FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g 10/13 p. 12-13
  • Inona no Hatao Raha Misy Olona Voan’ny Androbe?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Inona no Hatao Raha Misy Olona Voan’ny Androbe?
  • Mifohaza!—2013
  • Mitovitovy Aminy
  • Tapa-kevitra Aho Hanatratra ny Tanjoko
    Mifohaza!—2005
  • Androbe
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Fitsidihana marary iray — Inona no holazaina? Inona no hatao?
    Mifohaza!—1991
  • Ahoana Raha Marary ny Olona Akaiky Anao?
    Mifohaza!—2015
Hijery Hafa
Mifohaza!—2013
g 10/13 p. 12-13

Inona no Hatao Raha Misy Olona Voan’ny Androbe?

IO FA mianjera tampoka ilay namanao ary tsy mahatsiaro saina. Mihenjana be avy eo ny vatany sady mihinjitsinjitra izy ka tsy hitanao izay atao. Inona tokoa no tokony hatao raha misy olona voan’ny androbe? Matetika no tsy hain’ny olona hoe tena aretina izy io. Ireto àry misy zavatra tsara ho fantatra.

Inona no atao hoe androbe? Aretina ao amin’ny atidoha izy io, ka mahatonga ny olona iray hifanintona. Maharitra dimy minitra eo ho eo ilay izy, fara fahabetsany.

Inona no mahatonga azy hifanintona? Tsara ho fantatra fa misy herinaratra kely mifampidipiditra ao anaty sela. Mihevitra ny mpikaroka fa rehefa miakatra tampoka ny herinaratra ao amin’ny selan’ny atidoha, dia lasa mifanintona ilay olona. Mbola tsy mazava anefa ny tena mahatonga izany.

Inona no tokony hataoko rehefa mihetsika ny aretin’ilay olona? Hoy ny rakipahalalana iray: ‘Aza kitihina aloha izy. Tandremo fotsiny sao misy zavatra mety handratra azy na hanempotra azy. Miantsoa dokotera anefa raha mihoatran’ny dimy minitra ilay fanintona, na mbola miverina mihinjitsinjitra indray izy, na koa hoe tsy mahatsiaro tena elaela nefa efa tsy mifanintona intsony.’

Ahoana no mba hanamaivanana azy rehefa mifanintona izy? Ampiondano zavatra malemilemy izy, ary esory izay zava-maranitra eo akaikiny eo. Ataovy mihorirana izy rehefa tsy mifanintona intsony, araka ilay sary etsy ampita.

Inona no hataoko rehefa mahatsiaro saina indray izy? Omeo toky izy mba ho tony aloha. Atsangano moramora izy ary ento eny amin’ny toerana ahafahany maka aina. Te hatory mantsy ny ankamaroan’ny olona avy mifanintona, sady mbola tsy tonga saina tsara. Misy kosa avy hatrany dia afaka manohy ny zavatra nataony.

Tsy maintsy mifanintona ve ny olona voan’ny androbe? Tsy voatery. Misy aza tsy mianjera akory, fa tsy mahatsiaro saina kely fotsiny. Tsy maharitra ilay izy, sady tsy misy vokany be aminy. Maharitra elaela kokoa anefa ny fihetsehan’ny aretin’ny olona sasany, sady matetitetika mihitsy. Mety hoe mihodinkodina eran’ny trano fotsiny ilay olona, na fikiriny mafy be ny akanjony sady sintosintoniny, na koa hafahafa be ny fihetsiny. Hoatran’ny badenina be izy avy eo.

Inona no tsapan’ny olona voan’ny androbe? Matetika izy ireny no matahotra hoe rahoviana indray no hihetsika ny aretiny ary aiza. Menatra àry izy ka aleony tsy mankeny amin’ny toerana be olona.

Inona no azoko atao mba hanampiana azy? Ampirisiho izy hiresaka ny fihetseham-pony, amin’izay tsy koboniny samirery fotsiny izay tsapany. Henoy tsara izy avy eo. Anontanio izy hoe inona no tiany hataonao rehefa mihetsika ny aretiny. Azonao atao koa ny manatitra azy rehefa misy dia halehany, satria tsy tokony handeha irery izy amin’ny fotoana sasany. Izy rahateo moa tsy tokony hitondra fiara na môtô.

Azo sorohina ve ilay izy? Raha tsy matory tsara na miasa saina be ilay olona, dia mora mihetsika ny aretiny. Milaza àry ny manam-pahaizana fa tokony ho ampy torimaso ny olona voan’ny androbe sady hanao fanatanjahan-tena foana. Amin’izay izy tsy miferinaina be rehefa misy olana. Tena mandaitra amin’ny olona sasany koa ny fanafody, ka lasa tsy mihetsika mihitsy ny aretiny.

Voan’ny androbe i Sello, any Afrika Atsimo, ka tsy afaka nianatra tany an-tsekoly intsony. Tsy nahay namaky teny sy nanoratra àry izy, sady tsy mba nahazo fitsaboana. Te hianatra Baiboly anefa i Sello, ka nampian’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nampianarin’izy ireo namaky teny koa izy. Tsy vitan’izay fa nisy dokotera Vavolombelon’i Jehovah nanome fanafody an’i Sello, sy nanampy azy hahazo vola avy amin’ny fanjakana. Niaiky i Sello fa “tena tia olona ny Vavolombelon’i Jehovah.” Lasa Vavolombelona koa izy, ary tiany erỳ ny mitory amin’ny olona hoe mbola hisy tontolo vaovao. Mampanantena mantsy Andriamanitra fa hofoanany ny aretina amin’izay.—Apokalypsy 21:3-5.

Ataovy Mihorirana Izy

Rehefa mijanona ny fanintona, dia ...

  • Tokony handohalika eo akaikiny ianao. Aforeto ny tanany ilany ka ataovy mifanitsy amin’ny lohany

  • Ataovy mankeo amin’ny takolany kosa ny tanany iray

  • Aforeto amin’ny tananao ilany avy eo ny lohaliny ary ahodino moramora izy. Ataovy mipetraka tsara amin’ny tany ilay lohalika mbola miforitra

  • Somary ahodino miakatra kely ny lohany mba tsy ho sempotra izy

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara