Misoko Mangina ny Hepatita B
“Vao 27 taona aho tamin’izay, ary nanambady vao haingana. Toa salama tsara aho. Tena be atao aho tany am-piasana sy teo anivon’ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy fantatro fa efa nanomboka nanimba ny atiko ny hepatita B.”—Dukk Yun.
NY ATY no manatantavana ny poizina ao amin’ny ra sady manatontosa asa lehibe 500, fara fahakeliny. Tena mety hanimba ny fahasalaman’ny olona iray àry ny hepatita, izany hoe ny fahasimban’ny aty. Mety hahavoan’ny hepatita ny loto na ny toaka tafahoatra. Virosy anefa no tena mahatonga azy io, matetika. Nahita dimy tamin’izany ny mpahay siansa, ary mino izy ireo fa mbola misy telo hafa, fara fahakeliny.—Jereo ny efajoro eto ambany.
Olona enina hetsy, fara fahakeliny, no matin’ny virosin’ny hepatita B, isan-taona. Mitovy amin’ny isan’ny olona matin’ny tazomoka izany. Roa arivo tapitrisa mahery, izany hoe efa ho ny ampahatelon’ny mponina eran-tany, no tratran’ilay aretina, ary sitrana ao anatin’ny volana vitsivitsy ny ankamaroany. Olona 350 tapitrisa eo ho eo anefa no lasa taizan’ilay aretina ka mety hamindra azy, na ahitana soritr’aretina eo aminy na tsia.a
Mety tsy hihombo ilay aretina raha voatsabo tsara mialoha, ka tsy ho simba be ny aty. Maro anefa no tsy mahalala hoe efa voa izy, satria fitsirihana manokana ihany no ahitana an’ilay virosy. Na ny fitsirihana fanao amin’ny aty aza, dia mety hampiseho fa miasa tsara izy io. Mety hamely tampoka àry io aretina misoko mangina io. Mety ho an-taonany maro atỳ aoriana vao hita ny soritr’aretina. Mety ho efa simba anefa ny aty amin’izay, na efa voan’ny kanseran’ny aty ilay olona. Ny ampahefatry ny olona voan’ny hepatita B no maty.
“Ahoana no nahazoako an’ilay aretina?”
Hoy i Dukk Yun: “Nanomboka niseho ny soritr’aretina, tamin’izaho 30 taona. Nivalana be aho, ka nankany amin’ny dokotera samihafa, ary nisy fitsaboana isan-karazany nasaina nataoko. Tsy nijery izy ireo raha voan’ny hepatita aho. Mbola nivalana ihany aho ka niverina tany amin’ny dokotera.b Nokapohiny kely ny ila-kiboko havanana ka narary. Voamarina ny ahiahiny taorian’ny fitsirihana, satria voan’ny hepatita B aho. Izaho anefa tsy nampidiran-dra na nijangajanga mihitsy. Kivy be aho!”
Rehefa fantatr’i Dukk Yun fa voan’ny hepatita B izy, dia nanao fitsirihana koa ny vadiny sy ny ray aman-dreniny ary ny iray tam-po aminy. Samy nahitana hery fanefitra miady amin’ilay virosy tao amin’izy ireo, saingy resy ilay virosy. Ny havany ve no namindra tamin’i Dukk Yun? Sa mitovy ny fomba nahazoan’izy ireo an’ilay izy? Tsy fantatra izany. Amin’ny 35 isan-jaton’ny olona misy an’ilay virosy, dia mbola tsy fantatra izay fomba nahazoany azy. Fantatra anefa fa tsy manaranaka ny hepatita B, sady tsy mifindra amin’ny alalan’ny sakafo na ny fifaneraserana amin’ny hafa. Mifindra kosa ilay virosy rehefa tafiditra any amin’ny lalan-dran’olon-kafa, amin’ny alalan’ny tataka amin’ny hoditra na ny fihary ranoka, ny ran’ilay marary na ny tsiranoka hafa amin’ny vatany, toy ny tsirinaina na ny tsiranoka avy amin’ny fivaviana na ny rora.
Mbola mamindra an’ilay aretina amin’ny olona maro foana ny fampidiran-dra, indrindra any amin’ny tany zara raha ahitana fitaovana fitiliana hepatita B na tsy misy mihitsy. Mora mifindra kokoa ilay virosy, raha ampitahaina amin’ny VIH, ilay virosy mahatonga ny SIDA. Mety hamindra hepatita, na dia ny ra kely amin’ny hareza aza, ary na dia ra efa maina nandritra ny herinandro na mahery aza.c
Tsara ho fantatra ny tena marina
Hoy i Dukk Yun: “Natokana tao amin’ny birao kely iray aho, rehefa fantatry ny tao am-piasana fa voan’ny hepatita B.” Fahita ny toy izany. Tsy azon’ny olona tsara angamba ny fomba ifindran’ilay aretina, na fantany ihany fa afangarony amin’ny hepatita A, izay tena mora mifindra nefa tsy dia mampidi-doza. Mifindra amin’ny alalan’ny fanaovana firaisana koa ny hepatita B, ka ahiahin’ny hafa ny olona voany, indraindray, na dia madio fitondran-tena aza.
Mety ho ratsy be ny vokany raha diso hevitra na miahiahy olona toy izany isika. Any amin’ny tany maro, ohatra, dia ailikilika ny olona mitondra an’ilay virosy, na kely izy na lehibe, ka tsy avelan’ny olona milalao miaraka amin’ny zanany, tsy raisin’ny sekoly, ary tsy raisin’ny mpampiasa. Matahotra àry ny olona ka tsy mety manao fitsirihana, na manafina hoe marary. Aleon’ny sasany aza manafina ny aretiny, toy izay hitsimbina ny fahasalamany sy ny an’ny fianakaviany. Mety hihanaka foana àry io aretina mahafaty io.
Ilaina ny miala sasatra
Hoy i Dukk Yun: “Niverina niasa aho rehefa afaka roa volana, na dia nasain’ny dokotera niala sasatra tanteraka aza. Nihevitra aho fa efa salama, satria tsy hita tamin’ny fitsirihana ra sy ny skanera hoe simba be ny atiko.” Nafindran’ilay orinasa niasany ho any amin’ny tanàn-dehibe iray i Dukk Yun, telo taona tatỳ aoriana, ary vao mainka nandreraka ny asany. Niasa foana izy mba hisahanana ny fandaniana sy hamelomana ny fianakaviany.
Lasa be dia be ny virosy tao amin’ny ran’i Dukk Yun, tao anatin’ny volana vitsivitsy, ka reraka be izy. Hoy izy: “Tsy maintsy nialako ny asako, ary nanenina aho satria niasa mafy loatra. Raha mba nahenako taloha kokoa mantsy ny asako, dia tsy ho narary be aho, ary tsy ho nihasimba ny atiko.” Nandray fianarana lehibe izy, ary nanomboka nampihena ny asany sy ny fandaniany. Nifanampy koa izy mianakavy, ary nanao asa madinidinika mihitsy aza ny vadiny.
Fizakana ny hepatita B
Tsy dia niovaova ny fahasalaman’i Dukk Yun, kanefa tsy zakan’ny atiny ny fandalovan’ny ra tao ka niakatra ny tosidrany. Nisy lalan-dra vaky tao amin’ny lalan-kaniny, 11 taona tatỳ aoriana, ka nandoa ra izy ary niditra hopitaly herinandro. Narary koa ny sainy, efa-taona taorian’izay, satria niangona tany amin’ny atidohany ny amoniaka tsy voatantavan’ny atiny. Voatsabo tao anatin’ny andro vitsivitsy anefa izany.
Efa 54 taona izao i Dukk Yun. Kely ihany sisa no azo atao raha miharatsy ny fahasalamany. Tsy hahafaka tanteraka an’ilay virosy ny fitsaboana hiadiana amin’izy io, sady mety hisy vokany ratsy. Ny fanoloana aty no vahaolana farany, saingy vitsy ny mpanome nefa ny mpitady be dia be. Hoy i Dukk Yun: “Miandry izay hahafatesako aho. Tsy hahasoa ahy anefa ny hanahy be ny amin’izany. Mbola velona aho, ary manana fonenana sy fianakaviana mahafinaritra. Azo lazaina hoe nivadika ho fitahiana aza ny manjo ahy. Manam-potoana kokoa ho an’ny fianakaviako sy hianarana Baiboly aho izao. Mampitony ny tahotro ho faty tampoka izany ary manampy ahy hibanjina an’ilay tontolo tsy hisy aretina intsony.”d
Mijery lafy tsaran-javatra i Dukk Yun. Anisan’ny mahasambatra azy sy ny vadiny ary ny zanany telo izany, ary mitory manontolo andro daholo izy ireo.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Lasa areti-mitaiza ny hepatita, raha tsy mahatohitra an’ilay virosy ao anatin’ny enim-bolana ny hery fanefitra.
b Tsy manohana fitsaboana iray manokana ny Mifohaza!
c Tokony hodiovina tsara avy hatrany amin’ny ranon-javely vao notampohana rano impolon’ny fatrany, ny zavatra misy ran’olona voan’ny hepatita B. Mampiasà gan-tanana.
d Mampanantena tontolo tsy hisy aretina ny Baiboly. Izany no resahin’ny Apokalypsy 21:3, 4 sy ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?
[Teny notsongaina, pejy 13]
Aleo misoroka toy izay mitsabo
[Teny notsongaina, pejy 14]
Maro no matahotra sao hailikilika ka tsy mety manao fitsirihana na manafina hoe marary
[Efajoro, pejy 12, 13]
KARAZANA HEPATITA INONA ITY?
Virosy dimy no fantatra fa mahatonga ny hepatita, ka nosokajina ho A sy B ary C ireo virosy telo fahita indrindra. Mety hisy hafa ankoatra an’ireo. Mety hitovy amin’ny fisehon’ny gripa ny soritr’aretin’ny hepatita rehetra, ary mety ho voan’ny tazovony ilay olona. Tsy ahitana soritr’aretina eo amin’ny olona maro, indrindra fa ny ankizy. Mety ho efa simba be ny aty vao hiseho ny soritr’aretin’ny hepatita B sy C.
HEPATITA A
Hita ao amin’ny dikin’ilay marary ny virosin’ny hepatita A. Tsy mahafaty azy, na ranomasina na ranomamy na gilasy. Ireto avy no mety hahazoana azy:
● Mihinana hazan-dranomasina avy ao amin’ny rano misy diky na fivalanan-dranon’olona, na misotro rano misy an’ilay aretina
● Mifampikasokasoka amin’olona voa, miaraka misakafo na misotro aminy, na mitambatra fitaovana fisakafoana
● Tsy manasa tanana tsara rehefa avy any an-kabine, na avy manolo zaza voan’ilay aretina, na alohan’ny hikarakarana sakafo
Marary be ny olona voan’ny hepatita A, nefa matetika no vetivety dia sitrana. Resin’ny vatana ao anatin’ny herinandro vitsivitsy na volana vitsivitsy ilay virosy, amin’ny ankapobeny. Tokony haka aina sy hisakafo tsara ny olona voany, fa tsy misy fitsaboana manokana. Tokony hofadina ny toaka sy ny fanafody mandreraka aty, toy ny paracétamol, raha tsy efa miteny ny dokotera hoe sitrana tanteraka ny aty. Tsy voan’ny hepatita A intsony izay efa voany, saingy mety ho voan’ny karazana hepatita hafa. Azo sorohina amin’ny vaksiny ny hepatita A.
HEPATITA B
Any amin’ny ra sy ny tsirinaina ary ny tsiranoka amin’ny fivaviana no ahitana ny virosin’ny hepatita B. Mifindra izy io rehefa miditra any amin’ny vatan’olon-kafa tsy manana hery fiarovana ireo tsiranoka ireo. Mifindra amin’ny alalan’ireto ilay virosy:
● Fiterahana (avy amin’ny reny marary)
● Fitaovana tsy voadio tsara ampiasaina amin’ny fitsaboana, fitsaboana nify, fanaovana tatoazy, na amin’ny fitevehana
● Fanjaitra fanindronana itambarana, hareza, fikikisana na fanapahana hoho, borosy nify, na zavatra hafa mety hamindra ra eo amin’ny hoditra tataka, na dia ra kely aza
● Fanaovana firaisana
Mino ny tompon’andraikitry ny fahasalamana fa ny hepatita B dia tsy mifindra amin’ny alalan’ny bibikely, kohaka, fandraisan-tanana, famihinana, fanorohana amin’ny takolaka, fampinonoana, na ny sakafo sy ny kaopy ary ny fitaovana fisakafoana iraisana. Sitrana ny ankamaroan’ny olon-dehibe mitondra an’ilay virosy ary tsy tratran’izy io intsony. Tena atahorana ho voa sy ho taizan’izy io kosa ny ankizikely. Mety hanimba tanteraka ny aty ny hepatita B raha tsy voatsabo, ary mety hahafaty. Azo sorohina amin’ny vaksiny ny hepatita B.
HEPATITA C
Mitovitovy amin’ny fomba ifindran’ny hepatita B ny fomba ifindran’ny hepatita C, saingy ny fanjaitra fanindronana no tena mamindra azy. Tsy misy vaksiny hiarovana aminy.e
[Fanamarihana ambany pejy]
e Manome fanazavana bebe kokoa momba ny hepatita ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana, ao amin’ny www.who.int, ary misy amin’ny fiteny maro izany.
[Efajoro, pejy 14]
FANAKANANA NY HEPATITA B TSY HIFINDRA
Misy olona voan’ny hepatita B eran-tany. Any Azia sy any amin’ireo nosin’i Pasifika ny 78 isan-jato eo ho eo amin’ireo taizan’io aretina io. Ny ampahafolon’ny mponina any amin’ny faritra maro any no voa. Ifindran’ny reniny eo am-pahaterahana ny ankamaroan’izy ireo, na mahazo izany avy amin’ny ran’ny ankizy hafa, raha mbola kely. Misy vaksiny mandaitra ho an’ny zaza vao teraka sy ireo mety ho tratran’io aretina io. Misakana azy io tsy hifindra izany.f Nihena ny fiparitahan’ilay aretina, tany amin’ireo toerana nampiasana an’ilay vaksiny.
[Fanamarihana ambany pejy]
f Mety ho zavatra avy amin’ny taharo fototry ny ra no anamboarana ny vaksinin’ny hepatita. Misy fanazavana bebe kokoa ao amin’ny “Fanontanian’ny Mpamaky” amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Jona 2000 sy 1 Oktobra 1994, ary ao amin’ny pejy 215 amin’ny boky “Mitoera ao Amin’ny Fitiavan’Andriamanitra”, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.
[Sary, pejy 15]
I Dukk Yun sy ny vady aman-janany
[Sary nahazoan-dalana, pejy 12]
© Sebastian Kaulitzki/Alamy