FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g 11/13 p. 3
  • Topy Maso Eran-tany

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Topy Maso Eran-tany
  • Mifohaza!—2013
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Alemaina
  • Zava-misy Eran-tany
  • Japon
  • Bolivia
  • Italia
  • Ny Eglizy — Fiovana sy Fisafotofotoana
    Mifohaza!—1994
  • Fanoratana Anarana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Topy Maso Eran-tany
    Mifohaza!—2014
  • Topy Maso Eran-tany
    Mifohaza!—2014
Hijery Hafa
Mifohaza!—2013
g 11/13 p. 3

TOPY MASO ERAN-TANY

Alemaina

[Sary, pejy 3]

Asaina mandoa hetra amin’ny fivavahany ny mpiangona any. Nilaza ny fitsarana tampony iray, tamin’ny 2012, fa tsy mety raha manao taratasy hoe hiala amin’ny fivavahany ny olona mba tsy handoavana hetra, nefa mbola miangona ihany. Izay Katolika manao an’izany, ohatra, dia tsy avelan’ny eglizy mandray Kominio sy mikonfesy, ary tsy omena andraikitra. Mety tsy hahazo lamesa aza izy rehefa maty.

Zava-misy Eran-tany

[Sary, pejy 3]

Fantatra fa 1 100 tapitrisa izao ny olona milaza fa “tsy mpivavaka”, na dia mety hoe mino an’Andriamanitra ihany aza. Ny Kristianina anefa no betsaka indrindra, satria miisa 2 200 tapitrisa. Ny Silamo no manarakaraka, izay misy 1 600 tapitrisa, ary ireo “tsy mpivavaka” ireo no fahatelo. Fahefatra kosa ny Hindoa, miisa 1 000 tapitrisa eo ho eo.

Japon

Hitan’ny mpikaroka japoney fa ‘rehefa deraina ny olona iray, dia misy ampahany kely amin’ny atidohany lasa miasa, ka mibaiko azy ho falifaly.’ Marina àry ilay hoe raha tiana hahavita zavatra tsara ny olona, dia omena teny fiderana aloha.

Bolivia

[Sary, pejy 3]

Nisy fanisam-bahoaka natao tamin’ny faramparan’ny 2012. Nasaina nijanona tao an-trano ny olona tamin’io andro io, mba ho marina tsara ilay fanisana. Tsy nisy fiaran’olona manokana navela hivezivezy àry, sady nohidiana ny sisin-tany. Voarara koa ny nisotro toaka.

Italia

[Sary, pejy 3]

Hita fa 15 minitra isan’andro eo ho eo no milalao amin-janany ny Italianina. Ny “1 ao anatin’ny 5” amin’ireo ray aman-dreny nanontaniana ihany no “mihevitra fa mamparani-tsaina ny ankizy ny milalao”, hoy ny gazety La Repubblica. Nilaza anefa i Andrea Angiolino, mpamorona kilalao mampiasa saina, fa rehefa miara-milalao amin’ny ray aman-dreniny ny ankizy, dia lasa tia karokaroka sady mianatra “manaja fitsipika.”

Taratasina hetra: ollo/E+/Getty Images

Polisy: Photo by Jose Luis Quintana/LatinContent/Getty Images

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara