FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Agaga”
  • Agaga

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Agaga
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Amaleka
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Agagita
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Saoly
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Ny Mpanjaka Voalohany teo Amin’ny Israely
    Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Agaga”

AGAGA

(Agàga).

Anarana na anaram-boninahitra niantsoana mpanjaka amalekita sasany.

1. Nilaza i Balama tao amin’ilay faminaniana fahatelo nambarany, fa “hisandratra avo noho i Agaga” ny mpanjakan’ny Israely “ary hasandratra ny fanjakany.” (No 24:7) Tany amin’ny 1473 T.K. tany ho any izy no nilaza ireo teny ireo. Tsy voaresaka intsony ny momba an’i Agaga, raha tsy tamin’ny andron’i Saoly Mpanjaka indray (1117-1078 T.K.). Misy manam-pahaizana àry milaza fa anaram-boninahitra niantsoana an’ireo mpanjaka amalekita ilay hoe “Agaga”, tsy misy hafa amin’ny hoe Farao, izay anaram-boninahitra niantsoana ny mpanjakan’i Ejipta. Mety ho anaran’olona mitovy koa anefa izy io. Na ahoana na ahoana, dia hita taratra amin’ny tenin’i Balama fa nisy fotoana nampahatanjaka ny fanjakan’i Agaga.​—No 24:20; jereo AMALEKA, AMALEKITA.

2. Mpanjaka amalekita resin’i Saoly Mpanjaka. Nasain’i Jehovah haringana mantsy ny Amalekita. (Ek 17:14; De 25:17-19; 1Sa 15:1-7) Tsy novonoin’i Saoly anefa i Agaga, ary navelany haka tamin’ireo biby azo babo ny olona. Nilaza àry i Samoela fa nolavin’Andriamanitra tsy ho mpanjaka i Saoly. (1Sa 15:8-29) Novonoin’i Samoela i Agaga sady hoy izy: “Nataon’ny sabatrao fongana ny zanaky ny vehivavy, koa mba hatao fongana toy izany koa ny zanaky ny reninao, ka amin’ny vehivavy rehetra dia izy no ho fongana anaka indrindra.”​—1Sa 15:32, 33; ampit. Mpts 1:5-7.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara