FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • rq lesona 11 p. 22-23
  • Zavatra Inoana sy Fombafomba Tsy Tian’Andriamanitra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Zavatra Inoana sy Fombafomba Tsy Tian’Andriamanitra
  • Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika?
  • Mitovitovy Aminy
  • Fanaon’ny olona tsy ankasitrahan’Andriamanitra
    Ny Fahamarinana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay
  • Ny Paka sa ny Fahatsiarovana — Iza Amin’ireo no Tokony Hotandremanao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
  • Manompoa An’Andriamanitra
    Inona no Azonao Ianarana ao Amin’ny Baiboly?
  • Nahoana Ianareo no Tsy Manao Paka?
    Fanontaniana Fametraky ny Olona Momba ny Vavolombelon’i Jehovah
Hijery Hafa
Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika?
rq lesona 11 p. 22-23

Lesona Faha-11

Zavatra Inoana sy Fombafomba Tsy Tian’Andriamanitra

Zavatra inoana sy fombafomba manao ahoana no ratsy? (1)

Tokony hino ve ny Kristianina fa Telo Izay Iray Andriamanitra? (2)

Nahoana ny tena Kristianina no tsy mankalaza ny Krismasy, ny Paka, na ny fitsingerenan’ny andro nahaterahana? (3, 4)

Afaka manisy ratsy ny velona ve ny maty? (5) Maty teo amin’ny lakroa ve i Jesosy? (6)Ny mampifaly an’iza no zava-dehibe kokoa? (7)

1. Tsy ratsy avokoa akory ny zavatra inoana sy ny fombafomba rehetra. Tsy tian’Andriamanitra anefa izy ireny raha avy amin’ny fivavahan-diso, na mifanohitra amin’ny fampianaran’ny Baiboly.—Matio 15:6.

2. Andriamanitra Telo Izay Iray: Andriamanitra Telo Izay Iray ve i Jehovah? Tsia! “Andriamanitra tokana sady marina”, ny Ray, dia i Jehovah. (Jaona 17:3; Marka 12:29) Zanany lahimatoa i Jesosy, ary eo ambany fahefany izy. (1 Korintiana 11:3) Ny Ray dia lehibe noho ny Zanaka. (Jaona 14:28) Tsy olona ny fanahy masina, fa hery miasan’Andriamanitra.—Genesisy 1:2; Asan’ny Apostoly 2:18.

3. Krismasy sy Paka: Tsy teraka tamin’ny 25 Desambra i Jesosy. Teraka tokotokony ho tamin’ny 1 Oktobra izy. Izany dia tao anatin’ny fotoana fiandrasana ny andian’ondry tany an-tsaha tamin’ny alina. (Lioka 2:8-12) Tsy nandidy ny Kristianina hankalaza ny nahaterahany mihitsy i Jesosy. Nilaza tamin’ny mpianany kosa izy mba hahatsiaro ny nahafatesany. (Lioka 22:19, 20) Avy amin’ny fivavahan-diso fahiny ny Krismasy sy ireo fombafomba miaraka aminy. Toy izany koa ireo fombafomba amin’ny Paka, toy ny fampiasana atody sy bitro. Tsy nankalaza ny Krismasy, na ny Paka, ny Kristianina tany am-boalohany. Tsy mankalaza an’izany koa ny tena Kristianina amin’izao andro izao.

4. Fitsingerenan’ny andro nahaterahana: Roa monja ny fankalazana fitsingerenan’ny andro nahaterahana resahina ao amin’ny Baiboly. Olona tsy mpivavaka tamin’i Jehovah no nanao izany. (Genesisy 40:20-22; Marka 6:21, 22, 24-27) Tsy nankalaza fitsingerenan’ny andro nahaterahana ny Kristianina tany am-boalohany. Avy amin’ny fivavahan-diso fahiny ny fombafomba fankalazana andro nahaterahana. Amin’ny fotoana hafa mandritra ny taona ny tena Kristianina no manolotra fanomezana sy miara-mikorana.

5. Tahotra ny maty: Tsy afaka manao na inona na inona, na mahatsapa na inona na inona ny maty. Isika tsy afaka manampy azy, ary izy tsy afaka manisy ratsy antsika. (Salamo 146:4; Mpitoriteny 9:5, 10) Rehefa maty ny olona dia maty, fa tsy misy fiainana hafa aorian’izay. (Ezekiela 18:4) Indraindray anefa, dia misy anjely ratsy, antsoina hoe demonia, misandoka ho fanahin’ireo maty. Ratsy avokoa rehefa mety ho fombafomba atao noho ny tahotra ny maty, na fombafomba entina hivavahana aminy.—Isaia 8:19.

6. Lakroa: Tsy maty teo amin’ny lakroa i Jesosy. Maty teo amin’ny tsato-kazo iray izy. Vatan-kazo fotsiny no dikan’ilay teny grika nadika hoe “lakroa” ao amin’ny Baiboly maro. Avy amin’ny fivavahan-diso fahiny ny lakroa. Tsy nampiasa lakroa sady tsy nivavaka tamin’izy io ny Kristianina tany am-boalohany. Koa heverinao ve fa mety ny mampiasa lakroa amin’ny fivavahana?—Deoteronomia 7:26; 1 Korintiana 10:14.

7. Mety ho sarotra ialana ny sasany amin’ireo zavatra inoana sy fombafomba ireo. Mety hisy havana aman-tsakaiza hitady handresy lahatra anao tsy hiala amin’ireo zavatra efa ninoanao. Zava-dehibe kokoa anefa ny mampifaly an’Andriamanitra, noho ny mampifaly olona.—Ohabolana 29:25; Matio 10:36, 37.

[Sary, pejy 22]

Tsy Telo Izay Iray Andriamanitra

[Sary, pejy 23]

Avy amin’ny fivavahan-diso fahiny ny Krismasy sy ny Paka

[Sary, pejy 23]

Tsy misy tokony hivavahana amin’ny maty na hatahorana azy ireny

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara