FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w91 1/12 p. 9
  • Nanjary niaiky izy ireo tany Kathmandu

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nanjary niaiky izy ireo tany Kathmandu
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
  • Mitovitovy Aminy
  • “Tena Nanohina ny Fonay ny Fitiavan’izy Ireo”
    Mifohaza!—2017
  • Vaovao Teokratika
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1994
  • Lasa Nifandray Tsara Tamin’i Jehovah sy Tamin’ny Reniko Aho
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2015
  • Zava-nisongadina Tamin’ny Taon-dasa
    Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 2007
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
w91 1/12 p. 9

Mitantara ireo mpitory ilay fanjakana

Nanjary niaiky izy ireo tany Kathmandu

NISY vehivavy mpanakanto iray nanomboka nitady ny fahamarinana tany Bretagne, any Frantsa, tamin’ny 1980. Nanao fifanakalozan-kevitra tamin’ny pentekôtista izy io ary nandalina ireo fivavahana tatsinanana, kanefa tsy nahita fahafahampo. Avy eo izy dia nanao resadresaka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah iray saingy tsy ela dia nijanona. Nifankahita tamina mpanakanto hafa izy ary nanomboka niara-niasa sy niray trano tamin’io lehilahy io.

Fotoana fohy taorian’izay io mpivady tsy ara-dalàna io, dia nanapa-kevitra hitsidika an’i Nepal. Tohina fatratra tamin’ny hatsaran-tarehy sy ny fahatonian’ilay tany izy ireo nefa diso fanantenana noho ny rafitra ara-pirazanana izay toa tsy ara-drariny teo imasony amin’ny maha-tandrefana azy.

Raha vao tafaverina tany Frantsa izy ireo, dia nanipy hevitra tamin’ilay namany ilay vehivavy mba hiara-mianatra ny Baiboly izy ireo, ary gaga izy fa nanaiky io. Nanatona ilay Vavolombelona nanaovany fifanakalozan-kevitra tamin’ny roa taona lasa izy ireo. Teo am-boalohany dia Baiboly fotsiny no nampiasain’izy ireo, kanefa nanaiky hampiasa ilay boky Ny fahamarinana izay mitarika ho amin’ny fiainana mandrakizay izy ireo tamin’ny farany, ary ilay boky Azonao atao ny hiaina mandrakizay ao amin’ny paradisa eto an-tany tatỳ aoriana. Tao anatin’ny herintaona, dia niala tamin’ny fandraisana zava-mahadomelina izy ireo.

Rehefa avy nitsidika an’i Nepal indray nandritra ny roa volana ilay mpivady, dia niverina tany Frantsa izay nanohizany nianatra. Niala tamin’ny fifohana sigara sy ny fankanesana tany amin’ny trano fisotroana mbamin’ny toeram-pandihizana amin’ny alina izy ireo ary nanomboka nanatrika ireo fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah. Kanefa nony nahavita ny fianarana tamin’ny boky Hiaina mandrakizay izy ireo dia nanapa-kevitra ny hijanona tsy hianatra.

Lasa indray izy ireo nankany Nepal, ary tany, dia nipetraka tao amin’ny trano kely iray teo am-pototry ny Tendrombohitra Himalaya. Indray andro, dia nisy lehilahy iray efa zokiolona, nanao kaompile sy karavato, nandondòna tao am-baravarany. Ilay vehivavy irery no tao an-trano, ary nihevitra izy fa tsy maintsy ho mpivarotra taozavatra miantso mba hijery ny hosodokon’izy ireo izy io. Gaga izy fa Vavolombelona irak’ilay olona niara-nianatra taminy tany Frantsa ilay izy. Tsy ela dia nody ilay namany, ary nisy fifanakalozan-kevitra nandritra ny adiny roa nanaraka izany.

Afaka andro vitsivitsy taorian’izay, dia nanatrika fivoriana iray an’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Kathmandu ilay mpivady, ary tena gaga noho ny fahadiovan’ny fisehoana ivelan’ireo izay nanatrika tao. Nahadinika fitiavana amim-pirahalahiana sy fifaliana tsy nisy hafa tamin’izay hitany tany amin’ireo fivoriana tany Frantsa izy ireo. Voamariny koa ny firaisan-tsain’ireo mponin’i Nepal tonga tao, na dia avy tamin’ny antokom-pirazanana samy hafa aza izy ireo. Niaiky izy ireo izao fa tsy maintsy ho ny fandaminan’i Jehovah io.

Afaka iray volana taorian’izay, dia niverina tany Frantsa izy ireo ary nanomboka avy hatrany ny fianarany ny Baiboly sy ny fanatrehany ireo fivoriana. Nisoratra izy ireo ary nanomboka nandray anjara tamin’ny asa fanambarana, ary farany dia vita batisa. Mpikarakara momba ny asa izao ilay lehilahy ary mandray anjara tsy tapaka amin’ny asan’ny mpitory maharitra mpanampy ilay vadiny. Marina tokoa fa izay manana toe-po mahitsy dia hampian’ny fanahin’i Jehovah handroso sy ho tonga mpivavaka aminy. — Apokalypsy 7:15-17.

[Efajoro/Sarintany, pejy 9]

NEPAL

Isan’ny mponina - 17 712 221

Tampon’isan’ny mpitory 1990 - 63

Mpitory 1 isaky ny - 281 146

Antsalan’isan’ny mpitory maharitra - 10

Isan’ny kongregasiona - 1

Antsalan’isan’ny famp. Baiboly - 107

Nanatrika ny Fahatsiarovana - 220

[Sarintany]

(Jereo ny gazety)

NEPAL

INDIA

[Sary, pejy 9]

Tsena any Kathmandu, any Nepal

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara