FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w98 15/4 p. 3-4
  • Efa Voalahatra ve ny Hoavintsika?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Efa Voalahatra ve ny Hoavintsika?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
  • Mitovitovy Aminy
  • Efa Voalahatr’Andriamanitra ve ny Anjarantsika?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
  • Tokony hampangaina ve ny anjara?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
  • Eo Am-pitadiavana ny Anjaran’ny Olombelona
    Mifohaza!—1999
  • Moa ve manapaka ny fiainanao ny finoana ny anjara?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
w98 15/4 p. 3-4

Efa Voalahatra ve ny Hoavintsika?

NY KRISTIANA, ny Silamo, ny Jiosy, ny Hindoa, na ny mpino anisan’ny fivavahana hafa — ny olona avy amin’ny finoana rehetra — dia samy tra-doza ka ory noho izany.

Tamin’ny 6 Desambra 1997, ohatra, dia nisy loza nahatsiravina nitranga tany Irkoutsk, tanàna iray any Siberia. Vao niainga kely fotsiny ny fiaramanidina goavana AN-124 iray, mpitondra entana, raha maty ny roa tamin’ireo maoterany. Nirimorimo nankamin’ny fitambaran-trano fonenana iray ilay fiaramanidina, izay feno solika tanteraka ny réservoir-ny. Trano maromaro no rakotry ny afo, hany ka maro tamin’ireo nipetraka tao, izay tsy nahita horangotina, no maty sy naratra, anisan’izany ny ankizy tsy manan-tsiny.

Azo inoana fa misy olona manana fomba fijery ara-pivavahana samy hafa ao amin’ilay faritr’i Siberia nitrangan’iny loza iny. Mety hilaza ho mino ny Kristianisma ny sasany aminy, saingy mbola mety hihevitra ihany fa vokatry ny anjara ilay loza. Mety hihevitra izy ireo sy ny hafa hoe: ‘Izay no sitrapon’Andriamanitra, ka raha tsy maty tamin’iny ireo olona maty ireo, dia tsy maintsy ho faty tamin’ny fomba hafa — izay no anjarany.’

Izany foto-pisainana izany, na ambara na tsia, dia taratry ny fomba fihevitra iray izay fahita eo anivon’ny fivavahana maro eran’izao tontolo izao — ny anjara. Olona maro no mino fa efa voalahatra ny hoavintsika, manomboka amin’ny andro hahaterahantsika ka hatramin’ny hahafatesantsika.

Misy endriny maro samihafa ny finoana ny anjara, hany ka sarotra ny hanome famaritana iray izay mahafaoka azy rehetra ireny. Raha ny heviny fototra no zohina, ny anjara dia mampita hevitra hoe tsy azo ihodivirana ny zava-drehetra mitranga sy izay rehetra atao, ary ny fisehoan-javatra rehetra, na tsara izany na ratsy; voalahatra hitranga ilay izy satria hery ambony kokoa iray, izay tsy voafehin’ny olombelona, no efa nanendry azy io mialoha. Izany fomba fihevitra izany dia hita ao amin’ny astrolojia, ny karma-n’ny Hindoisma sy ny Bodisma, ary ao amin’ilay finoana ny lahatra eo anivon’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana. Ninoan’ny olona tany Babylonia fahizay fa ireo andriamanitra no nitantana ny anjara sy ny hoavin’ny olombelona, tamin’ny alalan’ny tahirin-kevitra vita an-tsoratra. Izay andriamanitra nitantana ireny “firaketana ny anjara” ireny, hono, dia afaka nanapa-kevitra ny amin’izay ho anjaran’ny olona sy ny fanjakana, eny fa na dia ny an’ireo andriamanitra mihitsy aza.

Mpino maro no mihevitra fa alohan’ny hahaterahan’ny olona, dia tendry no amaritan’Andriamanitra ny zava-drehetra hitranga amin’ny olona, anisan’izany ny halavan’ny fiainany, na ho lahy izy na ho vavy, na hanankarena izy na hahantra, na ho ory izy na ho sambatra. Izany rehetra izany dia voalaza fa ao an-tsain’Andriamanitra, na koa voasoratra ao amin’ny boky iray, alohan’ny hitrangany. Rehefa misy loza mitranga àry, dia fandre eo am-bavan’ny mpino iray ny hoe: “mektoub”, izay midika hoe: Izay no voasoratra! Misy mihevitra fa satria fantatr’Andriamanitra mialoha ny zavatra rehetra, dia tsy maintsy voatendriny koa izay olona hankatò azy sy izay tsy hankatò azy. Olona maro mifikitra amin’izany no mino fa na dia alohan’ny hahaterahan’ny olona iray aza, dia efa voatendrin’Andriamanitra raha ho fahatretrehana mandrakizay ao amin’ny Paradisa no ho anjaran’izy io, na ho fanamelohana mandrakizay.

Mety hihevitra ianao fa toa mitovy be amin’ilay foto-pinoana momba ny lahatra, ampianarina ao amin’ny fiangonana sasany ao amin’ny Tontolo Lazaina fa Kristiana, izany. I Jean Calvin, mpitondra fanavaozana frantsay tamin’ny taonjato faha-16, no Protestanta loha laharana teo amin’ny fanohanana ny lahatra. Toy izao ny famaritana nomeny ny amin’izay atao hoe lahatra: “Tendry mandrakizay avy amin’Andriamanitra, ka izy io no amaritany izay tiany hatao amin’ny olona tsirairay. Tsy noforonina ho ao anatin’ny toe-piainana mitovy ny rehetra, kanefa dia fiainana mandrakizay no voalahatra ho an’ny sasany, fa fanamelohana mandrakizay kosa ny an’ny hafa.” Nanizingizina toy izao koa i Calvin: “Tsy vitan’ny hoe efa hitan’Andriamanitra mialoha ny hahalavo an’ilay lehilahy voalohany, sy ny hahavery ny taranany noho izany; fa izany rahateo koa no sitrany.”

Tsy izay mpikambana rehetra amin’ny fivavahana mampianatra momba ny lahatra anefa dia tapitra mino azy io avokoa. Marina ny filazan’ny sasany fa miresaka ny amin’ny safidy malalaka ananan’ny olona ireo asa soratra ara-pivavahana. Raha ny marina, dia misy ady hevitra be mahakasika ireo zavatra ataon’olombelona, dia ny hoe vokatry ny safidy malalaka ataon’ny olona ve izy ireny sa efa lahatr’Andriamanitra. Milaza, ohatra, ny sasany fa tsy maintsy manana fahalalahana hisafidy sy hanao zavatra ny olombelona, satria Andriamanitra, izay Andriamanitra marina, dia mitana ny olona ho tompon’andraikitra ny amin’izay ataony, ka ho azo ampamoahina ny amin’izany. Ny hafa indray dia nilaza fa namorona ireo zavatra ataon’olombelona Andriamanitra, saingy nisy fomba ‘nahazoan’ny’ olombelona azy ireny ka lasa tompon’andraikitra ny amin’ireny izy ireo. Amin’ny ankapobeny anefa, dia olona maro no mino fa efa voatendrin’Andriamanitra ny fisehoan-javatra rehetra eo amin’ny fiainantsika andavanandro, na lehibe na kely.

Inona no inoanao? Efa voatendrin’Andriamanitra ve izay hoavinao? Moa ve ny olombelona tena manana safidy malalaka, dia ny fahafahana hanao tena safidy momba ny hoaviny? Hatraiza no miankina amin’ny zavatra ataontsika ny anjarantsika? Hiezaka hamaly ireo fanontaniana ireo ny lahatsoratra manaraka.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 3]

SEL/Sipa Press

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara