“Tsy Marina Izany!”
HOY ny lehilahy iray mipetraka any New York (Etazonia): “Lasa namangy namana nipetraka tsy dia lavitra anay, i Jonathan zanako. Tsy tian’i Valentina, vadiko, ny nankanesany tany, satria nampitebiteby azy foana ny fifamoivoizana. Tia nikitikitika zavatra elektronika anefa i Jonathan, ary nisy trano fiasana azony nanaovana izany tany amin’ireo namany ireo. Tao an-trano tao Manhattan andrefana, eto New York, aho, fa ny vadiko kosa namangy ny havany tany Porto Rico. ‘Efa ho avy izay i Jonathan’, hoy aho anakampo. Naneno ny lakolosim-baravarana avy eo. ‘Izy mihitsy izay!’ Kanjo tsy izy no teo fa polisy sy mpamonjy voina. ‘Fantatrao ve hoe an’iza ity permis ity?’, hoy ilay polisy. ‘Ie, an’i Jonathan zanako iny.’ ‘Misy vaovao ratsy, tompoko. Nisy lozam-piarakodia ary ... ary ... maty ny zanakao.’ Ny voalohan-teniko dia hoe: ‘Tsy marina izany!’ Toy ny vara-datsaka taminay izany, ka namela ratram-po mbola tsy sitrana na dia taona maro atỳ aoriana aza.”
‘Misy vaovao ratsy, tompoko. Nisy lozam-piarakodia ary ... ary ... maty ny zanakao.’
Izao no nosoratan’ny raim-pianakaviana any Barcelone (Espaina): “Fianakaviana sambatra izahay tamin’ireo taona 1960. Teo i María vadiko sy ny zanakay telo mianadahy, dia i David sy Paquito ary Isabel, izay 13 sy 11 ary 9 taona avy.”
“Nody avy tany am-pianarana i Paquito indray andro, tamin’ny Martsa 1963, ary nitaraina ho narary andoha be. Lany haika izahay namantatra hoe inona no nahazo azy. Vetivety ihany anefa izany, satria adiny telo taorian’izay dia maty izy. Nisy lalan-dra tapaka tany amin’ny atidohany ka naningotra ny ainy.”
“Efa 30 taona mahery izao no nahafatesan’i Paquito, nefa mbola tena ory dia ory izahay, noho io fandaozany anay io. Tsy misy mihitsy ray aman-dreny maty anaka ka tsy mahatsapa fa misy sombin’ny ainy tsy ao intsony, na firy taona na firy taona no lasa, ary na firy na firy ny zanany mbola velona.”
Asehon’ireo ohatra roa ireo fa ratram-po lalina sy maharitra no mahazo ny ray aman-dreny maty anaka. Marina tokoa ny teny nosoratan’ny profesora iray hoe: “Mampalahelo kokoa sady mafy kokoa amin’ny olona mazàna ny fahafatesan’ny ankizy iray, noho ny fahafatesan’ny olon-dehibe, satria ny ankizy no tsy ampoizina indrindra ho faty ao amin’ny fianakaviana. ... Afoy miaraka amin’ny zanaka maty ireo nofinofy momba ny hoavy, ireo fifandraisana [amin’ny zanaka sy vinanto ary zafikely], sy ireo zavatra hiaraha-miaina ... izay mbola tsy natomboka akory.” Fahabangana be toy izany koa no tsapan’ny vehivavy afa-jaza.
Hoy ny vehivavy iray maty vady: “Mpitsabo mpanampy tany Pasifika i Russell vadiko, tamin’ny Ady Lehibe II. Nahita ady nahatsiravina izy nefa tsy maty. Niverina teto Etazonia izy, ary nilamindamina kokoa indray ny fiainany. Lasa mpitory ny Tenin’Andriamanitra izy tatỳ aoriana. Nanjary narary fo izy nanomboka teo amin’ny faha-60 taonany. Niezaka izy mba havitribitrika teo amin’ny fiainana. Indray andro, dia nihetsika be ny aretim-pony ka maty izy, tamin’ny Jolay 1988. Tena mafy tamiko ny famoizana azy. Tsy afaka nanao veloma azy akory aho. Tsy vadiko fotsiny izy, fa namako tiako indrindra koa. Niara-niaina nandritra ny 40 taona izahay. Toa ho mafy tokoa izao ny fahanginana tsy maintsy hozakaiko.”
Vitsivitsy monja ireo, raha jerena amin’ny loza an’arivo mamely isan’andro ny fianakaviana eran-tany. Hitovy ny zavatra holazain’ny ankamaroan’ny olona nidonam-pahoriana aminao, rehefa maty anaka, na vady, na ray, na reny, na namana, ianao. Holazain’izy ireny fa tena azo antsoina hoe “fahavalo farany” tokoa ny fahafatesana, araka ny nosoratan’i Paoly, mpanoratra kristianina. Rehefa mandre vaovao mahatsiravina ny olona, dia matetika ny tsy fanekena no tonga ho azy voalohany: “Tsy marina izany! Tsy mino izany aho.” Mety hisy fihetsika hafa koa aorian’izany, araka ny ho hitantsika.—1 Korintianina 15:25, 26.
Misy fanontaniana lehibe hovaliantsika aloha, izay vao hodinihintsika ny fisehon’ny alahelo. Vita hatreo ve ny amin’ny olona iray rehefa maty izy? Mbola azo antenaina ve ny hahitantsika indray ireo olona tiantsika efa maty?
Tena misy ny fanantenana
Mbola hafahana amin’io fahafatesana, izay “fahavalo farany” io, ny olombelona. Izany no fanantenana nolazain’i Paoly, mpanoratra ny Baiboly, izay nanoratra hoe: “Hofoanana ny fahafatesana, izay fahavalo farany.” (1 Korintianina 15:26) Nahoana i Paoly no nahazo antoka ny amin’izany? Satria olona natsangana tamin’ny maty mihitsy no nampianatra azy, dia i Jesosy Kristy. (Asan’ny Apostoly 9:3-19) Izany koa no nahafahan’i Paoly nanoratra hoe: “Satria olona iray [Adama] no niavian’ny fahafatesana, dia olona iray [Jesosy Kristy] koa no iavian’ny fitsanganan’ny maty. Fa tahaka ny ahafatesan’ny rehetra ao amin’i Adama, no hamelomana ny rehetra koa ao amin’i Kristy.”—1 Korintianina 15:21, 22.
Nalahelo be i Jesosy rehefa nifanena tamin’ny mpitondratena iray tany Naina, ka nahita ny fatin’ny zanany lahy. Hoy ny fitantaran’ny Baiboly: “Rehefa nanakaiky ny vavahadin’ny tanàna izy [Jesosy], dia nisy faty nentina nivoaka, izay zanakalahy tokan-dreniny, ary efa mpitondratena koa ravehivavy. Ary nisy vahoaka be avy tao an-tanàna niaraka tamin-dravehivavy. Ary raha vao nahita azy ny Tompo, dia nangoraka azy ka nanao taminy hoe: ‘Aza mitomany intsony.’ Dia nanatona izy ka nikasika an’ilay filanjana faty ary nijanona ny mpilanja. Koa hoy izy: ‘Ry tovolahy, hoy aho aminao: Miarena!’ Dia niarina ny maty ary nanomboka niteny, ka natolotr’i Jesosy an-dreniny. Ary raiki-tahotra ny rehetra ka nanome voninahitra an’Andriamanitra nanao hoe: ‘Mpaminany lehibe no efa mitsangana eto amintsika’, sy hoe: ‘Mitsinjo ny vahoakany Andriamanitra.’” Mariho fa onena, na nalahelo, i Jesosy ka nanangana tamin’ny maty ny zanakalahin’ilay mpitondratena! Alao sary an-tsaina avy amin’izany àry ny mety hitranga amin’ny hoavy!—Lioka 7:12-16.
Teo imason’ny olona maro i Jesosy no nanangana olona tamin’ny maty, ary tsy hay hadinoina izany. Antoka ny amin’ilay fananganana ny maty efa nambaran’i Jesosy izany, dia ilay fahavelomana indray eto an-tany, rehefa hanapaka ny “lanitra vaovao.” Hoy i Jesosy tamin’izay: “Aza gaga amin’izany fa ho avy ny fotoana handrenesan’izay rehetra any am-pasana ny feony, dia hivoaka izy ireo.”—Apokalypsy 21:1, 3, 4; Jaona 5:28, 29; 2 Petera 3:13.
Anisan’ny nanatri-maso ny fananganana olona tamin’ny maty i Petera sy ny apostoly sasany niara-dia tamin’i Jesosy. Tena ren’izy ireo niteny teo amoron’ny Ranomasin’i Galilia mihitsy i Jesosy tafatsangana tamin’ny maty. Hoy ilay fitantarana: “Hoy i Jesosy: ‘Avia hisakafo maraina.’ Tsy nisy sahy nanontany hoe: ‘Iza ianao?’, satria fantatr’ireo fa ny Tompo io. Dia avy i Jesosy, ka nandray ny mofo ary natolony azy ireo, ary toy izany koa ny trondro. Io no fanintelony nisehoan’i Jesosy tamin’ny mpianany taorian’ny nananganana azy tamin’ny maty.”—Jaona 21:12-14.
Niaiky tanteraka àry i Petera rehefa nanoratra hoe: “Isaorana anie Andriamanitra Rain’i Jesosy Kristy Tompontsika, satria araka ny haben’ny famindram-pony, dia naterany indray ho amin’ny fanantenana velona isika, tamin’ny nananganana an’i Jesosy Kristy tamin’ny maty.”—1 Petera 1:3.
Nilaza ny fanantenany azo antoka ny apostoly Paoly rehefa niteny hoe: “Inoako izay rehetra voalazan’ny Lalàna sy voasoratra ao amin’ny Mpaminany. Ary manantena amin’Andriamanitra aho, araka izay antenain’izy ireo koa, fa hisy fitsanganan’ny marina sy ny tsy marina.”—Asan’ny Apostoly 24:14, 15.
Olona an-tapitrisa àry no tena afaka manantena ny hahita ireo havany ho velona indray eto an-tany, saingy ao anatin’ny toe-piainana hafa tanteraka. Hanao ahoana izany toe-piainana izany? Hisy fanazavana ny fanantenana ho an’ireo havantsika efa maty, ho hitanao amin’ny fizarana farany amin’ity bokikely ity, mitondra ny lohateny hoe “Fanantenana Azo Antoka ho An’ny Maty.”
Fa andeha aloha hodinihintsika ireo fanontaniana mety hapetrakao, raha malahelo mafy noho ny fahafatesan’ny havanao ianao. Ara-dalàna ve raha malahelo be aho? Ahoana no ahazakako ny alaheloko? Inona no azon’ny olona atao mba hanampiana ahy? Ahoana no azoko anampiana ny olona nidonam-pahoriana? Inona no lazain’ny Baiboly momba ny fanantenana azo antoka ho an’ny maty? Mbola hahita indray an’ireo havako efa maty ve aho? Ary aiza?