LESONA 2
Teny Voatonona Mazava Tsara
MBA hahafahanao hampita hevitra, dia tsy maintsy miteny mazava tsara ianao. Mety hahaliana ilay zavatra tianao holazaina, mety ho zava-dehibe mihitsy aza, nefa ho very maina foana izany, raha tsy mora azo ny teny lazainao.
Tsy voatosika hanao zavatra ny olona, raha tsy tena azony ny teny lazaina aminy. Na dia mafy sy mora re aza ny feon’ny olona iray, dia tsy hanosika ny hafa hampihatra izay lazainy ny teniny, raha miboredika izy. Toy ny hoe miteny amin’ny teny vahiny tsy azon’ilay mihaino azy, izy. (Jer. 5:15) Mampahatsiahy antsika toy izao ny Baiboly: “Raha manao feo hafahafa ny trompetra, iza no hiomana hiady? Dia toy izany koa hianareo: raha tsy mazava ny teny aloaky ny vavanareo, hatao ahoana no fahafantatra izay lazainareo? Fa raha tsy izany, dia hiteny amin’ny rivotra hianareo.”—1 Kor. 14:8, 9.
Inona no mahatonga ny teny tsy hazava? Tsy mazava ny teny, raha tsy misokatra tsara ny vava. Raha henjana koa ireo hozatry ny valanorano ary tsy mihetsika firy ny molotra, dia mety ho feo tsy mazava tsara no ho re.
Mety tsy ho mora azo koa ny tenin’ny olona miteny haingana loatra. Mitovy amin’ny teny noraisim-peo alefa haingana kokoa noho ny tena izy izany. Eo daholo ireo teny, saingy tsy misy hevitra firy azo avy aminy.
Misy olona manana kilema eo amin’ny taovam-pitenenany, ka tsy mazava ny teniny. Afaka manatsara ny fitenenany koa anefa izy ireo, raha manaraka ireo fanoloran-kevitra omena ato amin’ity lesona ity.
Matetika anefa no tsy mazava ny tenin’ny olona iray satria miboredika izy, izany hoe miteny an-kisesy, ka tsy azo izay lazainy. Angamba izy mitelina litera na vaninteny lehibe na faran-teny sasany. Rehefa manonona teny maro miaraka an-kisesy ny olona iray, dia mety hahazo hevitra sy teny sasantsasany ihany ny mpihaino azy, fa voatery haminany ny hevitry ny teny hafa kosa. Raha tsy mazava àry ny fanononan’ny olona iray, dia tsy hisy vokany firy ny fampianarany.
Ny fomba hitenenana mazava. Mba hanononana mazava tsara ireo teny, dia tsy maintsy azonao tsara ny firafitry ny teny tsirairay amin’ny fiteninao. Voaforona vaninteny maromaro ny teny tsirairay, amin’ny ankamaroan’ny fiteny. Ny vaninteny kosa voaforona litera iray na mihoatra, izay tononina miaraka. Amin’ireo fiteny ireo, dia miavaka tsara mazàna ny fanononana ny vaninteny tsirairay, na dia tsy mitovy aza ny tsindrimpeo amin’izy rehetra. Raha tianao hazava kokoa ny fomba fiteninao, dia mitenena miadana kokoa ary miezaha mafy hanonona ny vaninteny tsirairay. Mety ho toa tafahoatra, amin’ny voalohany, ny fanasaratsarahana ireo vaninteny toy izany, nefa arakaraka ny anaovanao azy no hampisosa tsara indray ny fiteninao. Te hiteny misosa tsara ianao indraindray, ka mety hilaza teny sasany tsy an-kiato. Tokony hohalavirina anefa izany, raha tsy mampahazava ny hevitr’ireo teny.
Teny kely fampitandremana: Mba hanatsarana ny fanononanao, dia ataovy tafahoatra ny fanasaratsarahana ireo vaninteny, rehefa mizatra miteny sy mamaky teny ianao. Aza avela ho tonga fomba fiteninao anefa izany, satria tsy fomba fiteny tsotra no ho fandrenesana izany, fa amboamboarina.
Raha somary tsy mafy tsara ny teninao, dia mianara mampitraka loha foana, ary ampanalaviro ny tratranao ny saokanao. Rehefa hamaky andinin-teny ianao, dia hazòny ho ambony ny Baiboly. Topy maso midina kely fotsiny amin’izay no hilainao, rehefa avy mijery ny mpanatrika ianao. Tsy ho voasakantsakana ny teny aloaky ny vavanao amin’izay.
Afaka manatsara ny fitenenanao koa ianao, raha mianatra manafoana ny fihenjanana. Iaraha-mahalala fa misy vokany ratsy eo amin’ny fomba hitenenana ny fihenjanan’ny hozatry ny tarehy sy ny hozatra mibaiko ny fifohana rivotra. Izany fihenjanana izany dia manelingelina ny fiaraha-miasa tsaran’ny saina sy ny taova famoaham-peo ary ny fifohana rivotra; fiaraha-miasa izay tokony handeha ho azy, tsy misy fanakantsakanana.
Aza henjanina ireo hozatry ny valanorano, mba hankatoavany mora foana ny baiko avy amin’ny atidoha. Aza henjanina koa ny molotra. Tokony ho afaka hitatra sy hikainkona haingana izy ireo, mba ho afaka hamarana tsara ireo feo mivoaka avy any amin’ny vava sy ny tenda. Raha henjana ny valanorano sy ny molotra, dia tsy hisokatra tsara ny vava, ary ho voatery hivoaka avy eo anelanelan’ny nify ny feo. Ho toy ny farina ny feo amin’izay, tsy ho mafy tsara no sady tsy hazava. Rehefa miezaka tsy hampihenjana ny valanoranonao sy ny molotrao anefa ianao, izany akory tsy midika hoe tsy miraharaha ny fomba fanononao ianao. Sady miezaka tsy hampihenjana ireo hozatra ireo ianao, no mizatra manonona feo mba hazava tsara.
Mety hanampy anao ny famakiana teny amin’ny feo avo, rehefa mamakafaka ny fomba fiteninao ianao. Jereo tsara ny fomba fampiasanao ireo taovam-pitenenanao. Sokafanao tsara ve ny vavanao, mba tsy ho voasakantsakana ny fivoahan’ireo feo? Tadidio fa tsy ny lela ihany no hany taovam-pitenenana, na dia izy io aza no anisan’ny miasa indrindra. Samy mandray anjara avokoa ny hatoka, ny valanorano ambany, ny molotra, ny hozatry ny tarehy ary ny hozatry ny tenda. Toa tsy mihontsina mihitsy ve ny tarehinao, rehefa miteny ianao? Raha izany no izy, dia azo antoka fa tsy mazava ny teninao.
Raha afaka mampiasa fandraisam-peo ianao, dia raiso feo ny resaka tsotra ataonao andavanandro, toy ny firesakao amin’ny olona eny amin’ny fanompoana. Resaka mandritra ny minitra maromaro no raiso feo. Ho afaka hamaritra tsara izay olana eo amin’ny fanononanao teny sasany ianao, rehefa mihaino izany resaka noraisim-peo izany. Mariho tsara rehefa niboredika ianao, tsy niteny mafy tsara, na nitelina teny, ary tadiavo ny antony. Mazàna no azo ahitsy ilay fahalemena, rehefa arahina ireo hevitra noresahina teo aloha.
Manana kilema mahatonga anao tsy hahay hiteny tsara ve ianao? Mizàra manokatra ny vavanao mihoatra noho ny mahazatra, ary miezaha hanonona teny amim-pitandremana kokoa. Fenoy ny havokavokao rehefa mifoka rivotra, ary mitenena miadana. Olona maro tsy afaka niteny tsara taloha no nanjary nahay niteny mazava kokoa, rehefa nanao izany. Raha sarotra aminao ny manonona litera sasany, toy ny tr sy ny dr, izay tononinao hoe ts sy j, dia tandremo ny fipetraky ny lelanao, rehefa miteny. Na dia mety ho tsy afaka tanteraka aza ilay kilema, dia aza kivy. Tadidio fa nifidy an’i Mosesy, izay nety ho nanana kilema nahatonga azy tsy hahay hiteny tsara, i Jehovah, mba hampita hafatra lehibe tamin’ny vahoakan’ny Isiraely sy tamin’i Faraon’i Ejipta. (Eks. 4:10-12) Raha feno fahavononana ianao, dia hampiasa anao koa izy, ary hitahy ny fanompoanao.