FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g 4/14 p. 16
  • Ny Elatry ny Lolo

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny Elatry ny Lolo
  • Mifohaza!—2014
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny Elatry ny Lolo
    Mifohaza!—2012
  • Ny Elatry ny Lolomboasary
    Mifohaza!—2014
  • Ny Fahaizan’ny Lolofotsy Manangona Angovo
    Nisy Namorona Ve?
  • Andao Hianatra Baiboly!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2012
Hijery Hafa
Mifohaza!—2014
g 4/14 p. 16
[Sary, pejy 16]

NISY NAMORONA VE?

Ny Elatry ny Lolo

MAHAGAGA fa madio sy maina foana ny elatry ny lolo. Tsy ho afaka hanidina tsara izy raha tsy izay. Manify kely mantsy ny elany, ka vovoka kely sy piti-drano fotsiny dia efa manavesatra azy. Fa nahoana tokoa ny elatry ny lolo no madio sy maina foana?

[Sary, pejy 16]

Misy kirany madinika kely mifanaingina ny elatry ny lolo

Diniho izao: Nianatra momba an’ilay karazana lolo manga mangirana atao hoe morpho ny mpikaroka tao amin’ny Oniversiten’i Ohio. Hitan’izy ireo fa misy kirany kely mifanaingina hoatran’ny tafo tanimanga ny elany, na dia jerena toa malama aza. Mahagaga koa fa misy tatatra madinika kely milahadahatra eo amin’ireo kirany kely ireo, ka tonga dia mikorisa ho azy izay vovoka na rano milatsaka eo. Miezaka maka tahaka ny firafitry ny elatry ny lolo ny mpikaroka, mba hanamboarana fitaovana tsy mora ipetahan’ny vovoka sy rano.

Maro amin’ny zavatra eo amin’ny natiora no alain’ny mpahay siansa tahaka. Hoy i Bharat Bhushan, mpikaroka: “Feno zavatra be pitsipitsiny mahavariana ny natiora, hatramin’ny kely indrindra ka hatramin’ny lehibe indrindra. Efa hatry ny ela ny olona no nahita hevitra avy tamin’izy ireny.”

Ahoana ny hevitrao? Vokatry ny evolisiona ve ny elatry ny lolo, sa nisy namorona?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara