LESONA 31
Fanajana ny Hafa
ASAIN’NY Baiboly ‘manaja ny olona rehetra’ sy ‘tsy hiteny ratsy olona’ isika. (1 Pet. 2:17; Tit. 3:2) “Natao araka ny endrik’Andriamanitra” tokoa ny olona rehetra mifanena amintsika. (Jak. 3:9) Nanoloran’i Kristy ny ainy ny tsirairay aminy. (Jaona 3:16) Ary samy mendrika ny handre ny vaovao tsara ny rehetra mba hankatoavany azy, ka ho voavonjy ny tenany. (2 Pet. 3:9) Misy olona sasany manana toetra na fahefana izay mendrika ny hohajaina manokana.
Nahoana ny olona sasany no mitady tsy haneho ilay fanajana ampirisihan’ny Baiboly? Mety ho ny kolontsaina eo an-toerana no manondro izay olona tokony homem-boninahitra, arakaraka ny fokony, ny volon-kodiny, ny fahasalamany, ny taonany, ny harenany, ny sarangany, na noho izy lehilahy na vehivavy. Nampihena ny fanajana fahefana ny tsolotra sy kolikoly ataon’ireo manam-pahefana hatraiza hatraiza. Tena tsy afa-po amin’ny fiainany ny olona any amin’ny tany sasany, angamba satria voatery mitrongy vao homana, sady voahodidin’olona tsy manaja. Teren’ny mpiara-mianatra aminy ny tanora mba hiara-mikomy amin’ny mpampianatra tsy tiany, sy amin’ny manam-pahefana hafa. Maro no manahaka ireo ankizy asehon’ny televiziona, izay manambaka ray aman-dreny sy manjakazaka. Mila miezaka isika mba tsy hamela ny fomba fihevitr’ity tontolo ity hanova ny fanajantsika ny hafa. Rehefa hajaintsika anefa ny olona, dia manjary mora kokoa ny mifanakalo hevitra.
Fanatonana olona amim-panajana. Tokony ho mendrika ny fitafiana sy ny fihetsiky ny olona iray manao asa ara-pivavahana. Miovaova arakaraka ny toerana ny fitafiana sy fihetsika heverina fa mendrika. Misy mihevitra fa tsy fanehoam-panajana ny manatona olona iray nefa misatroka na manao tanana am-paosy. Mety tsy hampaninona anefa izany any an-toeran-kafa. Hajao ny fiheveran’ny olona eo an-toerana, mba tsy hanafintohinana azy. Ho afaka hampiely ny vaovao tsara amin’ny fomba mandaitra ianao, raha manao izany.
Mitovy amin’izany koa ny fomba iresahana amin’ny hafa, indrindra fa ny zokiolona. Heverina ho tsy mahalala fomba mazàna ny tanora miantso olon-dehibe amin’ny fanampin’anarany, raha tsy hoe nomena lalana hanao izany angaha izy. Any amin’ny toerana sasany, na ny olon-dehibe koa aza tsy mahazo miantso ny vahiny amin’ny fanampin’anarany. Ankoatra izany, dia fiteny maro no mampiasa ny hoe “ianareo”, na fomba hafa, mba hiresahana amim-panajana amin’ny olona iray be taona kokoa na manam-pahefana.
Fiarahabana amim-panajana. Any amin’ny toerana sasany, dia antenaina ny hiarahabanao ny olona hitanao eny an-dalana na any an-trano. Teny kely fiarahabana, tsiky, na fanondrehana kely ny loha no anaovana izany. Heverina ho tsy fanehoam-panajana ny tsy firaharahana ny olona hitanao.
Misy anefa mbola mihevitra ihany hoe tsy noraharahaina na dia efa noarahabainao aza. Fa nahoana? Satria tsapany fa tsy nihevitra azy manokana ianao. Fanao mahazatra ny manasokajy ny olona araka ny toe-batany. Matetika no ihatakatahana ny kilemaina sy ny marary. Asehon’ny Tenin’Andriamanitra amintsika anefa fa tokony hoentina amim-pitiavana sy amim-panajana ny olona toy ireny. (Matio 8:2, 3) Samy nandova ny vokatry ny otan’i Adama avokoa isika rehetra. Heverinao fa manaja anao ve ny hafa raha ny kilemanao foana no amantarany anao? Tsy ny toetranao tsara kosa ve no tianao hamantarany anao?
Manaiky ny fahefan’izay lohany koa ny atao hoe manaja. Ilaina any amin’ny toerana sasany ny hiresahana amin’ny loham-pianakaviana aloha, vao mitory amin’ny mpianakavy hafa. Ekentsika fa ny ray aman-dreny no nomen’Andriamanitra fahefana hitaiza sy hifehy ary hitari-dalana ny zanany, na dia i Jehovah aza no maniraka antsika hitory sy hampianatra. (Efes. 6:1-4) Mety àry ny miteny amin’ny ray aman-dreny aloha, vao mifampidinika amin’ireo ankizy, rehefa mitsidika.
Tsy maintsy hajaina ny zokiolona noho izy efa nahita fiainana. (Joba 32:6, 7) Nanaiky izany ny anabavy tanora mpisava lalana any Sri Lanka, ka nahita vokatra tsara rehefa nitsidika rangahy zokiolona iray. Tsy nanaiky ny fitsidihan’ilay anabavy aloha izy io, ka nanao hoe: “Izay zaza vao iray ranonorana io ve ianao ka hampianatra ahy ny Baiboly?” Hoy anefa ilay anabavy: “Raha ny marina, tsy tonga mba hampianatra aho, tompoko, fa mba hilaza aminao ny zavatra nianarako izay tena nahafaly ahy tokoa, ka tsy tanako fa tsy maintsy lazaiko amin’ny hafa.” Nanaitra ny sain’ilay rangahy ny valin-teny feno fanajana nataon’ilay mpisava lalana. “Ka inona àry izany zavatra nianaranao izany e?”, hoy izy. “Ny fomba hahafahana hiaina mandrakizay, tompoko”, hoy ilay anabavy. Nanomboka nianatra ny Baiboly niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah ilay rangahy. Tsy ny be taona rehetra no hilaza fa tiany ny hohajaina toy izany, nefa hankasitraka izany ny ankamaroany.
Mety ho lasa tafahoatra anefa indraindray, ny fanehoam-panajana. Any amin’ireo nosin’i Pasifika sy any an-toeran-kafa, ny Vavolombelona dia mampiasa amim-panajana ny fomba firesaka eo an-toerana, rehefa manatona lehiben’ny tanàna. Manjary vonon-kihaino ireo, ka afaka miresaka aminy sy amin’ny olona iadidiany ireo mpitory. Tsy ilaina sady tsy tsara anefa ny fandokafana. (Ohab. 29:5) Mety hisy koa teny fanomezam-boninahitra efa anisan’ny fitsipi-pitenenana. Tsy voatery hampiasa azy ireny tafahoatra anefa ny Kristianina rehefa maneho fanajana.
Fitenenana amim-panajana. Mampirisika antsika hanazava ny anton’ny fanantenantsika “amin’ny fahalemem-panahy sy ny fanajana” ny Baiboly. (1 Pet. 3:15) Koa na dia azontsika porofoina haingana aza fa diso ny fomba fihevitry ny olona iray, ho fahendrena ve ny manambany sy manao tsinontsinona ilay olona rehefa manazava? Tsy ho tsara kokoa ve ny mihaino azy amim-paharetana, ka manontany ny antony mahatonga azy hihevitra toy izany, ary avy eo dia mihevitra ny fihetseham-pony rehefa miara-manjohy hevitra aminy avy ao amin’ny Baiboly?
Tokony hitovy ny fanajana aseho, na rehefa miresaka amin’ny olona iray, na rehefa miteny eny ambony lampihazo. Ny mpandahateny manaja ny mpihaino dia tsy hasiaka ka hanakiana azy ireo, na haneho fihetsika toa milaza hoe: “Ho vitanareo ange izany, raha tena te hanao tokoa ianareo e!” Manakivy ny hafa fotsiny ny fitenenana toy izany. Tsara lavitra ny mihevitra ny mpanatrika ho olona tia an’i Jehovah sy maniry hanompo azy! Tokony hanahaka an’i Jesosy isika, ka hianatra hipetraka eo amin’ny toeran’ireo malemy ara-panahy, na mbola tsy za-draharaha, na votsa kokoa eo amin’ny fampiharana ny torohevitry ny Baiboly.
Ho tsapan’ny mpanatrika fa manaja azy ny mpandahateny izay mampiditra koa ny tenany ho anisan’ireo mila mampihatra kokoa ny Tenin’Andriamanitra. Ohatra, tsara raha tsy ampiasaina foana ny hoe “ianao” sy “ianareo”, rehefa manao fampiharana ireo andinin-teny. Mariho, ohatra, ny tsy fitovian’ny hoe “Manao izay rehetra vitanareo ve ianareo?” sy ny hoe “Tokony hanontany tena ny tsirairay amintsika hoe: ‘Manao izay rehetra vitako ve aho?’” Mitovy ny tian’ireo fanontaniana roa ireo holazaina, saingy milaza ilay voalohany fa tsy mampitovy ny tenany amin’ny mpihaino, ilay mpandahateny. Amporisihin’ilay faharoa kosa ny rehetra, anisan’izany ny mpandahateny, mba hamakafaka ny toerana misy azy sy ny antony anaovany zavatra.
Aza alaim-panahy hanao hatsikana mba hampihomehezana ny mpihaino fotsiny. Mampihena ny fahamendrehan’ny hafatra ao amin’ny Baiboly izany. Marina fa tokony hahita fahafinaretana eo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra isika. Mety hisy lafiny mampihomehy mihitsy aza ilay anjara na lahateny asaina ataontsika. Tsy manaja an’Andriamanitra sy ny mpanatrika anefa isika, raha raharaha lehibe no ataontsika lasa vazivazy.
Enga anie ny fanatonantsika olona sy ny fihetsitsika ary ny fitenenantsika hampiseho foana fa nianatra hihevitra ny hafa araka ny nampianarin’i Jehovah antsika isika.