FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g20 No. 3 p. 12-13
  • Miezaha Haneho Fitiavana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Miezaha Haneho Fitiavana
  • Mifohaza!—2020
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Olana
  • Toro lalana
  • Inona no azonao atao?
  • Tsy Nanavakavaka Intsony Izy Ireo
    Mifohaza!—2020
  • Manavakavaka ve Ianao?
    Mifohaza!—2020
  • Tiako Hanjaka ny Rariny
    Manova Olona ny Baiboly
  • Rahoviana no Tsy Hisy Intsony ny Fanavakavahana?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2013
Hijery Hafa
Mifohaza!—2020
g20 No. 3 p. 12-13
Vehivavy iray avy any Inde, mitondra ny entan’​ny vehivavy zokiolona iray fotsy hoditra, sady manampy azy hiakatra tohatra.

Miezaha Haneho Fitiavana

Olana

Elaela ny olona iray vao hahavita tsy hanavakavaka intsony. Mitaky fotoana sy ezaka izany, hoatran’ny miady amin’ny virosy ihany. Inona àry no azonao atao mba hanesorana ny fanavakavahana ao am-ponao?

Toro lalana

Sary: 1. Lehilahy iray avy any Azia, manokatra varavarana ho an’​ny lehilahy iray mainty hoditra mitondra kafe. 2. Ilay lehilahy mainty hoditra teo ihany, mizara kafe ho an’​ny mpiara miasa aminy, anisan’​izany ny vehivavy iray avy any Inde.

“Mitafia fitiavana fa fatorana mampiray tonga lafatra izy io.”—KOLOSIANINA 3:14.

Ahoana izany? Raha manao zavatra tsara ho an’ny hafa ianao dia hifandray tsara aminy. Tsy dia hanavakavaka ianao raha miezaka ho tia kokoa azy. Tsy hankahala azy koa ianao na hanambany azy.

Inona no azonao atao?

Sary: 1. Vehivavy zokiolona iray fotsy hoditra miakatra ny tohatra, ary manampy azy ny vehivavy iray avy any Inde sady mitondra ny entany. 2. Ilay vehivavy zokiolona fotsy hoditra teo ihany, mitondra bisikoỳ ho an’​ny mpifanila trano aminy, izay tsy iza fa ilay lehilahy azy any Azia.

Eritrereto hoe inona no azonao atao mba hampisehoana fa tianao ny sokajin’olona tsy dia tiatianao taloha. Tsy voatery hanao zavatra miavaka be ianao. Iezaho atao ny iray na ny sasantsasany amin’ireto:

Tsy dia hanavakavaka ianao arakaraka ny anaovanao zavatra mampiseho hoe tianao ny hafa

  • Miezaha hahalala fomba amin’ireo anisan’io sokajin’olona io. Ohatra hoe manokatra varavarana ho azy, na manome ny toeranao ho azy rehefa ao anaty bisy.

  • Miezaha hiresaka kely aminy na dia tsy tena hainy aza ny fiteninao.

  • Manàna faharetana raha mahasosotra anao ny fihetsiny ary tsy azonao ny antony anaovany an’ilay izy.

  • Miezaha hangoraka rehefa miresaka ny olana mahazo azy izy.

Tantara Tena Nisy: Nazaré (Guinée-Bissau)

“Tsy dia tiatiako ny mpifindra monina taloha. Nolazaina tamiko mantsy hoe ireny mpifindra monina ireny, hono, mandainga amin’ny fanjakana mba hahazoana vola na fanampiana. Maro amin’izy ireny koa, hono, no mpanao heloka bevava. Lasa sarotra tamiko ny nitia azy ireo noho izany. Izaho anefa tsy nieritreritra hoe nanavakavaka, satria hoatr’izany no fiheveran’ny ankamaroan’ny olona ny mpifindra monina.

“Tsapako anefa, tatỳ aoriana, hoe nanavakavaka aho. Nanampy ahy ho tia kokoa an’ireo mpifindra monina ny torohevitry ny Baiboly. Tsy mihatakataka amin’izy ireo intsony aho izao. Miarahaba azy ireo kosa aho sady miresaka aminy. Miezaka mahafantatra ny tsirairay amin’izy ireo aho. Lasa tia azy ireo aho izao, sady mahazo aina rehefa miaraka aminy.”

“Tiako hanjaka ny rariny”

Rafika Morris.

Te hiady tamin’ny tsy rariny i Rafika, ka niditra tamina fikambanana iray. Rehefa nanatrika ny fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah anefa izy, dia nahita olona tena niray saina. Izay mihitsy ilay notadiaviny.

Jereo ao amin’ny jw.org/mg ilay video hoe Rafika Morris: Tiako Hanjaka ny Rariny.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara