MIAFINA MBA HANAFIKA
Miafina mba hanafika tampoka. Avy amin’ny fototeny hoe ʼarav (“miafina”) ny teny hebreo telo (ʼerev, ʼôrev, maʼarav) nadika hoe “miafina mba hanafika” na “mifitsaka hanafika.” (Jb 37:8; Je 9:8; Sl 10:8; Mpts 9:32) Iray tarika amin’ny matoanteny hoe enedreoô (“miafina”) ny teny grika (enedra) nadika hoe “miafina mba hanafika.”—As 25:3; 23:21.
Nasain’i Josoa niafina teo andrefan’i Ay ny lehilahy 5000 ny alina talohan’ny nanafihany an’ilay tanàna. Ny ankamaroan’ny miaramila kosa nitoby teo avaratra, ary mody nanao resy ny ampitso ka nenjehin’ny tao an-tanàna. Afaka naka an’i Ay àry ireo lehilahy niafina. (Js 8:2-21) Niafina mba hanafika an-dry Abimeleka ny mponina tao Sekema, ary nanao toy izany tamin’izy ireo koa ry Abimeleka. (Mpts 9:25, 31-45) Toy izany koa no nataon’ny Filistinina tamin’i Samsona (Mpts 16:1-12), i Saoly tamin’i Amaleka (hoy koa i Saoly hoe niafina mba hanafika azy i Davida) (1Sa 15:5; 22:8), ary ny nataon’ny Israely tamin’ny Benjaminita (Mpts 20:29-44), sy ry Jeroboama tamin’ny Joda saingy tsy nahavoa (2Ta 13:13-19). Nisy niafina mba hanafika an’ireo fahavalon’ny Joda tamin’ny andron’i Josafata ka nifamely izy ireo (2Ta 20:22, 23), nisy niafina mba hanafika an’i Jerosalema (Ft 4:19), ary nisy niafina mba hamely an’i Babylona (Je 51:12). Narovan’i Jehovah tamin’ireo niafina mba hanafika azy ny Jiosy avy tany an-tsesitany.—Ezr 8:31; jereo ADY, II.
Ilazana ny fanaon’ny biby mpihaza ny teny hebreo hoe ʼerev (“miafina mba hanafika”). (Jb 37:8; 38:40) Ny matoanteny hebreo hoe ʼarav kosa no ilazana ny fanaon’ny mpivaro-tena manangoly lehilahy (Oh 7:12; 23:28), sy ny teti-dratsy hamelezana ny tsy manan-tsiny sy olo-marina. (Sl 10:9; Oh 1:11, 18; 12:6; 24:15; Mi 7:2; ampit. Jb 31:9.) Voaheloka ho faty izay niafina mba hanafika ka namono olona ho faty, tany Israely.—De 19:11, 12.
Nisy Jiosy 40 mahery “niozona” sy niafina mba hanafika an’i Paoly, saingy nampahafantarin’ny zanak’anabavin’i Paoly ilay tetika ka nandamòka.—As 23:12-35.