FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • yc lesona 4
  • Nampifaly ny Dadany sy Jehovah Izy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nampifaly ny Dadany sy Jehovah Izy
  • Ampianaro ny Zanakao
  • Mitovitovy Aminy
  • Tian’Andriamanitra sy ny Namany Izy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2011
  • Ny Voadin’i Jefta
    Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly
  • Tian’i Jehovah ny Olona Manana Finoana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2016
  • Nanao Voady Tamin’i Jehovah i Jefta
    Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
Hijery Hafa
Ampianaro ny Zanakao
yc lesona 4
Jefta miaraka amin’ny zanany vavy tamin’ilay zanany mbola kely

LESONA 4

Nampifaly ny Dadany sy Jehovah Izy

Jefta mivavaka amin’i Jehovah, tamin’ny Israelita niady tamin’ny fahavalony

Inona no fampanantenana nataon’i Jefta tamin’i Jehovah?

Jefta tafaverina avy any an’ady, ary mamihina ny zanany vavy izay tonga mba hitsena azy

Nitsidika ny zanakavavin’i Jefta ny namany, isan-taona

Hitanao ve io ankizivavy eo amin’ny sary io?... Zanaky ny lehilahy iray atao hoe Jefta izy io. Tsy lazain’ny Baiboly ny anarany, nefa fantatsika fa nampifaly ny dadany sy Jehovah izy. Andeha hofantarintsika izy sy Jefta rainy.

Tsara toetra i Jefta ary nanokana fotoana be dia be izy mba hampianarana ny zanany momba an’i Jehovah. Natanjaka sy nahay nitari-tafika koa izy. Nangataka azy àry ny Israelita mba hitarika azy ireo hiady tamin’ny fahavalony.

Nivavaka tamin’i Jehovah i Jefta mba hanampy azy handresy. Ahoana no hataony raha mandresy izy? Nampanantena izy hoe homeny an’i Jehovah izay olona mitsena azy voalohany rehefa mody izy. Hiasa ao amin’ny tranolay masina io olona io mandra-pahafatiny. Nankany amin’ny tranolay ny olona tamin’izany mba hanompo an’i Jehovah. Nandresy tokoa i Jefta! Fantatrao ve hoe iza no nitsena azy voalohany?...

Ie. Ny zanany vavy! Io irery no zanany, nefa tsy maintsy hisaraka aminy izy. Nalahelo be i Jefta. Tadidio anefa fa efa nampanantena izy. Hoy àry ilay zanany: ‘Efa nampanantena an’i Jehovah ianao ry Dada, ka tsy maintsy manatanteraka an’izany.’

Zanakavavin’i Jefta manangona kitay ho an’ny tranolay masina. Tonga mitsidika azy ny namany

Notanterahin’ny zanakavavin’i Jefta ny tenin’ny dadany, na dia tsy mora aza

Tsy mora tamin’ny zanak’i Jefta ny nanatanteraka an’izany. Tsy ho afaka hanambady sy hiteraka mantsy izy raha mankany amin’ny tranolay. Zava-dehibe taminy anefa ny hanatanteraka ny tenin’ny dadany sy ny hampifaly an’i Jehovah. Izany no tiany kokoa noho ny hoe hanambady sy hiteraka. Niala tao an-trano àry izy, ary niasa tany amin’ny tranolay mandra-pahafatiny.

Nampifaly an’ny dadany sy Jehovah ve ny zavatra nataony?... Izay mihitsy! Raha mankatò sy tia an’i Jehovah hoatran’ny zanakavavin’i Jefta ianao, dia ho faly i Dada sy Neny ary Jehovah.

VAKIO NY

  • Deoteronomia 6:4-6

  • Mpitsara 11:30-40

  • 1 Korintianina 7:37, 38

FANONTANIANA:

  • Iza i Jefta? Inona no nampanantenainy?

  • Nahoana no tsy mora tamin’ny zanakavavin’i Jefta ny nanatanteraka ny tenin’ny dadany?

  • Inona no zava-dehibe tamin’ny zanakavavin’i Jefta?

  • Ahoana no hampifalinao an’i Dada sy Neny ary Jehovah?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara