FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g 8/14 p. 16
  • Ny Elatry ny Lolomboasary

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny Elatry ny Lolomboasary
  • Mifohaza!—2014
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny Elatry ny Lolo
    Mifohaza!—2014
  • Ny Elatry ny Lolo
    Mifohaza!—2012
  • Ny Fahaizan’ny Lolofotsy Manangona Angovo
    Nisy Namorona Ve?
  • Andao Hianatra Baiboly!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2012
Hijery Hafa
Mifohaza!—2014
g 8/14 p. 16
Lolo

NISY NAMORONA VE?

Ny Elatry ny Lolomboasary

MIEZAKA manatsara ny fitaovana fakana angovo avy amin’ny masoandro ny mpahay siansa, amin’izay mihena ny fampiasana solika voajanahary. Inona ny vahaolana? Hoy ny manam-pahaizana iray: ‘Tsy mila mitady lavitra isika, satria manidina eo ambany masontsika ilay izy.’

Lavadavaka toy ny tranon-tantely eo amin’ny kiran’ny elatry ny lolo

Misy lavadavaka toy ny tranon-tantely ny elatry ny lolo

Diniho izao: Velarin’ny lolo eo amin’ny masoandro ny elany rehefa ririnina, amin’izay izy mafana. Ny karazana lolomboasary sasany no tena mora mandray sy mitahiry hazavana. Nahoana? Satria mainty ny lokony, fa ankoatr’izay koa dia misy kirany madinika kely mifanaingina ny elany. Misy tsipika mahitsy be dia be eo amin’ireo kirany. Misy lavadavaka kely hoatran’ny toho-tantely eny anelanelan’ireo tsipika. Misompirana miankavia sy miankavanana ny lafiny roa amin’ireo toho-tantely. Rehefa tonga eo amin’ny kirany àry ny hazavana, dia miditra ho azy ao anatin’ireo lavadavaka kely ary tsy tafavoaka intsony. Tsy mahagaga raha mainty be ny elatr’ilay lolo sady mora mafana izy.

Hoy ny gazety Siansa Isan’andro (anglisy): ‘Marefo kely ny elatry ny lolo, nefa tena manampy ny mpikaroka hahita teknolojia vaovao. Maka tahaka ny teknika fakan’ny lolo ny herin’ny masoandro mantsy izy ireo, ka afaka mamokatra gazy hidrozenina avo roa heny, mba hatao angovo. Tsy manimba ny tontolo iainana io angovo io, satria avy amin’ny rano sy masoandro.’ Azon’ny mpikaroka hatsaraina koa izao ny fitaovana fakana herin’ny masoandro sy ny fitaovana misy lopy na vera fanalehibeazana.

Ahoana ny hevitrao? Vokatry ny evolisiona (na fiovana miandalana) ve ny elatry ny lolomboasary, sa nisy namorona?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara