FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g 9/14 p. 3
  • Topy Maso Eran-tany

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Topy Maso Eran-tany
  • Mifohaza!—2014
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Zava-misy Eran-tany
  • Grande-bretagne
  • Chine
  • Eoropa
  • Hita Eran-tany ny Fampijaliana Vehivavy
    Mifohaza!—2008
  • Tena Izy ve Anefa Izy Io?
    Mifohaza!—1993
  • Ahoana no Fiheveran’Andriamanitra ny Herisetra?
    Mifohaza!—2002
  • Mampahory Antsika Rehetra ny Herisetra
    Mifohaza!—2012
Hijery Hafa
Mifohaza!—2014
g 9/14 p. 3

TOPY MASO ERAN-TANY

Zava-misy Eran-tany

Vehivavy vonoin’ny olon-tiany

Milaza ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana fa lasa be dia be sady vao mainka mihamitombo ny vehivavy iharan’ny herisetra. ‘Ny 35 isan-jato eo ho eo amin’ny vehivavy eran-tany no misy mampijaly. Ireo ampijalin’ny vadiny na olona niaraka taminy no tena betsaka, satria mahatratra 30 isan-jato.’

Grande-bretagne

Fiangonana

Nilaza ny 79 isan-jaton’ny olona 64 303 nanontaniana, fa “ny fivavahana izao no tena mampiady sy mahatonga ny olona tsy ho sambatra.” Nisy fanadihadiana koa tany Angletera sy Pays de Galles tamin’ny 2011, ka ny 59 isan-jato ihany no nilaza fa Kristianina, ary 25 isan-jato no tsy mpivavaka. Tamin’ny 2001 anefa, dia mbola 72 isan-jato no nilaza fa Kristianina ary 15 isan-jato fotsiny no tsy mpivavaka.

Chine

Ray aman-dreny sinoa efa be taona

Navoakan’ny filazam-baovao fa nisy lalàna iray nohavaozina nilaza hoe mila mitsidika ny ray aman-dreniny efa be taona ny zanany, sady mba “maneho fitiavana” azy ireo. ‘Tsy voalaza ao amin’ilay lalàna akory anefa ny sazy hampiharina’ amin’izay tsy manao an’izany.

Eoropa

Entana hosoka

Manao hosoka amin’ny zavatra fampiasa andavanandro koa izao ny fikambanan-jiolahy. Anisan’izany ny makiazy, savony ranony, ary na sakafo aza. Milaza ny filohan’ny fikambanana iray mpanara-maso ny entana eny an-tsena, fa “tsy azo antoka daholo izao ny zavatra ao anatin’ny sakafo amidy, na dia izay tena mora aza.” Misy manam-pahaizana aza miteny hoe ny 10 isan-jaton’ny sakafo amidy any amin’ny tany mahantra, dia mifangaro zavatra hafa.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara