FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • be fian. 10 p. 115-p. 117 feh. 4
  • Hafanam-po

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Hafanam-po
  • Mandraisa Soa avy Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana
  • Mitovitovy Aminy
  • Aoka Isika Hafana Fo sy Haneho Fitiavana
    Boky ho An’ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika
  • Miezaha Hafana Fo Rehefa Mampianatra
    Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2021
  • Hevitra Ahitana Fianarana, Aseho Mazava
    Boky ho An’ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika
  • Mampiana-javatra ny Mpihaino
    Mandraisa Soa avy Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana
Hijery Hafa
Mandraisa Soa avy Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana
be fian. 10 p. 115-p. 117 feh. 4

LESONA 10

Hafanam-po

Inona no ilainao hatao?

Manao lahateny velombelona sy mahaliana, ka mampiseho amin’izany fa mino tanteraka izay lazainao ianao.

Nahoana izany no tena ilaina?

Raha mafana fo ianao, dia ho liana foana ny mpanatrika eo am-pihainoana anao; mety hanosika azy ireo hanao zavatra koa ny hafanam-ponao. Raha mafana fo momba izay lazainao ianao, dia ho toy izany koa ny mpihaino anao.

VELOMBELONA tsara ny anjara na ny lahateny atao amin-kafanam-po. Tena ilaina ny filazana zavatra ahitana fianarana, fa ny lahateny manaitaitra, atao amin-kafanam-po, no hihazona ny sain’ny mpihaino. Na inona na inona kolontsaina nanabeazana anao, na toetranao, dia afaka mianatra haneho hafanam-po ianao.

Asio fihetseham-po ny fiteninao. Nilaza i Jesosy, fony izy niteny tamin’ny vehivavy iray tany Samaria, fa ireo mivavaka amin’i Jehovah dia tsy maintsy manao izany “amin’ny fanahy sy ny fahamarinana.” (Jaona 4:24) Tsy maintsy atosiky ny fo velom-pankasitrahana, ary manaraka ny fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra izy ireo, eo amin’ny fivavahany. Rehefa feno fankasitrahana toy izany ny olona iray, dia ho hita taratra eo amin’ny fomba fiteniny izany. Ho may hiresaka amin’ny hafa momba ireo fandaharana nataon’i Jehovah tamim-pitiavana izy. Ho hita taratra eo amin’ny endriny sy ny fihetsehany ary ny feony izay tena fihetseham-pony.

Koa nahoana àry ny mpandahateny iray tia an’i Jehovah sy mino ilay zavatra resahiny no mety tsy hiteny amin-kafanam-po? Tsy ampy ny anomanany fotsiny ireo teny holazainy. Tsy maintsy mifantoka tanteraka amin’ny lahateniny ny sainy sy ny fony. Aoka hatao hoe asaina miresaka momba ny sorom-panavotan’i Jesosy Kristy izy. Rehefa manao ny famelabelarany izy, dia tsy ireo hevitra fotsiny no tsy maintsy mameno ny sainy, fa ny fankasitrahany noho ny soa hoentin’ny soron’i Jesosy ho azy sy ny mpihaino azy koa. Mila mitadidy ny fankasitrahany an’i Jehovah sy i Jesosy, noho io fandaharana mahatalanjona io, izy. Mila mieritreritra an’ilay fiainana mahatalanjona hoentin’izy io ho an’ny olombelona izy: fahasambarana mandrakizay sy fahasalamana tonga lafatra eto an-tany tonga paradisa indray! Tsy ny sainy ihany àry no voakasika, fa ny fony koa.

Milaza ny Baiboly fa i Ezra, mpanora-dalàna sady mpampianatra teo amin’ny Isiraely, dia “nampiomana ny fony hitady ny lalàn’i Jehovah ka hankatò izany ary hampianatra ny Isiraely didy sy fitsipika.” (Ezra 7:10) Raha manao toy izany isika ka manomana ny fontsika koa, fa tsy ilay fanazavana fotsiny, dia hiteny avy amin’ny fontsika. Hanampy be dia be ny mpihaino ho tena tia ny fahamarinana isika, raha miteny avy amin’ny fo toy izany.

Eritrereto ireo izay hihaino anao. Ny fatokisana fa mila mandre izay holazainao ny mpihaino anao no zavatra hafa hanampy anao haneho hafanam-po. Tsy tokony hanangona fanazavana mendri-kolazaina fotsiny àry ianao, rehefa manomana ny famelabelaranao. Tokony hivavaka amin’i Jehovah koa ianao mba hahaizanao hampiasa izany fanazavana izany mba hahasoa an’ireo izay hiresahanao. (Sal. 32:8; Matio 7:7, 8) Fakafakao hoe nahoana izy ireo no mila mandre ilay fanazavana, sy hoe inona no soa ho azony avy aminy, ary hoe ahoana no hamelabelaranao azy mba hahitany ny antony ilany azy.

Eo am-panaovanao fanomanana, dia mitadiava fomba hampiharanao na hanazavanao ilay foto-kevitra amin’ny fomba mahaliana. Tsy voatery ho hevitra vaovao ilay izy, fa ny fomba hitondranao ilay fanazavana azy kosa no azonao havaozina. Ireto avy ny hevitra tena hanampy anao hanao anjara na lahateny amin-kafanam-po: ireo hanampy ny mpihaino hanamafy ny fifandraisany amin’i Jehovah, hankasitraka ireo fandaharana nataony, hahay hizaka ny faneren’ny fiainana eto amin’ity tontolo tranainy ity, na hahita vokatra eo amin’ny fanompoany.

Ahoana raha asaina mamaky teny ampahibemaso ianao? Mba hanaovana izany amin-kafanam-po, dia tsy ampy ny mahay milaza ireo teny amin’ny fomba mety sy mamaky miaraka ireo teny tokony hiaraka. Fakafakao ilay lahatsoratra. Manaova fikarohana momba azy io, raha tapany iray ao amin’ny Baiboly no hovakinao. Ataovy azo tsara ny hevitra fototra ao anatiny. Hevero ny soa horaisinao sy ny mpihaino anao avy aminy, ary vakio ilay izy amin’ny faniriana ny hampita izany amin’ireo mihaino anao.

Ary inona no tokony hataonao, rehefa manomana ny fanompoanao ianao? Jereo indray ny foto-kevitra horesahinao sy ireo andinin-teny kasainao hampiasaina. Eritrereto koa izay ao an-tsain’ny olona. Inona no noresahina tao amin’ny vaovao? Inona avy ireo zava-manahirana hitan’ny olona? Manomàna fanazavana hampiaiky azy ireo fa manana ny vahaolana ho an’ireo zava-manahirana azy ny Tenin’Andriamanitra. Ho may ianao hampiseho izany aminy, ka hanaraka ho azy ny hafanam-po.

Manehoa hafanam-po ka ataovy velombelona ny famelabelaranao. Tena haneho ny hafanam-ponao ny anjara na ny lahateny velombelona. Tokony hiharihary eo amin’ny endrikao izany. Tsy maintsy asehonao amin’ny feonao fa miaiky izay lazainao ianao, nefa koa tsy mandidindidy.

Ilaina ny fahaiza-mandanjalanja. Misy olona mientanentana amin’izay zavatra rehetra lazainy. Ilaina hampiana izy ireny hahatakatra fa rehefa manjary be haingony loatra ny fiteniny, na mihetsi-po be loatra izy, dia izy no hifantohan’ny sain’ny mpihaino fa tsy ilay hafatra lazainy. Etsy an-danin’izany kosa, dia ilaina hampirisihina haneho fihetseham-po kokoa ny olona saro-kenatra.

Mifindra ny hafanam-po. Raha misy fifandraisana tsara eo aminao sy ny mpihaino anao, ka maneho hafanam-po ianao, dia hifindra aminy izany hafanam-po izany. Nafana fo i Apolosy rehefa niteny, ary voalaza ho lehilahy nahay nandaha-teny izy. Raha arehitry ny fanahin’Andriamanitra toy izany ianao, dia ho velombelona tsara ny famelabelaranao, ka hanosika ny mpihaino anao hanao zavatra.—Asa. 18:24, 25; Rom. 12:11.

Hafanam-po mifanentana amin’izay lazaina. Mitandrema sao ho tafahoatra sy haharitra mandritra ilay anjara na lahateny manontolo ny hafanam-ponao, ka hamizana ny mpihaino anao. Tsy hisy vokany ny fandrisihanao azy ireo hampihatra ilay zavatra resahinao. Manamafy ny ilana hanomanana hevitra isan-karazany izay mitaky fomba fitenenana samihafa izany. Aza manaraka fomba fiteny tsy maneho fitandremana. Tena hahaliana anao ny hevitra arosonao, raha hainao tsara ny mifidy azy. Misy anefa hevitra tokony hampitaina amin-kafanam-po kokoa noho ny hafa, ary ireny no tokony haharoharonao amim-pahakingana ao amin’ny anjaranao na lahateninao.

Ireo hevi-dehibe indrindra indrindra no tokony hovelabelarina amin-kafanam-po. Tsy maintsy misy hevitra misongadina iezahanao hotratrarina, ao amin’ny famelabelaranao. Ireo mazàna no tokony hanosika ny mpihaino hanao zavatra. Rehefa avy nampiaiky azy tokoa ianao, dia mila mandrisika azy, sy mampiseho aminy ny soa azo avy amin’ny fampiharana izay vao avy noresahina. Ny hafanam-ponao no hanampy anao hanohina ny fon’ny mpihaino. Tsy tokony hatao an-tery na oviana na oviana ny fitenenana velombelona. Tokony hisy antony hanaovana azy io, ary ilay fanazavana resahinao no hanome anao izany antony izany.

NY FOMBA HIANARANA AZY

  • Tsy ny hevitra holazainao ihany no omano, fa ny fonao koa; amin’izay, dia hiseho ny fihetseham-ponao.

  • Eritrereto tsara ny soa horaisin’ny mpihaino avy amin’ireo hevitra hohazavainao.

  • Fantaro ireo tapany mitaky hafanam-po indrindra.

  • Ataovy velombelona tanteraka ny fiteninao. Asehoy eo amin’ny endrikao ny fihetseham-ponao. Mitenena amin-kery sy havitrihana.

FANAZARAN-TENA: Diniho ny Josoa toko voalohany sy faha-2, ka farito hoe aiza sy ahoana no azo anehoana hafanam-po rehefa mamaky azy ireo. Averimbereno vakina amin’ny feo avo sy amin-kafanam-po mety tsara izy ireo.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara