FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g16 No. 6 p. 4-6
  • Arovy ny Tenanao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Arovy ny Tenanao
  • Mifohaza!—2016
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • 1 RANO
  • 2 SAKAFO
  • 3 BIBIKELY
  • 4 BIBY
  • 5 OLONA
  • Fomba Dimy Hanatsara ny Fahasalamanao
    Mifohaza!—2015
  • Fomba 4—Tandrovy ny Fahasalamanao
    Mifohaza!—2011
  • Nahoana no Miverina Indray?
    Mifohaza!—2003
  • Fomba Enina Hiarovana ny Fahasalamanao
    Mifohaza!—1997
Hijery Hafa
Mifohaza!—2016
g16 No. 6 p. 4-6

MATOAN-DAHATSORATRA | AHOANA NO HISOROHANA ARETINA?

Arovy ny Tenanao

NISY manda niaro azy ny tanàna maro fahiny. Notandindomin-doza ilay tanàna manontolo raha voagorobaky ny fahavalo ilay manda, na dia kely fotsiny aza. Hoatran’ny tanàna mimanda ny vatanao. Mila ataonao matanjaka tsara ny manda miaro azy io, raha tianao ny ho salama. Diniho ireto zavatra dimy mety hankarary ireto sy izay azonao atao mba hiarovan-tena:

Vehivavy iray miantsena miaraka amin’​ny zanany vavy

1 RANO

OLANA: Ho tafiditra ao amin’ny vatanao ny otrikaretina raha maloto ny rano sotroinao.

FIAROVAN-TENA: Arovy amin’ny loto ny fitoeran-drano. Raha fantatrao na ahiahinao hoe voaloto ny fitoeran-dranonao, dia aza sotroina na iborosiana nify ilay rano. Azonao atao koa anefa ny manao izay hampahadio indray an’ilay rano.a Asio sarony ny zavatra fitehirizanao rano fisotro. Aza tsabahina ny fitoeran-drano fa asio raobine, na mampiasà zinga madio rehefa manovo rano. Aza atao eny akaikin’ny lavadrano na paompy ny kabine mba tsy ho voaloto ny rano.

2 SAKAFO

OLANA: Mety hisy mikraoba ny sakafonao.

FIAROVAN-TENA: Mety ho efa misy mikraoba ny sakafo, nefa hoatran’ny mbola tsara sy mahasalama ny fahitana azy. Sasao foana àry ny voankazo sy ny legioma. Ataovy madio tsara ny tananao sy ny fitaovana fikarakarana sakafo ary ny latabatra ao an-dakozia, rehefa mikarakara na mandroso sakafo ianao. Tsy maintsy andrahoina elaela ny sakafo sasany, mba hahafaty an’ireo mikraoba mankarary. Tandremo ny sakafo efa miova loko na masiso na efa ratsy tsiro, satria efa feno mikraoba izy ireny. Tehirizo avy hatrany ao anaty vata fampangatsiahana izay sakafo tsy hohaninao. Aza mikarakara sakafo rehefa marary.b

3 BIBIKELY

OLANA: Misy otrikaretina mety hankarary anao ao anatin’ny bibikely sasany.

FIAROVAN-TENA: Raha be moka na bibikely hafa mpamindra aretina eny an-tokotany, dia aza mandehandeha eny na manaova fitafiana maharo tsara ny vatanao toy ny akanjo lava tanana na pataloa lava. Matoria ao anaty lay misy fanafody miaro amin’ny bibikely, ary mampiasà fanafody mandroaka azy ireny. Esory izay zavatra misy rano mihandrona mba tsy hanatodizan’ny moka.c

4 BIBY

OLANA: Mety hankarary ny mikraoba ao amin’ny biby, na dia tsy mampaninona an’ilay biby aza izy ireny. Mety hidiran’​ny mikraoba ny vatanao, raha voakaikitra na voarangotry ny biby ianao na nikasika taim-biby.

FIAROVAN-TENA: Ataon’ny olona sasany any an-tokotany ny biby fiompiny mba tsy hifampitankosina amin’izy ireo. Sasao amin’ny savony ny tananao rehefa avy nikasika biby, ary aza mikasika bibidia mihitsy. Raha voakaikitra na voarangotry ny biby ianao, dia sasao tsara ilay ratra ary manatòna dokotera.d

5 OLONA

OLANA:Mety ho tafiditry ny mikraoba ny vatanao raha misy olona mikohaka na mievina eo akaikinao. Mifindra amin’​ny alalan’​ny piti-drora mantsy ny mikraoba. Mifindra amin’​ny alalan’​ny hoditra koa izy ireny, ohatra hoe rehefa mifamihina na mifandray tanana. Mety hisy mikraoba avy amin’​ny olona ny hidim-baravarana, arofanina, telefaonina, telekomandy, efijery, klavie, sy ny sisa.

FIAROVAN-TENA: Tsy tsara, ohatra, ny mitambatra hareza, borosinify, na servieta. Aza mikasikasika ranoka avy amin’ny vatan’olon-kafa na biby, anisan’izany ny ra. Tsy mety koa ny mikasika zavatra misy ra. Sasao tsara ny tananao ary ataovy matetika izany fa mahasoa anao. Izany mantsy no fomba tsara indrindra hisakanana ny mikraoba tsy hiparitaka.

Raha azo atao, dia mijanòna ao an-trano rehefa marary. Milaza koa ny Foibe Miady Amin’ny Aretina any Etazonia hoe lamba na tanan’akanjo, fa tsy tanana, no tokony hanampenana ny vava rehefa mikohaka na mievina.

Hoy ny Ohabolana 22:3: “Malina izay mahatsinjo ny loza ka miafina.” Tena marina izany satria betsaka ny aretina mahafaty ankehitriny. Nahoana àry raha mba manontany mpitsabo na mizaha fahasalamana? Toy ny hoe miafina amin’ny loza koa ianao raha mitandro fahadiovana. Arovy tsara àry ny tenanao, dia ho afaka hisoroka aretina ianao!

a Milaza ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana fa azo atao, ohatra, ny mampiasa klaoro, mamono otrikaretina amin’​ny alalan’​ny tara-masoandro, manatantavana rano, na mampangotraka azy io.

b Misy fanazavana momba ny sakafo azo antoka ao amin’​ny Mifohaza! Jona 2012, pejy 3-9.

c Miresaka ny fomba iarovana amin’​ny tazomoka ny Mifohaza! Jolay 2015, pejy 14-15.

d Mila manatona dokotera haingana ny olona iray raha voakaikitry ny biby misy poizina.

Ahoana no Atao Rehefa Misy Valanaretina?

Vehivavy iray manasa tanana

Vetivety dia nihanaka tany Afrika Andrefana ny virosin’​i Ebola tamin’​ny 2014, ka lasa nalaza eran-tany ilay izy. Niezaka nampahafantatra ny olona ny fomba hiarovan-tena amin’​io aretina io ny biraon’​ny sampan’​ny Vavolombelon’​i Jehovah tany an-toerana. Nanazava ny fomba niatrehany an’​ilay olana ny solontenan’​izy io.

  • Olona manao famelabelarana

    Inona no nataonareo mba ho fantatry ny olona hoe tena mampidi-doza ilay aretina?

    Nanao famelabelarana manokana azon’​ny besinimaro natrehina izahay, mba hanampiana ny olona tsy hatahotra na hikorontan-tsaina. Nohazavainay hoe ahoana no ielezan’​ilay virosy ary inona ny fomba amam-panao mety hampifindra an’​ilay aretina.

  • Tanana sasana

    Inona no fepetra noraisin’​ny Vavolombelon’​i Jehovah?

    Nampiasa fitaovana manokana fitsapana hafanana izahay, mba hijerena ny hafanan’​ireo olona tonga nivory tany amin’​ny toeram-pivavahanay. Niezaka tsy nifampikasika ny rehetra, ka tsy nifandray tanana na nifamihina. Nanasa tanana matetika koa izahay nandritra ny andro. Nasiana rano misy ranon-javely tany amin’​ny toerana maro, mba hanasan’​ny olona tanana.

  • Telefaonina ao anaty trano

    Mbola afaka niara-nivory sy nampianatra Baiboly foana ve ianareo?

    Naato anefa ny fivoriana ho an’​ny besinimaro tany amin’​ny toerana tsy navelan’​ny fanjakana nivezivezena. Tao an-tranony ihany àry ny fianakaviana no nivory. Nisy natao an-telefaonina koa ny fampianarana Baiboly, amin’​izay mba mihena ny fifampikasohana.

  • Kalandrie

    Inona no natao raha hita hoe nisy soritr’​aretina ny olona iray?

    Nilazana ny tompon’​andraikitra. Tsy nifandray tamin’​olon-kafa nandritra ny 21 andro izay olona nisy soritr’​aretina, na nifandrairay tamin’​olona voan’​ny Ebola, na nandeha nandevina an’​izay olona matin’​izy io. Izany mantsy no fe-potoana ela indrindra ahitana raha tena voan’​ny Ebola ny olona iray na tsia.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara