FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • lfb lesona 74 p. 176-p. 177 feh. 4
  • Lasa Mesia i Jesosy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Lasa Mesia i Jesosy
  • Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny batisan’i Jesosy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
  • Nanao Batisa An’i Jesosy i Jaona
    Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly
  • Natao Batisa i Jesosy
    I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
  • Mpialoha Lalana ny Mesia Izy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
Hijery Hafa
Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
lfb lesona 74 p. 176-p. 177 feh. 4
Avy nataon’i Jaona batisa i Jesosy, dia midina eo aminy ny fanahin’Andriamanitra, ary hoatran’ny voromailala ilay izy

LESONA 74

Lasa Mesia i Jesosy

Efa nitory i Jaona hoe: ‘Hisy olona lehibe noho izaho ho avy.’ Rehefa 30 taona teo ho eo i Jesosy, dia niala tany Galilia ary nankany amin’ny Reniranon’i Jordana, tany amin’ilay nanaovan’i Jaona batisa. Tian’i Jesosy hanao batisa azy koa mantsy i Jaona. Tsy nanaiky anefa izy. Hoy izy: ‘Ianao aza no tokony hanao batisa an’ahy!’ Dia hoy i Jesosy: ‘Ataovy fa izany no tian’i Jehovah!’ Nidina tao amin’ny Reniranon’i Jordana àry ry zareo, dia nandroboka tanteraka an’i Jesosy tao anaty rano i Jaona.

Nivoaka avy tao anaty rano i Jesosy avy eo, ary nivavaka. Nisokatra ny lanitra tamin’izay ka nidina teo aminy ny fanahin’Andriamanitra. Hoatran’ny voromailala ilay izy. Dia niteny avy tany an-danitra i Jehovah hoe: “Ianao no Zanako malalako. Ankasitrahako ianao.”

Lasa Kristy, na Mesia, i Jesosy rehefa nahazo ny fanahin’i Jehovah. Hanomboka an’ilay asa nanirahan’i Jehovah azy tetỳ an-tany amin’izay izy izao.

Vao vita batisa i Jesosy, dia nankany an-tany efitra ary nijanona tany 40 andro. Nankany amin’i Jaona izy rehefa niverina. Dia hoy i Jaona rehefa nanatona i Jesosy: ‘Iny ilay Zanak’ondrin’Andriamanitra. Izy no hanala ny fahotan’izao tontolo izao.’ Niteny an’izany i Jaona mba ho fantatry ny olona hoe i Jesosy no Mesia. Ary inona no nitranga tamin’i Jesosy tamin’izy tany an-tany efitra? Andao hojerentsika izany.

“Nisy feo avy any an-danitra niteny hoe: ‘Ianao no Zanako malalako. Ankasitrahako ianao.’”​—Marka 1:11

Fanontaniana: Nahoana i Jesosy no natao batisa? Nahoana i Jaona no niteny hoe Zanak’ondrin’Andriamanitra i Jesosy?

Matio 3:13-17; Marka 1:9-11; Lioka 3:21-23; Jaona 1:29-34; Isaia 42:1; Hebreo 10:7-9

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara