Tontolo Iray Tsy Hisian’ny Ady — Afaka ny Hahita Izany Ianao
1-4. a) Nahoana no izao no fotoana maika dia maika handraisana fanapahan-kevitra? b) Inona no takina mba hanaovana fanapahan-kevitra mety?
ILAY faminaniana mandrisika ao amin’ny Isaia toko faha-2, dia mahita ny fahatanterahany amin’izao androntsika izao tokoa. Efa antomotra ny tontolo iray tsy hisian’ny ady. Vavolombelon’i Jehovah an-tapitrisany maro maneran-tany no efa ‘nanefy ny sabany ho fangady ary ny lefony ho fanetezam-boaloboka’ sahady. Na dia avy amin’ny firenena sy ny fiaviana rehetra aza izy ireo, dia nianatra nandresy ny fitompoan-teny fantatra sy ny fankahalana rehetra nananany tany aloha, ka nianatra ny lalan’ilay Andriamanitry ny tena fiadanana, i Jehovah, izy ireo. (Isaia 2:4). Noho ny fijoroany tamin’izany fitiavany fiadanana izany, dia niara-niaritra fahoriana tamin’ireo Jiosy tany amin’ireo toby fitanana izy ireo (1933-1945).
2 Na dia mamirapiratra aza ny fahatsinjovan-javatra momba ny hoavy, dia tsy toy izany no izy ho an’ny rehetra. Tsy hiandry ny olona rehetra tsy misy farany i Jehovah, mba hanefen’izy ireo ny sabany ho fangady. Misy ireo izay tsy vonona hanao izany. Tsy mamela hisy fisalasalana momba izay hiafaran’ny olona toy ireny ny mpanao Salamo: “Fa ny olona ratsy fanahy hofongorana, fa ireo izay miandry ny TOMPO — izy ireny dia handova ny tany. Rehefa afaka kelikely, dia tsy hisy ny ratsy fanahy; hijery izay nisy azy ianao — tsy ho ao izy.” (Salamo 37:9, 10). Eny, tsy ho ela intsony, dia hanao zavatra i Jehovah, ‘amin’ny fampitsaharana ireo ady manerana ny tany’. — Salamo 46:9-11 (46:8-10, MG).
3 Nanamafy ny fahantomoran’ny fandraisan’Andriamanitra anjara ilay faminanian’i Jesosy, izay nanome ny famantarana momba ny andro farany koa. Hoy i Jesosy: “Tsy mba ho lany mihitsy izao taranaka izao [ny taranaka tamin’ny 1914 izay nanatri-maso ny fiafaran’ny “fotoana voafetra”] mandra-pahatongan’izany rehetra izany.” (Matio 24:34; Lioka 21:24, NW ). Kely sisa dia ho lany izany taranaka izany. Eny, fotoana tokony hanapahana hevitra ho an’ny olombelona rehetra izao. Ankehitriny, amin’izao andro farany izao, na “faran’ny andro” (JP), dia tsy maintsy misafidy isika na ‘handeha hiakatra any an-tendrombohitr’i Jehovah’ mba ‘hampianarany antsika ny amin’ny lalany’ na tsia. Nefa, araka ny efa hitantsika nandritra ity famelabelarana ity, dia betsaka ny zavatra tafiditra amin’ny hoe tonga amin’ny fahalalana ilay Andriamanitra marina, ‘amin’ny fianarana ny làlany, amin’ny fandehanana amin’ny atorony’. (Isaia 2:2, 3, MG). Tsy vitan’ny famakiana bokikely iray fotsiny ny fanaovana toy izany na fianarana mandritra ny fotoana fohy. Mahafaoka fianarana lalina kokoa, izay misy heriny eo amin’ny fomba fiainan’ny olona iray manontolo izany. Ho tianao ve ny hahafantatra bebe kokoa momba ilay Andriamanitry ny fiadanana?
4 Vonona hanampy anao ny Vavolombelon’i Jehovah mba hanao izany fikarohana lalina izany. Mampirisika anao izahay handalina hatrany an’io foto-kevitra io amim-pahatsorana tanteraka, mba hahafahanao ho tonga anisan’ireo izay ‘handeha hiakatra any an-tendrombohitr’i Jehovah, mba hianatra ny amin’ny lalany’ koa. Raha mila fanampiana fanampiny ianao dia mifandraisa amin’ny Vavolombelon’i Jehovah ao amin’ny Efitrano Fanjakana akaiky anao, na ny biraon’ny sampana akaiky anao. Ny vokatra mahafa-po ho azonao dia lazain’i Mika mpaminany amin’ny fomba mahafinaritra toy izao: “Fa samy hipetraka eny ambanin’ny voalobony sy ny aviaviny izy, ary tsy hisy hanaitaitra azy.” Enga anie ianao koa ho tonga anisan’ireo izay “handeha amin’ny anaran’i Jehovah (...) mandrakizay doria” ao amin’ny tontolo iray tsy hisian’ny ady! — Mika 4:4, 5, MG.