONIA.

“Latsaka ny 5 isan-jaton’ny mponina eran-tany no any Amerika, kanefa efa ho ny 25 isan-jaton’ny gadra eran-tany no any. Olona 756 isaky ny mponina 100 000 no gadra. Efa ho avo dimy heny amin’ny salanisan’ny gadra eran-tany izany.”—THE ECONOMIST, GRANDE-BRETAGNE.

“Voahelingelina Loatra”

Mety tsy hampifantoka ny olona amin’izay ataony ny fitaovam-pifandraisana sasany, toy ny fitaovana fandefasana hafatra, na fampahatsiahivana amin’ny fitaovana elektronika, na zavatra mipoitra tampoka eo amin’ny ordinatera, na koa fanairana rehefa misy e-mail tonga. Mandinika ny vokatr’izy ireny eo amin’ny olombelona ny manam-pahaizana, ka milaza fa “voahelingelina loatra sady tsy tena afaka mifantoka foana” ny olona mampiasa fitaovana toy ireny. Inona no vokatr’izany? Milaza ny gazety Newsweek, fa “mety tsy hifantoka ela amin-javatra iray mihitsy ianao sady tsy hahavita zavatra hatramin’ny farany.” Mety “hanadino zavatra” koa ianao, sady “tsy hitadidy tsara intsony”, ary ampoizina hanao fahadisoana goavana.

Mila Mpandika Teny

Matetika no tsy mahazo fiteny hafa ny mpiasan’ny fitsarana sy hopitaly, ny manam-pahefana, ary ireo mpandraharaha hafa any Etazonia, ka mila fanampiana. Manao tatitra ny Masoivohom-baovao Reuters hoe “mihamaro foana ny fiteny ampiasain’ny olona”, ka misy sampan’asa manana mpandika teny vonona hanampy avy hatrany. Misy mpandika teny 5 200, ohatra, ao amin’ny orinasa iray any Kalifornia. Mahay fiteny 176 izy ireo, manomboka amin’ny fiteny be mpampiasa, toy ny teny sinoa sy rosianina ary espaniola, ka hatramin’ireo tsy dia be mpahalala, toy ny fiteny sasany any Afrika sy Meksika. Milaza ilay tatitra fa tsy ampy iray minitra akory ny orinasa toy ireny, dia afaka “mamantatra ny fitenin’ilay olona miteny”, sy manome mpandika teny an-telefaonina mba hanampiana ny mpanjifa “hifampiresaka.”

Volamena avy Amin’ny Toerana Tsy Ampoizina

Nilaza ny Masoivohom-baovao Reuters any Japon, fa “nahita toerana vaovao fitrandrahana harena” ny Faritanin’i Nagano, any avaratrandrefan’i Tokyo. “Lakandrano maloto” ilay izy. Asehon’ny fandinihana fa ahazoana volamena betsaka kokoa ireo lavenon’ny fako tao amin’ny orinasa mpanodina fako ao Suwa, raha oharina amin’ireo vato na tany any amin’ny toeram-pitrandrahana be volamena indrindra any Japon. Manantena hahazo 15 tapitrisa yens (maherin’ny 336 tapitrisa ariary), avy amin’io volamena io ilay faritra, ao anatin’ny herintaona. Voalaza fa “ireo orinasa eo amin’ny manodidina izay manamboatra fitaovana be dia be misy an’ilay metaly mavo no mahatonga” an’ilay fako ho be volamena.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara