FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g 7/15 p. 14-15
  • Inona no Tokony ho Fantatrao Momba ny Tazomoka?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Inona no Tokony ho Fantatrao Momba ny Tazomoka?
  • Mifohaza!—2015
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • 1 INONA NO ATAO HOE TAZOMOKA?
  • 2 AHOANA NO FOMBA IFINDRANY?
  • 3 INONA NO FIAROVAN-TENA AZO ATAO?
  • Ny Fahafatesana Entin’ny Elatra Manify
    Mifohaza!—1993
  • Miverina Amin’ny Zavatra Fototra Ilaina eo Amin’ny Ady Amin’ny Tazomoka
    Mifohaza!—1997
  • Topy Maso Eran-tany
    Mifohaza!—2011
  • Miarova Tena Amin’ny Katsentsitra!
    Mifohaza!—1999
Hijery Hafa
Mifohaza!—2015
g 7/15 p. 14-15

Inona No Tokony Ho Fantatrao Momba ny Tazomoka?

Milaza ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana fa olona 198 tapitrisa mahery no voan’ny tazomoka tamin’ny 2013, ary 584 000 teo ho eo no matin’io aretina io. Efa ho ny 80 isan-jaton’ny olona matin’izy io no ankizy latsaka ny dimy taona. Olona 3 200 tapitrisa, any amin’ny tany 100 eo ho eo, no atahorana ho voan’io aretina io.

1 INONA NO ATAO HOE TAZOMOKA?

Aretina avy amin’ny katsentsitra ny tazomoka. Ireto ny sasany amin’ny soritr’aretina: Manavy, mangovitra, tsemboka, marary andoha, manakotsako ny vatana, misalebolebo, na mandoa. Mety hiverina isaky ny roa na telo andro izany, arakaraka ny karazana katsentsitra tafiditra ao amin’ilay olona sy ny hoe hafiriana izy no efa voan’ilay aretina.

2 AHOANA NO FOMBA IFINDRANY?

  1. Kisary mampiseho ny fielezan’ny katsentsitra mitondra tazo ao amin’ny vatan’ny olona

    Ilay moka vavy atao hoe anofela no mampiditra an’ilay katsentsitra ao amin’ny ran’ny olona.

  2. Mankany amin’ny atin’ilay olona ireo katsentsitra ireo ary mihamaro.

  3. Vaky ireo selan’ny aty avy eo, miparitaka ny katsentsitra, ary mitsofoka ao amin’ny liomena. Mitombo isa indray ry zareo rehefa tafiditra ao.

  4. Miditra ao anaty liomena ny katsentsitra mitondra tazo ary vaky ireo sela avy eo

    Vaky indray ireo liomena, dia miparitaka indray ireo katsentsitra, ary mihamaro hatrany ny liomena idirany.

  5. Mitombo foana ny sela vaky sy ny sela idiran’ny katsentsitra. Matetika no misy soritr’aretina miseho isaky ny misy liomena vaky.

3 INONA NO FIAROVAN-TENA AZO ATAO?

Izao no azonao atao raha be tazo any amin’ny faritra misy anao:

  • Mampiasà lay rehefa matory. Ary ny lay dia tokony...

    • hisy ody moka.

    • tsy hisy loaka na tataka.

    • hasisika tsara ao ambany kidoro.

  • Asio ody moka ao an-tranonao.

  • Raha azo atao, dia asio an’ireny aromoka makarakara ireny ny varavarana sy ny varavarankely. Mampiasà vantilatera, amin’izay tsy tafapetraka mihitsy ny moka.

  • Manaova akanjo maivana maharakotra tsara ny vatanao.

  • Halaviro ny toerana misy lobolobo satria be moka eny. Aza mankeny amin’ny toerana misy rano mihandrona koa fa amin’ireny izy no manatody.

  • Tsaboy haingana ny tazo raha vao tratra ianao.

Fomba ifindran’ny tazo amin’ny alalan’ny moka

Mety ho avy amin’ny moka mitondra katsentsitra no mahatonga ny olona ho voan’ny tazo. Mety hahazo an’ilay katsentsitra koa anefa ny moka raha manaikitra olona efa voan’ilay aretina. Afindrany any amin’olon-kafa indray izany avy eo

Izao indray atao raha mikasa ho any amin’ny toerana iray be tazo ianao:

  • Mitadiava fanazavana farany momba an’ilay toerana, alohan’ny handehananao any. Mety tsy hitovy mantsy ny karazana katsentsitra mpitondra tazo any amin’ny toerana tsirairay, dia arakaraka izay ny fanafody mahasitrana an’ilay aretina. Anontanio an’ilay dokotera mpitsabo anao koa izay tokony ho fantatrao momba ny toe-batanao.

  • Araho ireo tari-dalana nomena terỳ aloha momba ny faritra be tazo, rehefa any an-toerana ianao.

  • Manaraha fitsaboana avy hatrany raha voan’ny tazo ianao. Tadidio fa eo anelanelan’ny herinandro sy iray volana aorian’ny nahazoanao an’ilay katsentsitra no mety hiseho ny soritr’aretina.

INONA NO MBOLA AZONAO ATAO?

  1.  Araho tsara izay fandaharana ataon’ny fanjakana na fikambanana tsy miankina mba hiadiana amin’ny tazo.

  2.  Mividiana fanafody any amin’ireo mpivaro-panafody ara-dalàna. (Tsy mahasitrana ny fanafody ratsy karazana na tsy tena izy, ary mety hahafaty.)

  3.  Esory ny lobolobo sy ny rano mihandrona eny akaikin’ny tranonareo.

Raha mipetraka any amin’ny faritra be tazo ianao, na vao avy tany, dia manaova zavatra haingana raha vao miseho ireto soritr’aretina ireto:

  • Manavy

  • Tsemboka

  • Mangovitra

  • Marary andoha

  • Manakotsako ny vatana

  • Reraka be

  • Misalebolebo

  • Mandoa

  • Mivalana

Mety ho lasa vitsy kely ny liomena ao amin’ny ra raha tsy voatsabo ny tazomoka. Mety hahafaty haingana izany. Mila tsaboina haingana ilay aretina dieny mbola tsy mihombo, indrindra raha ankizy ilay marary na vehivavy bevohoka.a 

a Raha mila fanazavana fanampiny, dia jereo ny Mifohaza! Novambra 2011, pejy 24-25, sy Novambra 2009, pejy 26-29.

FANTATRAO VE?

Famantaranandro eo ambonin’ny sarintanin’i Afrika

Ankizy iray isa-minitra no matin’​ny tazo, atỳ Afrika fotsiny

  • Mety harary be ny ankizy sy ny vehivavy bevohoka rehefa voan’ny tazo.

  • Ankizy iray isa-minitra no matin’ny tazo, atỳ Afrika fotsiny.

  • Mety hifindra amin’ny alalan’ny fampidiran-dra koa ny tazo, saingy mahalana ihany izany.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara