FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g 10/10 p. 3
  • Toa Tsy Misy Olona Azo Atokisana Intsony!

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Toa Tsy Misy Olona Azo Atokisana Intsony!
  • Mifohaza!—2010
  • Mitovitovy Aminy
  • Nahoana no Misy ny Krizim-pitokisana?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
  • Azo Averina Amin’ny Laoniny ny Fatokisana!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
  • Zazalahy, Ankizilahy
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Zazalahy Roa Velona Indray
    Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly
Hijery Hafa
Mifohaza!—2010
g 10/10 p. 3

Toa Tsy Misy Olona Azo Atokisana Intsony!

Nampidirina hopitaly ny ankizilahy iray 12 taona, tany Afrika Andrefana, satria nihinana fanafody sandoka. Tany amin’ny farmasia anefa no nividianan-dreniny azy io. Hoy ny dokotera iray: “Be dia be ny fanafody sandoka miparitaka eny an-tsena, tato anatin’ny 15 taona.”a

Nisy karazana ronono nolazaina hoe be otrikaina tany Azia, ka nividy tamin’izy io ny mpivady iray mba homeny ny zanany vao teraka. Taitra be anefa izy ireo rehefa nahalala fa hay nisy poizina ilay izy. Mampalahelo fa maty ilay zaza.

Nanodinkodina ny volan’ny olona nifampiraharaha taminy ny Amerikanina iray natokisan’ny olona. An’arivony tapitrisa dolara no lasany, ary olona an’arivony no very vola! Voalaza fa mbola tsy nisy mpisoloky nahavita hoatr’izany mihitsy.

SAIKA ny olon-drehetra no efa voafitaka. Be dia be mantsy izao ny olona tsy azo atokisana. Nilaza mihitsy aza ny gazety frantsay iray fa izany no tena nahatonga izao krizy ara-toe-karena eran-tany izao.

Nahoana no be dia be ny olona tsy azo atokisana intsony? Mbola misy olona azonao atokisana ve?

[Fanamarihana ambany pejy]

a Navoakan’ny gazety frantsay Le Figaro.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara