FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • lfb lesona 36 p. 88-p. 89 feh. 1
  • Nanao Voady Tamin’i Jehovah i Jefta

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nanao Voady Tamin’i Jehovah i Jefta
  • Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny Voadin’i Jefta
    Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly
  • Nampifaly ny Dadany sy Jehovah Izy
    Ampianaro ny Zanakao
  • Tian’Andriamanitra sy ny Namany Izy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2011
  • Tian’i Jehovah ny Olona Manana Finoana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2016
Hijery Hafa
Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
lfb lesona 36 p. 88-p. 89 feh. 1
Jefta, mandrovitra ny akanjony rehefa hitany fa ny zanany vavy no mitsena azy

LESONA 36

Nanao Voady Tamin’i Jehovah i Jefta

Nivadika tamin’i Jehovah indray ny Israelita tatỳ aoriana, dia lasa nanompo andriamanitra hafa. Tsy nanampy an-dry zareo akory anefa ireny andriamanitra ireny rehefa nanafika an-dry zareo ny Amonita. Nijaly be nandritra ny taona maro àry ry zareo. Farany, dia hoy ry zareo tamin’i Jehovah: ‘Tena nanota izahay. Mba vonjeo re izahay fa mampijaly anay ny fahavalonay e!’ Nopotehin’ny Israelita daholo koa ny sampiny, dia nivavaka tamin’i Jehovah indray ry zareo. Tsy zakan’i Jehovah intsony àry ny nahita an-dry zareo nijaly.

Ilay miaramila atao hoe Jefta no voafidy hitarika ny Israelita hiady tamin’ny Amonita. Nanao voady tamin’i Jehovah izy hoe: ‘Raha ampianao izahay ka mandresy, dia homeko anao izay olona mitsena an’ahy voalohany avy ao an-tranonay.’ Nohenoin’i Jehovah ny vavak’i Jefta, dia nampiany izy ka nandresy.

Iza àry ny olona voalohany nitsena an’i Jefta, rehefa nody izy? Ny zanany vavy, nefa io ihany no zanany! Nandihy ilay ankizivavy sady nively amponga kely. Dia inona izao no hataon’i Jefta? Tadidiny ilay voady nataony, ka hoy izy: ‘Tena malahelo be aho, ry zanako vavy! Efa nanao voady tamin’i Jehovah aho, dia tsy maintsy halefako any Silo ianao hanompo any.’ Dia hoy ilay zanany: ‘Dada a, raha nanao voady tamin’i Jehovah ianao, dia tanteraho ilay izy. Fa mba avelao fotsiny aloha izaho sy ny ankizivavy namako hiaraka roa volana any an-tendrombohitra, izay izaho vao mandeha.’ Dia nanompo foana tao amin’ny tranolay masina tany Silo ilay zanakavavin’i Jefta, mandra-pahafatiny. Nitsidika azy tany ny namany isan-taona.

Naman’ny zanakavavin’i Jefta, mitsidika azy any amin’ny tranolay masina

“Izay tia ny zanany lahy na ny zanany vavy mihoatra noho ny fitiavana ahy dia tsy mendrika ahy.”​—Matio 10:37

Fanontaniana: Inona ny voady nataon’i Jefta? Nanaiky an’ilay izy ve ny zanany vavy?

Mpitsara 10:6–11:11; 11:29-40; 1 Samoela 12:10, 11

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara