Toko Faha-10
Zava-dehibe ve ny Endrika Ivelany?
MILAZA ianao fa tsy tianao hoe ny endrikao ivelany? Vitsy amintsika — raha misy aza — no afa-po tanteraka amin’ny fisehoantsika. Tsy tahaka an’i Narcisse, izay raiki-pitia tamin’ny tenany teo am-pijerena ny sariny teo amin’ny ranon’ny farihy iray, ny sasany amintsika dia mila ny ho ketraka tanteraka rehefa mijery fitaratra.
‘Tsy tiako mihitsy ny bikako’, hoy ny fitarainan’i Maria, 16 taona. ‘Toa tsy dia tsara endrika loatra no fiheverako ny tenako.’ Mimenomenona toy izany koa i Bob, 13 taona: ‘Tsy tiako ny voloko, ilay izy mitsangana avy ato ambadika eto io.’ Ary ny mbola maharatsy azy aza dia mety hiova haingana aoka izany ny fisehoan’ny zatovo iray, hany ka milaza ny mpandinika ny toe-tsaina iray fa matetika ny tanora dia “mahatsiaro tena ho toy ny vahiny ao anatin’ny vatany”. Maro amin’izy ireo àry no sosotra noho ny tarehiny, ny volony, ny bikabikany ary ny toe-batany.
Mazava ho azy fa ny tenan’Andriamanitra mihitsy dia mankasitraka ny hatsaran-tarehy. Hoy ny Mpitoriteny 3:11: “Ny zavatra rehetra samy nataony [Andriamanitra] ho [tsara tarehy, NW ] amin’ny fotoany avy”. Ary ny endrikao ivelany dia tena afaka manana fiantraikany eo amin’ny fomba fijerin’ny hafa anao sy ny fitondrany anao. Manampy teny toy izao ny Dr. James P. Comer: “Ny sary asehon’ny vatan’ny olona iray dia anisan’ny sary maha-izy azy. Afaka misy fiantraikany eo amin’ny fatokian-tenan’ny olona iray izany ary koa eo amin’ny ataony sy tsy ataony eo amin’ny fiainana.” Maneho fahendrena àry ny fiahiana mahasoa ny amin’ny fisehoanao. Kanefa, rehefa manjary miahy be loatra ny amin’ilay tsy mety eo aminao ianao, ka lasa mihataka amin’ny hafa na tsy afa-po amin’ny tenanao, dia efa tsy mahasoa intsony izany fiahiana izany.
Iza no milaza fa tsy tsara tarehy ianao?
Mahaliana fa tsy vokatry ny tena fisian’ny tsiny eo amin’ny ara-batana foana ny alahelo momba ny fisehoan’ny tena. Ny ankizivavy mahia iray mipetraka ao an-dakilasy dia maniry ny ho matavy kokoa. Etsy amin’ny laharan-dabilio manaraka anefa misy ankizivavy iray botrefona izay mimenomenona ny amin’ny “hataviny”. Avy aiza izany tsy fahafaliana momba ny tena izany? Inona no mahatonga tanora manana toe-batana ara-dalàna izao hihevi-tena ho tsy manintona?
Hoy ilay mpampianatra momba ny fitsaboana aretin-tsaina atao hoe Richard M. Sarles: “Ireo taona maha-zatovo dia fe-potoam-piovana itrangan’ny fandaminan-javatra vaovao lehibe ao amin’ny vatana. (...) Eo anoloan’ny vatany vaovao sy miovaova, ka noho izany dia mahasadaikatra azy, ny ankamaroan’ireo zatovo dia miantehitra amin’ny tsy fananana ahiahy hitany eo anivon’ireo mitovy taona aminy.” Kanefa rehefa eo ambany maso mandinik’ireo mitovy taona aminao ianao, dia mety hanjary ho loharanon-tebiteby aoka izany ny halavanao, na ny hafohinao, na ny hatavinao, na ny hahianao — ary tsy tononina akory ny endriky ny oronao na ny sofinao. Ary rehefa misy ankizy hafa misarika ny sain’ny sasany kokoa noho ny tenanao, na rehefa misy miteny anao momba ny endrikao ivelany, dia mety hanomboka tsy ho afa-po amin’ny tenanao ianao.
Avy eo, dia eo koa ny fitaomana miely hatraiza hatraizan’ny televiziona sy ny boky ary ny sarimihetsika. Lehilahy sy vehivavy tsara tarehy aoka izany no mibanjina antsika avy eo amin’ny fahitalavitra sy ny pejin’ireo gazetiboky, mba hivarotra izay rehetra tianao, manomboka amin’ny ranomanitra ka hatramin’ny tsofa. Ho tian’ireo fitaovana fampahalalam-baovao ireo ny hinoanao fa, raha tsy tovovavy tsara tarehy tsy misy hokianina, na tovolahy faran’izay tomady, ianao, dia aleo miery avy hatrany any an-davaka — na fara faharatsiny tsy mieritreritra intsony ny ho tian’ny olona na ho sambatra.
‘Aza miray lasitra aminy’!
Alohan’ny hanatsoahanao hevitra anefa fa tena tsy misy antenaina tokoa ny endrikao, dia manontania tena raha tena izy tokoa — na foronin’ny saina fotsiny — ireo tsiny eo amin’ny vatanao. Moa ve tena tsy tsara jerena tokoa ilay tarehinao mahasosotra anao (na ananihaniana anao) io? Sa ny hafa kosa no nanery anao hieritreritra izany? Manoro hevitra toy izao ny Baiboly: “Aza miray lasitra amin’izao tontolo izao”. — Romana 12:2, DIEM.
Eritrereto ange: Iza no mampandroso ilay hevitra fa mila ny hanana fisehoana voafaritra iray ianao, raha te ho tian’ny olona, na hahita fahombiazana, na ho sambatra? Moa ve tsy ireo mpamokatra entana sy mpanao dokam-barotra izay hahita tombony avy amin’ny fanarahanao fomba fisakafoana ara-damody na ny fividiananao fitaovana fanatsarana tarehy lafo vidy aoka izany? Nahoana ianao no hamela azy ireo hampiditra ny fomba fisainanao ao anaty lasitra? Ary raha manakiana ny endrikao ivelany ireo mitovy taona aminao, moa ve izy ireo manao izany mba hanampiana anao — sa mba hanambaniana anao fotsiny? Raha ity farany no marina, iza moa no mila “namana” tahaka izany?
Manoro hevitra fanampiny anao mba ‘hampirona ny fonao ho amin’ny fahaiza-manavaka’ ny Baiboly. (Ohabolana 2:2, NW ). Ny fahaiza-manavaka dia hanampy anao hijery ireo toetra tsaranao ara-batana tsy amim-piangarana ka tsy hino ny fampielezan-kevitr’ireo fampahalalam-baovao. Olona vitsy no hitovy amin’ireo mannequins fanaperana. Ambonin’izany, dia “zava-poana ny fahatsaran-tarehy”. (Ohabolana 31:30). Ireo olona izay mahazo vola noho ny endriny ivelany dia tsy eny amin’ny fara tampon’ny lazany afa-tsy mandritra ny fotoana fohy monja, mandra-paniliky ny tarehy iray tanora sy vaovao azy. Ankoatra izany, ny endriny mahatalanjona toy izany matetika dia azo noho ny fanampian’ireo zavatra fanosotra amin’ny tarehy, ny tetika izaitsizy fampiasana jiro sy fakana sary. (Misy taitra mafy mahita ny endrik’ireo olo-malaza rehefa tsy eo ireo ekipa manao izay haha-tsara tarehy azy ireny!)
Noho izany, dia tsy misy antony tokony hahatsiarovanao tena ho ketraka satria hoe tsy mitovy amin’ny mannequin iray ao amin’ny televiziona na gazetiboky ianao. Ambonin’izany, dia tsy ireo mitovy taona aminao no mpitsara farany ny amin’ny tokony haha-lava, na fohy, na mahia anao mba haha-tsara jerena anao. Raha afa-po amin’ny endrikao ivelany ianao, dia aza eritreretina loatra izay lazain’ireo mitovy taona aminao. Mahatsikaiky fa ilay zavatra tsy tianao eo amin’ny endrikao ivelany dia mety hampitsiriritra ny olon-kafa iray.
Ataovy izay haha-tsara jerena indrindra anao amin’izay anananao!
Indraindray dia tena manana zava-manahirana imenomenonany ara-drariny momba ny fisehoany ireo tanora: hodi-tava ratsy, lanja tafahoatra, orona ratsy bika, sofina ranga, hafohy. Mazava ho azy fa, noho ianao mbola mitombo, dia mbola miova ny fisehoanao. Ny mony, ny fiovaovan’ny lanja ary ny fitomboana toy ny indray mihelatra (na ela be toa tsy ho tanty) no anisan’ny mampijaly ny zatovo. Mandamina ny maro amin’ireo zava-manahirana ireo ny fotoana.
Tsy mandamina ny sasany hafa anefa izy. Ary tanora maro no tsy maintsy miaritra ny zava-misy, dia ny hoe tsotra, eny, tsy manaitra, ny endriny ivelany. Hoy ilay mpanoratra atao hoe John Killinger: “Ho an’ny ankamaroan’ny olona, ny tsy fananana endrika ivelany tsara dia iray amin’ireo zava-misy mampanaintaina indrindra eo amin’ny fiainany, dia iray amin’ireo ianarany aloha be eo amin’ny fiainany kanefa tsy azony ialana mandritra ny fiainany manontolo.” Afaka mampiasa amin’ny fomba tsara indrindra izay endrikao ivelany anefa ianao!
Ny fandidiana dia fomba iray lafo sady angamba mampidi-doza mba hanitsiana tsiny eo amin’ny vatana.a Ny fitandroana fahadiovana tsotra anefa dia tsy lafo sady afaka manampy be dia be mba hampitomboana ny hatsaran-tarehinao. Mety tsy hangilohilo toy ny an’ny mpilalao sarimihetsika ny volonao, kanefa afaka ny ho madio; toy izany koa ny tarehinao, ny tananao ary ny hohonao. Ny nify fotsy sy ny akanjo-nify madio tsara dia hahatonga ny fitsikin’iza na iza hahafinaritra. Manan-java-manahirana momba ny lanjanao ve ianao? Ny fanarahana fampihenan-danja sy ny fampiasan-tena atao miaraka (angamba eo ambany fanaraha-mason’ny dokotera iray) dia mety hanampy be dia be amin’izany.
Miaraka amin’ny faneken’ny ray aman-dreninao, dia ho azonao atao koa ny hanandrana hijery izay akanjo sy taovolo hampiharihary ireo lafiny tsara eo amin’ny vatanao sy hanafina ireo tsininao. Ohatra, araka ny hevitr’ilay mpanoratra atao hoe Sharon Faelten, ny hangezan’ny oron’ny ankizivavy iray dia azony atao hiseho ho kely kokoa amin’ny fibangoana ny volony “miakatra sady mankany aoriana tanteraka”. Ny faritra mitrakitraky amin’ny tarehy dia azo halefahina amin’ny fananana “taovolo mivalombalona na miolanolana”, ary ny fampiasana zavatra fanosotra amin’ny tarehy amim-pahendrena dia afaka manafina ny tsiny amin’ny tarehin’ny ankizivavy iray. Na lahy ianao na vavy, dia afaka mahatanteraka zavatra be koa amin’ny fifidianana ireo haingo ampiasainao. Mifidiana loko izay hanatsara ny hodi-tavanao ary fomba fiakanjo izay hampitombo ny lafiny tsara eo aminao. Jereo tsara koa ireo tsipika amin’ny akanjo anaovanao: Ny tsipika mitsangana dia mahatonga anao hiseho ho mahia kokoa; mifanohitra amin’izany kosa, ny tsipika mandry!
Eny, amin’ny fanaovana ezaka sy amin’ny fahaizanao mahita hevitra, dia afaka manana endrika ivelany mahafinaritra jerena ianao — na dia tsy nahazo hatsaran-tarehy voajanahary aza ianao.
Ilaina ny fandanjalanjana
Na dia zava-dehibe aza ny fanomezana fiheverana ny endrikao ivelany, dia mitandrema mba tsy hanao izany ho ny zava-dehibe indrindra eo amin’ny fiainanao. Moa ve efa voamarikao fa tsy miresaka firy momba ny endrika ivelany nananan’ny olona ny Baiboly? Nahoana no tsy ilazana ny amin’ny endrika ivelany nananan’i Abrahama, na i Maria, na i Jesosy akory aza, isika? Miharihary fa tsy nihevitra izany ho zava-dehibe Andriamanitra.
Mahaliana fa, indray mandeha, dia nanda an’ilay zatovolahy nantsoina hoe Eliaba tsy ho eo amin’ny toeran’ny mpanjaka Andriamanitra, na dia nanaitra aoka izany aza ny tsanganany! Nanazava toy izao tamin’i Samoela mpaminany i Jehovah Andriamanitra: “Aza mijery ny tarehiny na ny hahavon’ny tsanganany (...) Fa tsy mba toy ny fijerin’ny olona no fijerin’i Jehovah; fa ny olona mijery ny miseho eo ivelany, fa Jehovah kosa mijery ny fo.” (1 Samoela 16:6, 7). Fampiononana toy inona moa ny mahafantatra fa amin’Andriamanitra, Ilay ny fomba fiheviny no tena zava-dehibe, dia tsy ny endritsika ivelany no zava-dehibe indrindra! ‘Mijery ny fo izy.’
Ny lafin-javatra hafa iray tokony hosaintsainina dia izao: Moa ve ny ankamaroan’ireo namantsika tsy manana endrika ivelany tsotra ihany? Ary moa ve ny rainao na ny reninao halaina sary mba handravaka ny fonon’ny gazetiboky momba ny lamody? Azo inoana fa tsia. Tena marina fa ny fahafantaranao ireo toetra tsara ananany dia tsy hahatonga anao hieritreritra momba ny endriny ivelany akory! Ianao koa dia manana toetra tsara maha-ianao anao izay manan-tombo lavitra noho izay kilema ara-batana rehetra — na tena izy na noforonin’ny sainao — eo aminao.
Na dia izany aza, amin’ireo mitovy taona aminao, dia zava-dehibe ny endrika ivelany, ary mety hanjary ho eo ambany fanerena hanahaka ny fomba fiakanjony sy ny fomba fihaingony ianao. Tokony hanao ahoana ny fihetsikao eo anoloan’izany fanerena izany?
[Fanamarihana ambany pejy]
a Misy fomba ara-pitsaboana sasany, toy ny toha-nify mba hanitsiana nify mivilana, ohatra, izay afaka mitondra soa, tsy eo amin’ny fahasalamana ihany, fa eo amin’ny hatsaran-tarehy koa.
Fanontaniana Hiaraha-midinika
◻ Nahoana ny tanora no miahy aoka izany ny amin’ny endriny ivelany? Manao ahoana ny fihevitrao momba ny endriky ny tenanao manokana?
◻ Fomba fihevitra manao ahoana momba ny maha-zava-dehibe ny endrika ivelany no ampirisihan’ireo fampahalalam-baovao sy ireo mitovy taona aminao? Tokony hanao ahoana ny fihetsikao eo anoloan’izany fitaomana izany?
◻ Inona avy ny fomba sasany handaminana ny zava-manahirana momba ny mony?
◻ Ahoana no ahafahanao miseho ho manintona indrindra amin’ny endrikao ivelany? Nahoana no ilaina ny fandanjalanjana amin’io lafiny io?
[Teny notsongaina, pejy 82]
‘Tsy tiako mihitsy ny bikako (...) Toa tsy dia tsara endrika loatra no fiheverako ny tenako’
[Teny notsongaina, pejy 88]
Manana toetra tsara izay manan-tombo lavitra noho izay kilema ara-batana rehetra ianao
[Efajoro/Sary, pejy 84, 85]
‘Tsy Misy Azoko Atao Momba Ireo Moniko Ireo Ve?’
Ny mony dia aretin-koditra izay mahatonga azy io hisy tasy na ho simban’ny monilahy, ny pentina mainty, ny fivontosana mena na ny kista. Ho an’ny tanora maro, dia tena aretin-koditra lehibe mihitsy ilay izy, fa tsy zavatra manorisory mandalo, maharitra amam-bolana fotsiny. Ny olona rehetra, na firy taona izy na firy taona, dia mety ho voan’ny mony avokoa, fa ny zatovo no tena mijaly indrindra noho izy io. Araka ny manam-pahaizana sasany, dia ny 80 isan-jaton’izy ireo eo ho eo no voan’ny mony, amin’ny fatrany samy hafa.
Tsy mahagaga raha nihoatra lavitra noho ny fitarainana hafa rehetra ireo zava-manahirana momba ny hoditra teo amin’ny valin-teny nomen’ny zatovo 2 000 nanontaniana ny amin’izay tsy tiany teo amin’ny tenany. Mahatsiaro toy izao ny tanora iray antsoina hoe Sandra, izay nahita zava-manahirana lehibe momba ny mony, fony mbola tany amin’ny lise: “Tena ratsy mihitsy ny moniko, nanafina ny tarehiko tamin’ny olona foana aho. Saro-kenatra aho satria nahamenatra ahy ny endriko ivelany. (...) Tena ratsy mihitsy ny endriko ivelany.” — Gazetiboky Co-Ed.
Nahoana no miseho mandritra ireo taona maha-zatovo — dia ilay fotoana irinao hisehoana ho tsara tarehy indrindra — io zava-mampahory io? Satria eo am-pitomboana ianao. Eo am-piandohan’ny fahamaotiana, dia mitombo ny fiasan’ireo fiharin’ny hoditra.
Inona no mitranga? Manazava izany amin’ny fomba tsotra toy izao ny The World Book Encyclopedia: Ny fihary tsirairay dia mamoaka ny menaka ao anatiny ho ao amin’ny paosy kely manodidina ny volo tsirairay. Mazàna dia hivoaka avy eo amin’ny masonkoditra tsirairay izany menaka izany, kanefa indraindray dia voatampina ny masonkoditra iray ka tsy afaka mivoaka haingana tsara ilay menaka. Ilay masonkoditra voatampina izao dia manjary pentina mainty, satria miova ho oksida, mihamaina ary lasa mainty ilay menaka tsy tafavoaka. Rehefa misy nana ao dia miforona ny monilahy. Ny kista kosa dia miforona rehefa misy mikraoby ao anatin’ilay menaka tsy tafavoaka. Ny kista no mamela holatra maharitra. Ny monilahy kosa tsy mamela holatra, raha tsy hoe voaloto angaha, zavatra izay mitranga matetika rehefa potsirina na vakina ilay izy — noho izany, dia aza potsirina na vakina izy ireny!
Mahaliana fa ny fihenjanana na ny fientanam-po dia afaka mahatonga ireo fiharin-koditra hiasa mafy. Misy mahita monilahy lehibe iray mipoitra alohan’ny fisehoan-javatra lehibe iray na koa aloha sy mandritra ny fanadinana. Azo ampiharina tsara àry ireto tenin’i Jesosy ireto: “Aza manahy ny amin’ny ampitso hianareo; fa ny ampitso hanahy ny azy.” — Matio 6:34.
Mampalahelo ny milaza fa tsy misy fanafody mahagaga ho an’ny mony. Misy anefa fanafody azo vidina tsy mila taratasim-panafody, toy ny gels, crèmes, lotions, ranon-javatra, savony ary masques ho an’ny tarehy, samy misy peroxyde de benzoyle (mamono mikraoby), izay afaka mifehy ny fipoiran’ny mony. (Azo atao koa ny manontany ny dokoteranao, rehefa ilaina ny mampiasa fanaovan-javatra hentitra kokoa.) Maro no mahita fa manampy ny fanadiovana amim-pitandremana tsara ny hodi-tavany amin’ny savony na ny ranon-javatra misy peroxyde de benzoyle. Fadio anefa ny savony misy menaka na ny zavatra fanosotra amin’ny tarehy natao tamin’ny menaka.
Ny tanora sasany koa dia nahita fa, rehefa nikarakara tsara ny fahasalamany amin’ny ankapobeny izy ireo — manao fampiasan-tena be dia be, mijanona eny amin’ny rivotra madio betsaka araka izay azo atao ary maka torimaso ampy — dia mihatsara koa ny moniny. Ary, na dia misalasala momba ny soa entin’ny sakafo tsy matavy aza ny sasany, ny fifadiana sakafo tsizarizary sy ny fihinanana sakafo voalanjalanja dia miharihary fa mampiseho fahendrena.
Na ahoana na ahoana, dia tena ilaina ny faharetana. Tadidio fa niorina tao anatin’ny fotoana ela be ilay zava-manahirana, ka tsy hisava ao anatin’ny indray alina. Hoy i Sandra, notononina teo aloha: “Angamba nila herintaona teo ho eo vao nadio tanteraka ny hodi-tavako, kanefa efa nahita fiovana aho tao anatin’ny herinandro enina.” Raha mifikitra amin’ny fitsaboana arahinao mandritra ny fotoana sasantsasany ianao, dia mety hahita fanamaivanana sasany.
Mandra-pahatongan’izany, dia aza avela hanapotika ny fahatsiarovanao tena ho mendrika na hanakana anao tsy hiresaka amin’ny hafa izay pentina vitsivitsy. Na dia miahy be loatra ny amin’ny hodi-tavanao aza ianao, dia azo inoana fa ny hafa dia tsy hahamarika azy araka ny heverinao akory. Koa miezaha àry hihazona toe-tsaina manorina sy falifaly. Ary manaova izay azonao atao momba ireo moninao ireo dieny izao!
[Sary, pejy 83]
Izay tsy tianao eo amin’ny tenanao dia mety hotsiriritin’ny hafa
[Sary, pejy 86]
Matetika ny tanora dia tsy mahatakatra fa ireo mannequins ao amin’ireo gazetiboky dia manana ny fanampian’ny ekipany manao izay haha-tsara tarehy azy ireny