AREOPAGO
(Areopàgo) [Havoanan’i Arès; Havoanan’i Marsa].
Havoana vatosokay eo andrefana avaratrandrefan’ilay Acropole mijoalajoala any Atena, ka lohasaha no manelanelana azy ireo. Mirefy 113 m ny haavon’io havoana io, fa mbola manatombo 43 m ny haavon’ilay Acropole eo atsimoatsinanany. Somary lavalava io Havoanan’i Marsa io, ka misolampy kely ny tehezany avaratra fa mijidina be kosa ny eo atsimo. Teny amin’io havoana io fahiny no nasian’ny Grika alitara, tempoly sy toerana masina, sarivongana, ary ny fitsarana tampony teo Areopago (fitsarana an-kalamanjana). Tsy misy eo intsony ireo rehetra ireo ankehitriny. Vatolampy nolavahana nanjary toy ny seza vitsivitsy sisa no eo.
Nosamborin’ny olona tao Atena ny apostoly Paoly, indray mandeha, ka nentin’izy ireo teny amin’ny Areopago, sady nilazany hoe: “Mba azonay fantarina misimisy kokoa ve ny amin’izany fampianarana vaovao lazainao izany? Vaovao amin’ny sofinay mantsy izany lazainao izany.” (As 17:19, 20) Nandroso porofo maro mampiaiky sy mitombina tsara àry i Paoly. Mbola tsy vita akory ny tenin’i Paoly, dia nisy nanomboka naneso azy “nony nandre ny amin’ny fitsanganana amin’ny maty.” Nizara ho telo ny mpihaino azy noho izany: Nisy naneso azy, nisy kosa nilaza fa mbola hihaino azy amin’ny manaraka, ny hafa indray “tonga mpino, anisan’izany koa i Dionysio, mpitsara teny amin’ny Areopago, ary vehivavy atao hoe Damary, sy ny olon-kafa.” (As 17:22-34) Misy takelaka halimo ankehitriny eo amin’ny Havoanan’i Mars ho fahatsiarovana ny zava-nitranga tamin’izay, ary voasoratra eo ilay lahateny nataon’ny apostoly Paoly. Tsy voalaza raha niteny teo anoloan’ilay fitsarana teo Areopago i Paoly, na tsia. Azo antoka anefa fa nisy mpitsara nihaino azy, fara fahakeliny anankiray.—SARY, Boky Faha-2, p. 746.
Takelaka misy soratra grika, ho fahatsiarovana ny lahatenin’i Paoly teo amin’ny Areopago (As 17:22-31)