FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • lmd lesona 7
  • Manàna Fikirizana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Manàna Fikirizana
  • Tiavo ny Olona ka Ampianaro
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ahoana no nataon’i Paoly?
  • Inona no ianarantsika avy amin’ny nataon’i Paoly?
  • Tahafo i Paoly
  • Manetre Tena
    Tiavo ny Olona ka Ampianaro
  • Zavatra Mahaliana Resahina
    Tiavo ny Olona ka Ampianaro
  • Manàna Faharetana
    Tiavo ny Olona ka Ampianaro
  • Rahoviana no Tokony Hotsidihina ny Olona Liana?
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2009
Hijery Hafa
Tiavo ny Olona ka Ampianaro
lmd lesona 7

REHEFA MIVERINA MITSIDIKA

Mitory ny vaovao tsara amin’ny olona ao amin’ny efitrano malalaky ny sekoly iray ny apostoly Paoly.

Asa. 19:8-10

LESONA 7

Manàna Fikirizana

Torolalana: “Tsy nitsahatra nampianatra sy nitory ny vaovao tsara ... izy ireo.”​—Asa. 5:42.

Ahoana no nataon’i Paoly?

Mitory ny vaovao tsara amin’ny olona ao amin’ny efitrano malalaky ny sekoly iray ny apostoly Paoly.

VIDEO: Be Fikirizana i Paoly Tany Efesosy

1. Jereo ilay VIDEO, na vakio ny Asan’ny Apostoly 19:8-10. Diniho ireto fanontaniana ireto avy eo:

  1. Tsy nilavo lefona i Paoly na dia nisy nanohitra aza. Ahoana no ahitana hoe be fikirizana izy rehefa nanampy ny olona liana?

  2. Isaky ny inona izy no niverina nampianatra azy ireo ary naharitra hafiriana izy no nanao an’izany?

Inona no ianarantsika avy amin’ny nataon’i Paoly?

2. Mitaky fotoana sy ezaka ny manao fiverenana mitsidika sy manomboka fampianarana Baiboly.

Tahafo i Paoly

3. Miezaha hitsidika an’ilay olona amin’ny fotoana mety aminy. Saintsaino izao: ‘Rahoviana no fotoana mety tsara hitsidihana azy? Aiza ny toerana tiany hiresahana aminy?’ Miezaha hitsidika azy na dia tsy mety aminao aza ny fotoana omeny.

4. Mifanaova fotoana. Isaky ny mitsidika azy ianao, dia hamafiso ny fotoananareo amin’ny manaraka, alohan’ny handehananao. Hajao ny fotoana efa nifanarahanareo.

5. Aza manary toky. Aza tonga dia mieritreritra hoe tsy liana ilay olona raha mahalana vao tratra an-trano na sahirana matetika. (1 Kor. 13:4, 7) Manàna kosa fikirizana nefa tandremo sao dia lanilany ny fotoananao.​—1 Kor. 9:26.

JEREO KOA IRETO

Asa. 10:42; 1 Kor. 9:22, 23; 2 Kor. 4:1; Gal. 6:9

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara