FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • fg lesona 15 fan. 1-4
  • Nahoana Ianao no Tokony Hianatra Baiboly Foana?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nahoana Ianao no Tokony Hianatra Baiboly Foana?
  • Vaovao Tsara Natao ho Anao!
  • Mitovitovy Aminy
  • Ahoana no Hanatonanao An’Andriamanitra?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2011
  • Tsy Misy Zavatra Tsara Noho Izany!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2014
  • Tianao ve ny ho Akaiky An’Andriamanitra?
    Vaovao Tsara Natao ho Anao!
  • “Ny Manakaiky An’Andriamanitra no Tsara” Amintsika!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2025
Hijery Hafa
Vaovao Tsara Natao ho Anao!
fg lesona 15 fan. 1-4

LESONA 15

Nahoana Ianao no Tokony Hianatra Baiboly Foana?

1. Nahoana no mahasoa ny mianatra Baiboly foana?

Vehivavy roa mianatra Baiboly mandritra ny fiatoana any am-piasana

Azo inoana fa lasa tia kokoa an’i Jehovah ianao izao, rehefa avy nianatra an’ireo fampianarana fototra ao amin’ny Baiboly. Mila ampitomboina anefa izany fitiavana izany. (1 Petera 2:2) Tokony hianatra Baiboly foana ianao mba ho akaiky kokoa an’i Jehovah, satria miankina amin’izany no hahazoanao fiainana mandrakizay.—Vakio ny Jaona 17:3; Joda 21.

Hatanjaka ny finoanao rehefa mitombo ny fahalalanao. Ny finoanao indray no hanampy anao hahazo sitraka amin’Andriamanitra. (Hebreo 11:1, 6) Ho vonona hibebaka ianao amin’izay, ka hanova ny fomba fiainanao.—Vakio ny Asan’ny Apostoly 3:19.

2. Vonona hizara izay nianaranao ve ianao?

Vehivavy mivavaka amin’Andriamanitra

Afaka manana fifandraisana manokana amin’i Jehovah ianao

Mahafinaritra ny milaza vaovao tsara. Azo inoana àry fa ho tianao ny hizara amin’ny hafa ny zavatra nianaranao. Tohizo foana ny fianaranao, dia ho hainao ny mampiasa andinin-teny mba hanazavana ny zavatra inoanao.—Vakio ny Romanina 10:13-15.

Azonao atao aloha ny miresaka amin’ny namanao na ny havanao. Mahaiza anefa mandanjalanja. Aza tonga dia miteny hoe diso ny fivavahany, fa lazao azy fotsiny ny zavatra ampanantenain’Andriamanitra. Tadidio fa raha tsara fanahy ianao, dia izay no manohina ny fony kokoa fa tsy izay lazainao loatra.—Vakio ny 2 Timoty 2:24, 25.

3. Inona no soa ho azonao raha miezaka hatrany?

Handroso ara-panahy ianao rehefa mianatra Baiboly foana. Hanana fifandraisana manokana amin’i Jehovah ianao raha miezaka hatrany. Horaisiny ho anisan’ny fianakaviany ianao amin’izay.—Vakio ny 2 Korintianina 6:18.

4. Inona no ezaka mbola tokony hataonao?

Tohizo foana ny fianaranao mba handroso hatrany ianao. (Hebreo 5:13, 14) Mianara indray an’ilay boky hoe Inona no Azonao Ianarana ao Amin’ny Baiboly?, miaraka amin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Vao mainka hihatsara ny fiainanao, arakaraka ny ianaranao ny Tenin’Andriamanitra.—Vakio ny Salamo 1:1-3; 73:27, 28.

Vavolombelon’i Jehovah manasa olona hianatra Baiboly

Avy amin’i Jehovah, ilay Andriamanitra falifaly, ny vaovao tsara. Ho akaiky kokoa azy ianao raha miaraka akaiky amin’ny vahoakany. (Hebreo 10:24, 25) Tohizo foana ny ezaka ataonao hanompoana an’i Jehovah. Hahazo ny tena fiainana ianao amin’ny farany, dia ny fiainana mandrakizay. Tena tsy misy tsara noho ny hoe akaiky an’i Jehovah!—Vakio ny 1 Timoty 1:11; 6:19.

Raha mila fanazavana fanampiny, dia jereo ny toko 18 amin’ny boky Inona no Azonao Ianarana ao Amin’ny Baiboly?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara