Toko 13
Mividiana Volamena Voadio Tamin’ny Afo
LAODIKIA
1, 2. Taiza no nisy ny farany tamin’ireo fiangonana fito naharay hafatra avy tamin’i Jesosy nomem-boninahitra, ary inona no anisan’ny nampiavaka ilay tanàna?
I LAODIKIA no farany tamin’ireo fiangonana fito naharay hafatra avy tamin’i Jesosy tafatsangana tamin’ny maty. Mampiharihary zava-baovao ilay hafatra, ary mandrisika hiasa!
2 Any akaikin’i Denizli ny sisa tavela amin’i Laodikia fahiny, izany hoe 90 kilaometatra eo ho eo any atsimoatsinanan’i Alasehir. Tanàna nandroso i Laodikia tamin’ny taonjato voalohany. Teo amin’ny fihaonan-dalana lehibe no nisy azy, ka nety tsara ho an’ny banky sy ny varotra. Anisan’ny nampanan-karena azy ny fivarotana fanafody maso, sy ny lamba tsara vita tamin’ny volonondry mainty teo an-toerana. Olana lehibe ny tsy fahampian-drano tao, ka notaritina avy tamin’ny loharano mafana lavidavitra teo ny rano. Matimaty anefa ilay rano, rehefa tonga tao an-tanàna.
3. Ahoana no nanombohan’i Jesosy ny hafany ho an’ny fiangonana tany Laodikia?
3 Tany akaikin’i Kolosia i Laodikia. Niresaka momba ny taratasy nalefany ho an’ny Laodikianina i Paoly, rehefa nanoratra ho an’ny Kolosianina. (Kolosianina 4:15, 16) Tsy fantatsika izay nosoratan’i Paoly tamin’izany. Asehon’ilay hafatra alefan’i Jesosy ho an’ny Laodikianina anefa fa tena nampalahelo ny fifandraisan’izy ireo tamin’Andriamanitra. Niresaka momba ny toerana tanany aloha i Jesosy, araka ny fanaony. Hoy izy: “Ary soraty izao ho an’ny anjelin’ny fiangonana atsy Laodikia: Izao no lazain’ny Amena, ilay vavolombelona mahatoky sy marina, ilay fiandohan’ny zavatra noforonin’Andriamanitra.”—Apokalypsy 3:14.
4. Nahoana i Jesosy no antsoina hoe “ny Amena”?
4 Nahoana i Jesosy no niantso ny tenany hoe “ny Amena”? Mahatonga ilay hafatra havesa-danja kokoa ilay anaram-boninahitra. Ny hoe “Amena” dia fanagasiana ilay teny hebreo nadika hoe “izany tokoa”, na “ho to anie izany.” Ampiasaina amin’ny faran’ny vavaka izy io, mba hanamafisana ny fihetseham-po voambara tao. (1 Korintianina 14:16) Antsoina hoe “ny Amena” i Jesosy, satria tena tsy nivadika, ary maty ho sorona, ka nanamafy sy nanome antoka fa ho tanteraka ny fampanantenan’i Jehovah rehetra. (2 Korintianina 1:20) Mety raha atao amin’i Jehovah, amin’ny alalan’i Jesosy, ny vavaka rehetra, nanomboka teo.—Jaona 15:16; 16:23, 24.
5. Nahoana i Jesosy no antsoina hoe “vavolombelona mahatoky sy marina”?
5 “Vavolombelona mahatoky sy marina” koa i Jesosy. Matetika izy no lazain’ny faminaniana fa mahatoky sy marina ary manao ny rariny, satria mpanompon’Andriamanitra azo itokisana tanteraka. (Salamo 45:4; Isaia 11:4, 5; Apokalypsy 1:5; 19:11) Izy no Vavolombelon’i Jehovah lehibe indrindra. Nanambara ny voninahitr’Andriamanitra hatramin’ny voalohany i Jesosy, satria izy no “fiandohan’ny zavatra noforonin’Andriamanitra.” (Ohabolana 8:22-30) Nanambara ny marina izy, tamin’izy tetỳ an-tany. (Jaona 18:36, 37; 1 Timoty 6:13) Nampanantena ny hanome fanahy masina ho an’ny mpianany izy, rehefa tafatsangana tamin’ny maty. Hoy izy: “Ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran’i Jodia sy Samaria ary any amin’ny faritra lavitra indrindra amin’ny tany ianareo.” Nitarika an’ireo Kristianina voahosotra ireo i Jesosy, nanomboka tamin’ny Pentekosta taona 33, mba hitory ny vaovao tsara “tamin’ny zavaboary rehetra eny ambanin’ny lanitra.” (Asan’ny Apostoly 1:6-8; Kolosianina 1:23) Mendrika ny hantsoina hoe vavolombelona mahatoky sy marina tokoa i Jesosy. Nandray soa ny Kristianina voahosotra tany Laodikia, raha nihaino azy.
6. a) Ahoana no nilazan’i Jesosy ny fanompoan’ny fiangonan’i Laodikia? b) Inona no ohatra tsara nomen’i Jesosy, nefa tsy narahin’ny Kristianina tany Laodikia?
6 Inona no hafatr’i Jesosy ho an’ny Laodikianina? Tsy nanana teny fiderana izy, fa niteny azy ireo toy izao kosa: “Fantatro izay ataonao, fa tsy mangatsiaka na mafana ianao. Enga anie ianao mba hangatsiaka na hafana! Koa satria matimaty ianao ary sady tsy mafana no tsy mangatsiaka, tsy ho ela dia haloan’ny vavako ianao.” (Apokalypsy 3:15, 16) Ahoana no ho fandraisanao hafatra toy izany avy tamin’i Jesosy Kristy Tompo? Tsy hifoha sy handini-tena ve ianao? Tsy maintsy nanao zavatra ireo Laodikianina, satria nanjary rendremana ara-panahy, sy nihevitra ireo zava-dehibe ho tsy nisy vidiny firy. (Ampitahao amin’ny 2 Korintianina 6:1.) Tena nafana fo ho an’i Jehovah sy ny fanompoana foana i Jesosy, ilay modely ho an’ny Kristianina. (Jaona 2:17) Hitan’ny manetry tena foana koa fa tsara fanahy izy, ka namelombelona toy ny rano mangatsiaka amin’ny andro mafana be. (Matio 11:28, 29) Sady tsy nafana no tsy nangatsiaka anefa ny Kristianina tany Laodikia. Nanjary matimaty, toy ilay rano tao an-tanànany izy ireo. Rariny raha holavin’i Jesosy izy ireo, ka ‘haloan’ny vavany’! Enga anie kosa isika hiezaka hafana fo toa an’i Jesosy, ka hamelombelona ny hafa.—Matio 9:35-38.
“Hoy ianao: ‘Manankarena aho’ ”
7. a) Inona no lazain’i Jesosy fa fototr’ilay olana nahazo ny Kristianina tany Laodikia? b) Nahoana i Jesosy no nilaza fa ‘jamba sy nitanjaka’ ny Kristianina tany Laodikia?
7 Inona no tena fototr’ilay olana nahazo ny Laodikianina? Mampiseho izany ny tenin’i Jesosy nanaraka, hoe: “Fa hoy ianao: ‘Manankarena aho ary efa nahazo harena ka tsy mila na inona na inona intsony.’ Tsy fantatrao anefa fa ory sy mampalahelo sy mahantra sy jamba ary mitanjaka ianao.” (Apokalypsy 3:17; ampitahao amin’ny Lioka 12:16-21.) Natoky tena izy ireo, satria nanan-karena sady tao amin’ny tanàna nanan-karena. Nisy vokany teo amin’izy ireo angamba ny kianja filalaovana sy fanaovana fanatanjahan-tena ary ny teatra, ka nanjary ‘tia fahafinaretana fa tsy tia an’Andriamanitra’ izy ireo.a (2 Timoty 3:4) Nahantra ara-panahy anefa ireo Laodikianina nanan-karena. Zara raha nanana ‘harena any an-danitra’ izy ireo, na tsy nanana mihitsy. (Matio 6:19-21) Tsy nanana maso tsotra intsony izy ireo, izany hoe tsy nanao ny Fanjakan’Andriamanitra ho loha laharana. Tao anaty haizina izy ireo, ary jamba teo amin’ny lafiny ara-panahy, ka tsy nifantoka tamin’ny fanompoana intsony. (Matio 6:22, 23, 33) Toy ny niboridana koa ireo Laodikianina teo imason’i Jesosy, na dia nanana akanjo tsara novidiny tamin’ny harenany aza. Tsy nanana fitafiana ara-panahy namantarana azy ho Kristianina izy ireo.—Ampitahao amin’ny Apokalypsy 16:15.
8. a) Inona ny toe-javatra tany Laodikia, ka mbola misy ankehitriny? b) Inona no ataon’ny Kristianina sasany, izay mamita-tena amin’ny harenan’ity tontolo ity?
8 Mampalahelo tokoa izany! Misy zavatra mitovy amin’izany anefa ankehitriny. Inona no fototr’ilay olana? Misy olona matoky tena loatra, satria miantehitra amin’ny harena sy fananana. Toy ireo mpiangona ao amin’ny Kristianisma Anarana ny vahoakan’i Jehovah sasany, ka mamita-tena ary mihevitra fa afaka mampifaly an’Andriamanitra izy, raha mivory tsindraindray fotsiny. “Mpankatò ny teny” anarany fotsiny izy ireo. (Jakoba 1:22) Ny fitafiana lamaody, fiara sy trano, ary fialam-boly sy fahafinaretana no ironan’ny fony, na dia mampitandrina foana aza ireo voahosotra toa an’i Jaona. (1 Timoty 6:9, 10; 1 Jaona 2:15-17) Tsy zava-dehibe teo imason’izy ireo intsony àry ny fanompoana an’Andriamanitra. (Hebreo 5:11, 12) Matimaty sady tsy mafana fo izy ireo, ka tokony hamelona ny “afon’ny fanahy” sy hiezaka hazoto ‘hitory ny teny.’—1 Tesalonianina 5:19; 2 Timoty 4:2, 5.
9. a) Inona no tenin’i Jesosy tokony hanaitra ny Kristianina matimaty, ary nahoana? b) Ahoana no azon’ny fiangonana anampiana ny “ondry” diso lalana?
9 Ahoana no fiheveran’i Jesosy ny Kristianina matimaty? Tokony hanaitra azy ireo ny teniny nivantana hoe: ‘Tsy fantatrao fa ory sy mampalahelo sy mahantra sy jamba ary mitanjaka ianao.’ Donto ny feon’ny fieritreretan’izy ireo, ka tsy mahatakatra akory fa mampalahelo ny toe-javatra misy azy. (Ampitahao amin’ny Ohabolana 16:2; 21:2.) Mila jerena akaiky izany zava-mitranga mampanahy eo anivon’ny fiangonana izany. Tokony ho mpiandry be fitiavana sy ho modely ny anti-panahy sy ny mpanampy azy, ka haneho zotom-po. Handrisika ny “ondry” diso lalana izany mba hanompo amin’ny fo manontolo, ka ho faly indray.—Lioka 15:3-7.
Torohevitra ‘mampanan-karena’
10. Inona ilay “volamena” nasain’i Jesosy novidin’ny Kristianina tany Laodikia tany aminy?
10 Nisy vahaolana ve ho an’ireo Kristianina tany Laodikia? Eny, raha nanaraka izao tenin’i Jesosy izao izy ireo: “Koa manoro hevitra anao aho mba hividy amiko volamena voadio tamin’ny afo mba hanankarena ianao.” (Apokalypsy 3:18a) Ilay “volamena” tsy misy loto, voadio tamin’ny afo, dia mahatonga azy ireo ‘hanan-karena amin’Andriamanitra.’ (Lioka 12:21) Aiza no azony ividianana izany volamena izany? Tsy any amin’ny mpivarotra firavaka, fa any amin’i Jesosy! Nohazavain’ny apostoly Paoly hoe inona io volamena io, rehefa nasainy nananatra ny Kristianina nanan-karena i Timoty, mba “hanao soa, sy hanankarena amin’ny asa tsara, ho tia manome, ho vonon-kizara, ka hanana harena tsara tahiry ho an’ny tenany, izany hoe fototra tsara ho amin’ny hoavy.” Rehefa miezaka mafy amin’ireo lafiny ireo ihany izy ireo vao ho afaka “hihazona mafy ny tena fiainana.” (1 Timoty 6:17-19) Tokony hanaraka ny torohevitr’i Paoly ny Laodikianina nanan-karena, mba hanan-karena ara-panahy koa.—Jereo koa ny Ohabolana 3:13-18.
11. Inona no ohatra ankehitriny momba ireo nividy “volamena voadio tamin’ny afo”?
11 Misy ohatra ve ankehitriny ny amin’ireo nividy “volamena voadio tamin’ny afo”? Misy tokoa! Rehefa nihakaiky ny andron’ny Tompo, dia nisy mpianatra ny Baiboly vitsivitsy nahita fa diso ny fampianarana maro tao amin’ny Kristianisma Anarana. Anisan’izany ny Andriamanitra telo izay iray, fanahy tsy mety maty, fampijaliana ao amin’ny afobe, fanaovana batisa zazakely, ary fivavahana amin’ny sary, toy ny lakroa sy ny sarin’i Maria. Niaro ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly ireo Kristianina ireo, ka nitory fa ny Fanjakan’i Jehovah no hany fanantenana ho an’ny olombelona, ary ny sorom-panavotan’i Jesosy no fototry ny famonjena. Efa ho 40 taona mialoha izy ireo no nanambara fa hifarana amin’ny 1914 ny andron’ny Jentilisa, ary hisy fisehoan-javatra manaitra eto an-tany.—Apokalypsy 1:10.
12. Iza no anisan’ireo nitarika ny Kristianina, ary inona no ohatra niavaka navelany teo amin’ny fanangonana harena any an-danitra?
12 I Charles Russell no nitarika an’ireo Kristianina ireo. Nanangana kilasy fianarana Baiboly izy, taoriana kelin’ny 1870, tany Allegheny (any Pittsburgh ankehitriny), any Pennsylvanie, Etazonia. Niara-niasa tamin-drainy i Russell, tamin’izy nanomboka nitady ny fahamarinana, ary efa ho lasa mpanapitrisa. Namidiny anefa ny anjarany tamin’ilay tranom-barotra, ary nanohanany ny fitoriana ny fanjakan’Andriamanitra eran-tany ny harenany. Nanjary lasa prezidà voalohan’ny Fikambanana Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania i Russell tamin’ny 1884. Maty tao anaty fiarandalamby tany akaikin’i Pampa, any Texas, izy tamin’ny 1916, teny an-dalana ho any New York, rehefa reraky ny dia fitoriana nataony tany amin’ny faritra andrefan’i Etazonia. Ohatra niavaka izy teo amin’ny fanangonana harena any an-danitra. Ana hetsiny koa ankehitriny ny mpisava lalana mahafoy tena toa azy.—Hebreo 13:7; Lioka 12:33, 34; ampitahao amin’ny 1 Korintianina 9:16; 11:1.
Fanosorana fanafody maso ara-panahy
13. a) Nahoana ny fanafody maso ara-panahy no hanatsara ny fiainan’ny Laodikianina? b) Inona no akanjo nasain’i Jesosy nanaovan’izy ireo, ary nahoana?
13 Niteny mafy ny Laodikianina koa i Jesosy hoe: ‘Mividiana akanjo ivelany fotsy mba hitafy ianao ka tsy hiseho ny fitanjahanao mahamenatra, ary mividiana fanafody maso hikosehana ny masonao mba hahitanao.’ (Apokalypsy 3:18b) Tokony hitady fanafody maso manasitrana izy ireo, satria jamba ara-panahy. Tsy any amin’ireo mpitsabo teo an-toerana anefa no tokony hitadiavany izany, fa any amin’i Jesosy irery ihany. Hanampy azy ireo hahay hanavaka izany, mba handehanany amin’ny “làlan’ny marina”, sy hananany maso mifantoka amin’ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra. (Ohabolana 4:18, 25-27) Hanao akanjo izy ireo amin’izay, nefa tsy ilay volonondry mainty lafo vidy natao tany Laodikia, fa “akanjo ivelany fotsy” tsara, izay midika fa manana tombontsoa hanara-dia an’i Jesosy Kristy izy ireo.—Ampitahao amin’ny 1 Timoty 2:9, 10; 1 Petera 3:3-5.
14. a) Inona no fanafody maso ara-panahy nisy, nanomboka tamin’ny 1879? b) Iza no tena manohana ara-bola ny Vavolombelon’i Jehovah? d) Inona no tsy mampitovy ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny hafa, eo amin’ny fampiasana ny fanomezana voaray?
14 Misy fanafody maso ara-panahy koa ve ankehitriny? Misy tokoa! Nanomboka namoaka an’ilay gazety fantatra eran-tany ankehitriny hoe Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah ny Rahalahy Russell (nantsoina tamim-pitiavana hoe Pasitera Russell) tamin’ny 1879, mba hiarovana ny fahamarinana. Hoy izy, tao amin’ny laharana faharoa tamin’izy io: “I JEHOVAH no mpanohana [an’ity gazety ity], ary tsy hangataka na hiangavy olona hanohana azy mihitsy izy. Hoy Izy: ‘Ahy ny volamena sy volafotsy eny an-tendrombohitra.’ Rehefa tsy manome ny vola ilaina intsony Izy, dia ho fantatsika fa tsy tokony havoaka intsony ilay gazety.” Nangoron-karena ny sasany tamin’ny mpitoriteny tao amin’ny televiziona, sady tsy menatra niaina tao anatin’ny haitraitra, izay nifangaro fitondran-tena maloto indraindray. (Apokalypsy 18:3) Tsy toy izany kosa ny Mpianatra ny Baiboly, izay fantatra ankehitriny hoe Vavolombelon’i Jehovah. Ampiasain’izy ireo ny fanomezana an-tsitrapo voarainy mba handaminana sy hampandrosoana ny asa fitoriana ny Fanjakan’i Jehovah eran-tany. Mitarika ny famoahana Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! ankehitriny ireo voahosotra, ary 59 tapitrisa mahery ny indray mivoaka amin’ireo isam-bolana, tamin’ny 2006. Misy amin’ny fiteny 150 eo ho eo izao Ny Tilikambo Fiambenana. Io no gazety ofisialy ampiasain’ny Kristianina maherin’ny enina tapitrisa. Nampiasa an’io fanafody maso ara-panahy io izy ireo mba hanokatra ny masony hamantatra ny fivavahan-diso, sy hahita hoe maika ilay asa fitoriana ny vaovao tsara amin’ny firenena rehetra.—Marka 13:10.
Fananarana sy famaizana mahasoa
15. Nahoana i Jesosy no nanome torohevitra hentitra ho an’ny Kristianina tany Laodikia, ary ahoana no tokony handraisan’ny fiangonana izany?
15 Iverenantsika indray ny Laodikianina. Ahoana no handraisan’izy ireo ny torohevitra hentitra avy tamin’i Jesosy? Tokony ho kivy ve izy ireo, ka hihevitra fa tsy tian’i Jesosy hanara-dia azy intsony? Tsy izany mihitsy. Hoy ny tohin’ilay hafatra: “Izay rehetra iraiketan’ny foko no anariko sy faiziko. Koa aoka ianao hafana fo sy hibebaka.” (Apokalypsy 3:19) Mariky ny fitiavana, toy ny famaizan’i Jehovah, ny famaizan’i Jesosy. (Hebreo 12:4-7) Tokony hanararaotra izany fiahiana sy fitiavana izany ny fiangonan’i Laodikia, ka hampihatra ny toroheviny. Tokony hibebaka izy ireo, ka hiaiky fa nanota satria lasa matimaty. (Hebreo 3:12, 13; Jakoba 4:17) Tsy tokony ho tia harena ireo anti-panahiny, fa ‘hampiredareda’ an’izay nomen’Andriamanitra azy. Ho velombelona, toy ny olona mahazo rano mangatsiatsiaka mampahazo aina, ny fiangonana manontolo, rehefa miasa ilay fanafody maso.—2 Timoty 1:6; Ohabolana 3:5-8; Lioka 21:34.
16. a) Ahoana no anehoan’i Jesosy ny fitiavany sy fiahiany ankehitriny? b) Ahoana no tokony ho fihetsitsika, raha mahazo torohevitra hentitra isika?
16 Ary isika ankehitriny? Mbola “tia ny mpianany izay eo amin’izao tontolo izao i Jesosy.” Hanao izany izy, “mandra-pahatongan’ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity.” (Jaona 13:1; Matio 28:20) Maneho fitiavana sy fiahiana izy amin’ny alalan’ireo sisa voahosotra sy ireo kintana, na anti-panahy eo anivon’ny fiangonana ankehitriny. (Apokalypsy 1:20) Maro be ny fitsapana, ka miezaka mafy ny anti-panahy hanampy antsika rehetra, na antitra na tanora, mba hitoetra ao anatin’ny valan’Andriamanitra, ka tsy ho tia manapa-kevitra samirery na ho tia harena na ny fitondran-tena maloton’ity tontolo ity. Tadidio fa ‘lalan’aina ny anatra famaizana’, raha mahazo torohevitra na famaizana hentitra ianao indraindray. (Ohabolana 6:23) Tsy lavorary isika rehetra, ka tokony ho vonona hibebaka, mba ho voahitsy sy tsy hiala amin’ny fitiavan’Andriamanitra.—2 Korintianina 13:11.
17. Nahoana no mety hampidi-doza antsika ny harena?
17 Tsy tokony havelantsika hahatonga antsika ho matimaty ny fitiavan-karena na ny fahantrana. Ahafahana manompo bebe kokoa ny harena, nefa mety hampidi-doza koa. (Matio 19:24) Mety hihevitra ny olona iray manan-katao fa tsy voatery hazoto hitory toy ny hafa izy, satria efa manao fanomezana be tsindraindray. Mety hieritreritra koa izy fa tokony hahazo sitraka manokana, satria manankarena. Eo koa ny fahafinaretana sy fialam-boly azon’ny manankarena atao. Maka ny fotoana sy hery tokony hanompoana anefa izy ireny, ka mahatonga ny tsy mitandrina ho matimaty. Halaviro ireny fandrika ireny, ka ‘miasà mafy sy mikeleza aina’ amin’ny fo manontolo, sady banjino ny fiainana mandrakizay.—1 Timoty 4:8-10; 6:9-12.
‘Misakafo hariva’
18. Inona no tombontsoa naroson’i Jesosy ho an’ny Kristianina tany Laodikia?
18 Hoy indray i Jesosy: “Indro, mijoro eo am-baravarana aho ka mandondòna. Raha misy mandre ny feoko ka manokatra ny varavarana, dia hiditra ao an-tranony aho ka hiara-misakafo hariva aminy, ary izy hiara-mihinana amiko.” (Apokalypsy 3:20) Hanampy ny Kristianina tany Laodikia tsy ho matimaty i Jesosy, raha ampandrosoin’izy ireo eo anivon’ny fiangonany!—Matio 18:20.
19. Inona no tian’i Jesosy holazaina, rehefa nampanantena ny hiara-misakafo hariva tamin’ny fiangonan’i Laodikia izy?
19 Nety hotsaroan’ny Laodikianina, tamin’ilay resaka momba ny sakafo hariva, fa matetika i Jesosy no niara-nisakafo tamin’ny mpianany. (Jaona 12:1-8) Nahazo fitahiana ara-panahy foana ireo nanatrika izany. Nisy fotoana koa niarahan’i Jesosy nisakafo tamin’ny mpianany, taorian’ny nitsanganany, ary tena nampahery azy ireo izany. (Lioka 24:28-32; Jaona 21:9-19) Rehefa nampanantena ny Laodikianina àry i Jesosy fa ho avy hiara-misakafo hariva amin’izy ireo, dia midika izany fa hahazo fitahiana be ara-panahy izy ireo, raha mandray azy.
20. a) Inona no vokany, rehefa matimaty ara-panahy ny Kristianisma Anarana, teo am-piandohan’ny andron’ny Tompo? b) Inona no vokatry ny didim-pitsaran’i Jesosy teo amin’ny Kristianisma Anarana?
20 Misy dikany lalina ho an’ny sisa voahosotra ankehitriny ny fampirisihana feno fitiavana nataon’i Jesosy ho an’ny Laodikianina. Tsaroan’ny sasany amin’izy ireo fa tena matimaty ara-panahy ny Kristianisma Anarana, teo am-panombohan’ny andron’ny Tompo. Tsy nandray tsara ny fiverenan’ny Tompo tamin’ny 1914 ny mpitondra fivavahana teo amin’izy ireny, fa niditra lalina tamin’ny famonoana olona nandritra ny Ady Lehibe I kosa, na dia nilaza ho Kristianina aza ny 24 tamin’ireo firenena 28 niady. Tena meloka noho ny fandatsahan-dra izy ireo! “Niavosa hatrany amin’ny lanitra” indray ny fahotan’ny fivavahan-diso, nandritra ny Ady Lehibe II, satria ny Kristianisma Anarana no tena niady tao anatin’izany. (Apokalypsy 18:5) Tsy ny Fanjakan’i Jehovah ho avy koa no notohanan’ny mpitondra fivavahana, fa ny Fikambanam-pirenena, ny Firenena Mikambana, ny fihetsiketsehana fitiavan-tanindrazana, ary ny fanonganam-panjakana, izay tsy misy afaka mamaha ny olan’ny olombelona. Efa ela i Jesosy no nanda ny mpitondra fivavahana, ka nanameloka sy nanary azy ireo, toy ny ataon’ny mpanarato manary ny trondro ratsy voarain’ny haratony. Manaporofo izany fanamelohana izany ny fahorian’ny fiangonan’ny Kristianisma Anarana ankehitriny. Enga anie ka ho fampitandremana ho antsika ny zavatra hanjo azy ireo!—Matio 13:47-50.
21. Ahoana no nandraisan’ny Kristianina marina ny tenin’i Jesosy ho an’ny fiangonan’i Laodikia, nanomboka tamin’ny 1919?
21 Misy olona matimaty koa, na dia eo anivon’ny mpivavaka marina aza. Toy ny rano tsy mafana tsy mangatsiaka izy ireo, ka sady tsy manatanjaka no tsy mamelombelona. Tena tian’i Jesosy foana anefa ny fiangonany. Miezaka manampy ny Kristianina mandray azy tsara izy, ary maro no nanao izany, toy ny hoe niara-nisakafo hariva taminy. Nanjary hitan’izy ireo nanomboka tamin’ny 1919 àry ny dikan’ireo faminaniana ao amin’ny Baiboly. Nisy fotoana nahazoan’izy ireo fahazavana lehibe.—Salamo 97:11; 2 Petera 1:19.
22. Inona ilay sakafo hariva amin’ny hoavy nety ho tao an-tsain’i Jesosy, ary iza no ho tafiditra amin’izy io?
22 Nety ho nisy sakafo hariva hafa koa tao an-tsain’i Jesosy, tamin’izy niresaka tamin’ny Laodikianina. Izao no vakintsika ao amin’ny Apokalypsy, any aoriana kokoa: “Sambatra izay nasaina ho amin’ny sakafo hariva amin’ny fampakaram-badin’ny Zanak’ondry.” Fetim-pandresena lehibe izy io, ho fiderana an’i Jehovah, rehefa tanteraka ny didim-pitsarany amin’ny fivavahan-diso. I Kristy sy ny vadiny, na ireo 144 000 nangonina ho any an-danitra, ihany no ho tafiditra amin’izy io. (Apokalypsy 19:1-9) Hiara-misakafo amin’ilay Mpampakatra ireo nahatoky teo anivon’ny fiangonan’i Laodikia fahiny, mbamin’ireo rahalahin’i Kristy mahatoky ankehitriny, izay manao akanjo madio amantarana fa tena Kristianina voahosotra izy. (Matio 22:2-13) Mahatonga azy ireo hazoto sy hibebaka tokoa izany!
Seza fiandrianana ho an’ny mpandresy
23, 24. a) Inona koa no valisoa noresahin’i Jesosy? b) Oviana i Jesosy no nandray ny seza fiandrianan’ny Mesia, ary oviana izy no nanomboka nitsara an’ireo mitonona ho Kristianina? d) Inona no fampanantenana mahatalanjona nomen’i Jesosy ny mpianany, rehefa nanorina ny Fahatsiarovana ny nahafatesany izy?
23 Niresaka valisoa hafa koa i Jesosy, nanao hoe: “Izay mandresy dia havelako hiara-mipetraka amiko eo amin’ny seza fiandrianako, tahaka ny nandreseko ka niarahako nipetraka tamin’ny Raiko teo amin’ny seza fiandrianany.” (Apokalypsy 3:21) Tanteraka ny tenin’i Davida ao amin’ny Salamo 110:1, 2 tamin’ny taona 33. Natsangana tamin’ny maty mantsy i Jesosy, satria tsy nivadika sady nandresy an’izao tontolo izao, ka nasandratra ho eo ankavanan’ny seza fiandrianan’ny Rainy any an-danitra. (Asan’ny Apostoly 2:32, 33) Nandray ny seza fiandrianany ilay Mesia tamin’ny 1914, ka lasa Mpanjaka sy Mpitsara. Azo inoana fa nanomboka tamin’ny 1918 ny fitsarana an’ireo mitonona ho Kristianina. Natsangana mba hiaraka amin’i Jesosy any amin’ny Fanjakany ireo voahosotra mpandresy, izay maty talohan’io taona io. (1 Petera 4:17) Nampanantena izany ho azy ireo i Jesosy, rehefa nanorina ny fankalazana ny Fahatsiarovana ny nahafatesany. Hoy izy: “Manao fifanekena aminareo aho, toy ny nanaovan’ny Raiko fifanekena tamiko, ho amin’ny fanjakana, mba hihinana sy hisotro eo amin’ny latabatro ao amin’ny fanjakako ianareo, ka hipetraka eo amin’ny seza fiandrianana hitsara ny foko roa ambin’ny folon’ny Israely.”—Lioka 22:28-30.
24 Fanendrena miavaka tokoa izany! Tombontsoa ny hiara-mipetraka amin’ilay Mpanjaka, mandritra ny “fanavaozana”, sy hiaraka aminy hanao izay hahalavorary ny olombelona indray toy ny tany Edena, miorina amin’ny sorona lavorary nataony. (Matio 19:28; 20:28) Lazain’i Jaona amintsika fa ataon’i Jesosy “fanjakana sy mpisorona ho an’Andriamanitra Rainy” ireo mandresy, ka hahazo seza fiandrianana manodidina ny seza fiandrianana be voninahitr’i Jehovah. (Apokalypsy 1:6; 4:4) Aoka isika rehetra handray am-po ny tenin’i Jesosy ho an’ny Laodikianina, na voahosotra isika, na anisan’ireo hiaina eto an-tany ka hamerina ny Paradisa!—2 Petera 3:13; Asan’ny Apostoly 3:19-21.
25. a) Ahoana no namaranan’i Jesosy ny hafatra ho an’ny Laodikianina, toy ny tamin’ireo hafatra hafa? b) Ahoana no tokony handraisan’ny Kristianina ankehitriny ny tenin’i Jesosy ho an’ny fiangonan’i Laodikia?
25 Nampirisika toy izao i Jesosy teo am-pamaranana, toy ny tamin’ireo hafatra hafa: “Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain’ny fanahy amin’ny fiangonana.” (Apokalypsy 3:22) Efa lasa lavitra ao anatin’ny fotoan’ny farany isika. Maro ny porofo milaza fa mangatsiaka ny fitiavan’ny Kristianisma Anarana. Enga anie kosa isika Kristianina marina mba hanaraka ny hafatr’i Jesosy ho an’ny fiangonan’i Laodikia sy ireo fiangonana hafa rehetra. Manao izany isika, raha mazoto mandray anjara amin’ny fahatanterahan’ny faminaniana lehibe nolazain’i Jesosy momba ny androntsika. Hoy izy: “Ary ho vita manerana ny tany onenana ny fitoriana ity vaovao tsaran’ilay fanjakana ity, ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, vao ho tonga ny farany.”—Matio 24:12-14.
26. Rahoviana indray i Jesosy vao miresaka mivantana amin’i Jaona ao amin’ny Apokalypsy, nefa mandray anjara amin’ny inona izy?
26 Tapitra ny torohevitr’i Jesosy ho an’ireo fiangonana fito. Tsy miresaka amin’i Jaona intsony izy ao amin’ny Apokalypsy, raha tsy any amin’ny toko farany. Mandray anjara amin’ny fahitana maro anefa izy, toy ny fanatanterahana ny didim-pitsaran’i Jehovah. Andeha isika izao hiaraka amin’ireo voahosotra toa an’i Jaona, mba handinika ny fahitana faharoa niavaka, nahariharin’i Jesosy Kristy Tompo.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Hita tamin’ny fikarohana ambanin’ny tany teo amin’ny toerana nisy an’i Laodikia fahiny, ireo toerana ireo.
[Efajoro, pejy 73]
Ny Fitiavan-karena sy ny Fahendrena
Tamin’ny 1956, dia hoy ny mpanao gazety iray: “Voalaza tamin’ny zato taona lasa fa zavatra 72 no irin’ny olon-tsotra iray, nefa ny 16 amin’ireo no tena ilainy. Voalaza kosa ankehitriny fa 474 ny zavatra iriny, nefa ny 94 amin’ireo no tena ilainy. Zavatra 200 no nampirisihan’ny mpivarotra mba hovidin’ny olona, tamin’ny zato taona lasa, fa 32 000 kosa izany ankehitriny. Vitsy ny zavatra tena ilain’ny olona, fa tsy misy fetra kosa ny zavatra iriny.” Asongadina amin’ny olona ankehitriny fa ny harena sy ny fananana no zava-dehibe indrindra eo amin’ny fiainana. Maro àry no tsy miraharaha izao torohevitra feno fahendrena omen’ny Mpitoriteny 7:12 izao: “Fialokalofana ny fahendrena, ary fialokalofana ny vola; ary ny mahatsara ny fahalalana dia izao: Maharo ny ain’ny manana azy ny fahendrena.”
[Sary, pejy 67]
Tsy tsara ny rano tonga tany Laodikia satria matimaty. Matimaty ara-panahy koa ny Kristianina tany Laodikia, ka tsy nahafa-po an’i Jesosy