Hafanana manatanjaka, hatsiatsiaka mamelombelona
MAFY fo, tsy miraika, tsy rototra. Toy izany tokoa no azo ilazana ireo olona izay toa tsy azo tohinina na amin’inona na amin’inona mihitsy. Tamin’ny taonjato voalohany, ny kongregasiona kristiana tany Laodikia dia tratran’ny fatoritoriana toy izany ka nahatonga ny ‘anjeliny’ hahazo izao fananarana izao avy tamin’i Jesosy Kristy nomem-boninahitra: “Fantatro ny asanao, fa tsy mangatsiaka na mafana hianao; aleo ho mangatsiaka na mafana hianao. Fa satria matimaty hianao ka tsy mafana na mangatsiaka, dia efa haloan’ny vavako hianao.” (Apokalypsy 3:15, 16). Fa nahoana àry io kongregasiona io no tonga tamin’ny toe-piainana ara-panahy nampalahelo toy izany?
Tsy dia lavitra loatra an’i Efesosy any Azia Minora, nefa afovoan-tany kokoa no nisy ny tanàna frizian’i Laodikia. Nisy lalana fanaovana raharaham-barotra lehibe namakivaky an’i Laodikia ary avy eo dia nisampana roa. Ny iray tamin’ireo lalana nivoaka avy tao dia nitarika ho any Efesosy. Ny iray kosa nananika ny tendrombohitra mba hahatratra an’i Filadelfia, Sardisy, Tyatira ary farany i Pergamosy. Laodikia, ilay renivohitra mpanefohefo dia fantatra tamin’ireo fifanarahana ara-barotra nataony. Izy dia nanondrana ho any ivelany indrindra ny volonondry tsara tarehy malambolambo sy mainty avy tamin’ny ondriny. Nisy sekolin’ny mpitsabo nisokatra koa tsy dia lavitra loatra avy teo aminy; fanampin’izany koa, ny fanafody maso nantsoina hoe vovoka friziana izay nireharehana aoka izany ny fiasan’ny heriny, dia namboarina tao amin’io tany io. Nanjary nalaza ihany koa i Laodikia tamin’ireo karipetra friziana. Noheverina mihitsy aza fa tany no nipoiran’ny fanaovana amboaradara, araka ny toa hamafisin’ny fiteny latina izay midika hoe: “mpanao amboaradara” (phrygio). Tetsy andaniny koa, i Laodikia dia nanjary foiben’ny mozika sy ny zava-kanto nalaza indrindra tamin’ilay sekoly friziana izay nampiasa fototra ara-jeometria toy ny “swastikas” (kazarana vokovoko) ny miolikolika sy ny miraefadafy (losanges).
Moa ve ny fitomboan-karena izay nampiavaka an’i Laodikia nitarika ny kristiana sasantsasany tao amin’io tanàna io hanisy fiheverana tafahoatra ny raharaham-barotra, hatramin’ny fahatongavana mihitsy ho tsy nanana intsony afa-tsy fotoana kely malalaka mba hampielezana ny vaovao tsara? Moa ve ny sasany tamin’izy ireo tonga tamin’ny fiahiana voalohany indrindra ny raharahany tsy ara-pivavahana satria niriny hatokana ho amin’ny asa iray ‘mahaliana’ kokoa noho ny fampiharana ireo fotopoto-pitsipika kristiana marina ny fiainany?
Tsy isalasalana mihitsy fa ny fihetsika toy izany dia ho nanana antony hampangatsiaka ny fitiavan’izy ireo an’i Jehovah, an’i Jesosy Kristy Mpampianatra azy sy ny namany (Matio 24:12; 22:37-39). Toy izany koa amin’izao fotoana izao, raha avelantsika ny fitiavana fatratra ny zavatra ara-nofo haka bebe kokoa hatrany ny fotoanantsika, ary raha asiantsika vidiny be loatra noho ny asantsika hafa rehetra ny raharahantsika ara-pivavahana, dia mety ho tonga ‘matimaty’ koa isika, izany hoe hanary ny hafanam-pontsika. Mety ho tonga hatramin’ny fanarahana tsy sazoka ny kristianisma aza isika amin’ny fiheverana azy ho toy ny karazana “fiantohan’aina” izay mety hilaina foana ‘raha toa ka mipoaka amin’ny andro ahavelomantsika ny “fahoriana lehibe”.—Apokalypsy 7:14.
Tsy tsaratsara kokoa ve ny manatanjaka noho hafanam-pontsika ireo izay trotraky ny ‘fangatsiahin’izao tontolo izao’ ka mahita fa tsy misy olona mihevitra marina ny zava-manahirana azy mihitsy? Tsy aleo kokoa ve mampionona, amin’ny “hatsiatsiaka” ireo olona kivy noho ny fanaovana ny tsy rariny?
Raha ataontsika voalohan-toerana eo amin’ny fiainantsika ny tombontsoan’ilay Fanjakana, ny zotom-pontsika koa dia mety hanatanjaka ireo rahalahintsika kristiana (Matio 6:33). Etsy andaniny koa, tsy misy afa-tsy isika ihany no “hamelombelona” azy ireny amin’ny teny mampahery sy ny fanehoam-pitiavana, rehefa marary na iharam-pisedrana hafa izy ireny. Ireo tanora kristiana indrindra no tsara raha misaintsaina izany raharaha izany mba hampiasany tsaratsara kokoa ny fotoanany sy ny tanjany.
Ahoana no hialana amin’ny fahamatimatin’ny tena ara-panahy?
Nahoana i Jesosy tafatsangana tamin’ny maty no nampiasa ireo fomba fiteny ireo rehefa niresaka tamin’ny kongregasiona tao Laodikia? Azo antoka mihitsy fa tamin’izany izy dia ta-hampahatsiaro ny famatsian-dranon’ilay tanàna. Mifanohitra tokoa tamin’ireo tanàna lehibe an’i Hierapolisy sy Kolosia nanodidina azy, i Laodikia dia tsy nanana loharano mihitsy na dia iray aza. I Hierapolisy kosa anefa dia nalaza tamin’ireo loharanony mafana izay namelombelona ny mpandeha vizana tamin’ny ririnina. Fa raha i Kolosia indray, izy dia nanana rano mangatsiaka tena nankasitrahana aoka izany nandritra ny hafanam-pahavaratra. Nefa kosa ny ranon’i Laodikia dia tonga tao an-tanàna tamin’ny alalan’ny lakan-drano lehibe iray tsy dia lava loatra; avy eo indray izany dia mbola nandalo tamin’ny lalan-drano maromaro vita tamin’ny vato boribory noloahina sy nolalorina simenitra. Araka ny tokony ho izy, ilay rano dia tsy maintsy ho efa matimaty rehefa tonga tao amin’ny mponina tao an-tanàna tamin’ny farany.
Jesosy Kristy dia mbola nampiasa fanoharana hafa ihany koa izay tena nantenaina tokoa fa hanohina ny fon’ny kristiana tany Laodikia (Apokalypsy 3:17, 18). Araka izany, ho solon’ny fitafiana vita tamin’ny volonondry mainty malambolambo sy mamiratra izay nankafizin’ny olona tao amin’ilay tany aoka izany, ny Laodikiana dia tokony hahazo fitafiana fotsy izay hamantarana azy ho mpanompo kristian’i Jehovah (Apokalypsy 16:5). Toy izay hitady “volamena” izay nananan’i Laodikia be dia be noho ireo fifampiraharahana ara-bolany, ny Laodikiana dia niharihary ho nahazo famporisihana hamboly toetra toy ny finoana sy ny fiaretana, toetra izay mety ho mafy orina raha sedraina ary ankoatr’izany dia sarobidy sy maharitra kokoa noho ny harena rehetra eo amin’izao tontolo izao (I Korintiana 3:10-15; I Petera 1:6, 7). Mbola mila mahazo “odi-maso” ara-panahy mandaitra kokoa noho ny vovoka friziana koa izy ireo, satria nilainy ny hahay hanavaka tsara ny fanantenana ny fiainana mandrakizay sy ny handaminana ny fiainany mifanaraka amin’izany.—Romana 3:13, 14.
Ny kristiana amin’ny andro ankehitriny dia afaka mandray lesona amin’ireo teny ireo. Toy izay hanandrana hanome fahafahampo izay haitraitrany rehetra amin’ny fitadiavana foana hiafy araka ny lamaody farany sy hahazo sakafo voafantina tsara, trano tsara tarehy indrindra eo amin’ny faritany, na fiarakodia mirenty indrindra, dia haneho fahendreny izy amin’ny ‘fividianana’ amin’i Jesosy “fitafiana fotsy”, “volamena”, sy “odi-maso”. Eny, tena niteny tokoa ny mba hividianana an’ireo i Jesosy. Milaza izany fa misy vidiny ny fanaovana toy izany. Marina aloha fa ilaina ny fotoana mba hifaneraserana amin’ny mpanompon’Andriamanitra, hianarana ny Teniny sy ireo boky fianarana manazava azy amintsika, ary koa ny hisaintsainana izay zavatra ianarantsika mba hahafahana mampifandray ireo hevitra vaovao sy ny fahalalana efa ananantsika sy hanitsiana ny fomba fiheverantsika raha ilaina izany. Ilaina ihany koa ny fotoana sy ny fiezahana mba hampahafantarana amin’ny hafa ny zavatra ianarantsika. Midika izany fa mety hilaintsika ny hiaina amin’ny fidiram-bola kely kokoa mba hahazoana mandany fotoana bebe kokoa hianarana ny Soratra Masina sy hanampiana ara-panahy ny namantsika. Kanefa ny fomba fiaina toy izany dia tsy maintsy hamelona ao amintsika ny fanantenana kristiana.
Fandrika hafa: Ny fialam-boly sy ny faharatsiam-pitondrantena
Ny kristiana tany Laodikia dia voahodidin’ny loza hafa ihany koa izay angamba nanampy mba ‘hampahamatimaty’ azy. Ny fikarohana arkeolojia tao amin’io tanàna io tokoa dia nahitana ireo sisan-javatra rava tamin’ny kianja filalaovana iray ary trano fanaovana teatira maro sy fanaovana fampiasan-tena. Nety ho nanaiky tsikelikely ho resin’ny fitiavana fahafinaretana ve ny kristiana sasantsasany? Na ahoana na ahoana, ny mpanompon’Andriamanitra dia tokony hanohitra amin’izao andro izao ireo faniriana izay mety hitarika azy hanaram-po amin’ny fialam-boly tsy mendrika na mihoa-pampana. Ny tanora kristiana indrindra no mety hihevitra fa toa misy zavatra tsy ampy aminy raha tsy mandeha mijery sarimihetsika, fampisehoana an-dampihazo na koa raha tsy mandamina takarivam-pialan-tsasatra isan-kerinandro izy, indrindra fa ny asabotsy hariva, rehefa toa mikorana be tsy misy toy izany iny ny hafa. Mety hahatsiaro tena ho sorisorena izy rehefa tsy afaka hiresaka izany karazam-pialam-boly izany amin’ireo namany any an-tsekoly na ireo mpiara-miasa aminy rehefa tonga ny alatsinainy maraina. Fa nahoana raha manomana kosa fotoam-pialan-tsasatra miaraka amin’ny kristiana hafa, tanora na efa lehibe kokoa, matanjaka ara-panahy? Azo antoka fa tsaratsara kokoa ny miara-miala voly amin’ireo “izay miantso ny Tompo amin’ny fo madio”.—II Timoty 2:22.
Ny faharatsiam-pitondrantena sy ny fimamoana dia mampiseho loza anankiray fanampiny ho an’ny fahasalamana ara-panahin’ireo kristiana tany Laodikia. Tany tokoa ny ankamaroan’ny olona dia nanompo an’i Dionizosy andriamanitry ny divay grika; nitady hanatona azy tamin’ny alalan’ny dihy tsy voafehy izy ireny. Ny “pallus” (sary mampiseho ny filahiana) dia nitana toerana lehibe indrindra tamin’ireo fankalazana natokana ho azy.
Amin’izao fotoana izao isika dia miaina eo afovoan’ny izao tontolo izao iray izay mikororosy tanteraka ny fitondrantenany. Ny faharatsiam-pitondrantena dia tonga fitsipika any amin’ny faritra maro eto amin’ny gilaoby. Fomba fandihy “disco” maro no toa misy ifandraisana amin’ireo firehetam-pahamamoana izay nampiavaka ny fanompoam-pivavahana tamin’i Dionyzosy na i Bakôsy. Raha tsy tiany ny ‘haloan’ny vavan’i Jesosy’, ny mpanompon’i Jehovah dia tokony hanohitra ireo fanerena mety hampiharina amin’ny mba hanaovany izany fomba fanao izany Eny, tena ilaina tokoa ny hiainantsika mifanaraka amin’ny fahamasinana na ny fahadiovan’i Jehovah.—I Petera 1:16.
Aoka isika hahay hitoetra ho “mangatsiaka” na “mafana”
Nampahatsiahy an’ireo Laodikiana i Jesosy Kristy fa anariny sy faiziny izy ireo satria tiany (Apokalypsy 3:19). Notereny izy ireo hanohy hitady hery ara-panahy. Koa satria Jesosy nilaza tena taminy ho “ny Amena, Ilay vavolombelona mahatoky sy marina, Izay niandohan’izao zavatra noharin’Andriamanitra izao”, ireo kristiana voalohany dia nahay nametraka ny fitokisany taminy sy tamin’ireo fampanantenany (Apokalypsy 3:14). Toy ny maha-“fiandohan’ny” zavaboary manan-tsaina an’i Jesosy no maha-“fiandohan’ny” fanorenana ny “lanitra vaovao sy tany vaovao” azy ihany koa, izay nandrasan’ireny kristiana ireny (II Petera 3:13). Ny fahazoana ny valisoa dia raharaha mahakasika ny fotoana sisa tamin’izy ireny.
Toy izany koa amin’izao androntsika izao, ny fahatanterahan’ny fanantenantsika dia raharaha mahakasika ny fotoana sisa. Tsy izany ihany fa ny zavatra rehetra dia mahatonga hino fa tsy mila ny hiandry ela intsony isika (Apokalypsy 12:12). Koa aza avela hahatonga anao ho “matimaty” àry ny hery mitaonan’izao tontolo izao. Mitandrema tena amin’ny fitiavana fatratra ny zavatra ara-nofo. Aoka ianao hanontany tena amim-pahatsorana raha toa ka fahendrena ny handentehana ny fiainana amin’ny raharaha tsy ara-pivavahana. Ataovy izay tsy hanokanana fotoana be loatra amin’ny fialam-boly sy hifidianana azy ireny tsara no sady manao andri-maso koa ny fifaneraseranao. Manehoa fahendrena amin’ny fampiasana ny fotoananao hianarana ny Baiboly, hivoriana miaraka amin’ny mpanompon’i Jehovah ary hanompoana an’Andriamanitra amin-jotom-po mba hijanonana ho matanjaka sy mifoha ara-panahy.—I Korintiana 15:58.
Ny maha-izy an’i Jesosy sy ny fitondrantenany dia sady mafana no manatanjaka eo imason’ireo izay tia an’i Jehovah, ary mamelombelona, mampionona ho an’ireo olona trotraky ny fahotana sy ny enta-mavesatry ny fiainana (Matio 11:28, 29; Jaona 2:17). Amin’izao androntsika izao, ny kristiana dia hanaraka ny ohatra nomeny amin’ny fandraisana am-po ny hafatra nosoratana ho an’ny kongregasiona tany Laodikia.