FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Antilopa”
  • Antilopa

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Antilopa
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Disona
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Disana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Samoà
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Kerana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Antilopa”

ANTILOPA

[Heb.: dishôn].

Biby mandinika sy mivaky kitro anisan’ireo biby azon’ny Israelita nohanina. Ao amin’ny Deoteronomia 14:5 ihany no miresaka azy io. Tsy tena fantatra hoe inona ilay biby atao hoe dishôn (heb.).

Lazaina matetika fa ny antilopa adaksa (Addax nasomaculatus) izay mbola misy any an-tany efitr’i Afrika Avaratra ilay dishôn resahin’ny Soratra Hebreo. Mirefy 1 m eo ho eo ny haavony hatreo amin’ny hatony. Afaka mandeha tsara eny ambony fasika io antilopa io satria mivelatra sy mivaky ny kitrony. Mahavita tsy misotro rano ela be koa izy io. Mirefy 1 m eo ho eo ny tandrony izay misabaka sady miolanolana toy ny visy, ka misy miolaka indray mandeha, indroa, na intelo. Fotsy vasobasoka ny lokon’ilay antilopa nefa mihamatroka rehefa ririnina ka lasa somary mivolontsôkôlà, afa-tsy ny kibony, rambony, vodiny sy tongony aoriana, ary ny soratsoratra fotsy amin’ny tavany. Mety ho ny antilopa arabo (Oryx leucoryx) fahita any an-tany efitra koa ilay hoe dishôn.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara