Hisy Tontolo Iray Tsy Hisian’ny Ady ve Indray Andro Any?
1, 2. Fanontaniana inona avy no mipoitra mifandray amin’ny hoavin’izao tontolo izao?
EFA hatramin’ny niforonan’ny Isiraely tamin’ny 1948 tamin’ny naha-fanjakana maoderina, no niomanany hiaro tena tamin’ireo manodidina azy. Izany fifanandrinana izany, izany fifamelezana tsy an-kiato izany, dia namela tao aoriany — teo amin’ny andaniny roa — reny, vehivavy nanambady, zanaka, ary hafa, izay ory sy nisaona noho ny namoizana olon-tiana. Kanefa, iray amin’ireo faniriana voajanahary ao amin’ny olombelona, indrindra eo amin’ny faritry ny fianakaviana, dia ny hahafahana hiaina amim-piadanana.
2 Kanefa, tsy zava-manahirana voafetra ho any Moyen-Orient fotsiny akory ny ady sy ny fifandrafiana. Misy toe-javatra mafampana miandry ny hipoaka toa maka toerana manerana an’izao tontolo izao. Noho izany, ny fanontaniana dia hoe: Mety ho tanteraka ve ny fandriampahalemana indray andro any, tsy ny any Moyen-Orient ihany, fa eran’izao tontolo izao mihitsy? Raha izany, amin’ny fomba ahoana no hahatanterahany? Amin’ny alalan’ny finiavana ara-politika sy ara-pivavahana ary ara-pirenen’ny olona ve? Azo inoana ve ny hanaovan’izy ireo toy izany? Sa tokony hisalovana kosa Andriamanitra, ilay Mpamorona sy Tompon’ny tany?
3-5. a) Fampanantenana inona momba ny fiadanana no omena ao amin’ny Baiboly? b) Fanontaniana inona avy no mbola tokony hodinihina?
3 Ny Soratra Hebreo dia manome antsika faminaniana mampahery momba ny fotoana izay ‘hanefen’ny firenena ny sabany ho fangady ary ny lefony ho fanetezam-boaloboka: tsy hanaingan’ny firenena sabatra hifamely; tsy hianarany ady intsony mihitsy’. — Isaia 2:4.
4 Tsy i Isaia ihany no niresaka ny amin’io tontolo hisy fandriampahalemana io. (Salamo 46:9-11 [46:8-10, MG]). Ny tena foto-kevi-dehibe ao amin’ny Baiboly dia hoe hisy fotoam-piadanana sy firindrana tanteraka eo anivon’ny olombelona. Araka ny nomarihin’i Abba Eban, mpitondra fanjakana sady mpanoratra isiraeliana, ny Soratra Hebreo dia nanome ho an’ny Isiraelita fahiny fahatsinjovana sy fanantenana hoavy tsy hanam-paharoa, satria “ny Isiraely ihany no niandrandra vanim-potoam-pahasambarana sy firoboroboana ho amin’ny hoavy”.1 Eny, efa antomotra izao ny hoavy kanto iray ho an’ny olombelona rehetra, hamarana ny ady, ary mihoatra noho izany aza. I Isaia koa dia naminany ny amin’ny toe-piainana paradisa haneran-tany — hamarana ny fahantrana sy ny aretina ary na dia ny fahafatesana aza. — Isaia 11:9; 25:8; 33:24; 35:5, 6; 65:21.
5 Angamba hamaly toy izao ny sasany: ‘Nosoratana efa an’arivony taona maro lasa izay ireo faminaniana ireo, kanefa mbola misy ny ady. Ahoana no azo iheverana ny Baiboly ho loharanom-panantenana azo itokiana? Porofo mivaingana inona no misy fa Tenin’Andriamanitra marina tokoa ny Baiboly?’