ASKENAZA
(Askenàza).
1. Iray amin’ireo telo lahy zanak’i Gomera zanak’i Jafeta, ary ny anarany no voatonona voalohany.—Ge 10:3; 1Ta 1:6.
Ny foko Teuton, ary indrindra fa i Alemaina, no nolazain’ny boky jiosy (taona 500-1500 tany ho any sy tatỳ aoriana) hoe “Askenaza.” Mbola antsoina hoe Askenazima ny Jiosy manaraka ny fombafomban’ny Alemà, fa ireo manaraka ny fombafomban’ny Espaniola sy ny Portogey kosa antsoina hoe Sefardima.
2. Milaza ny Jeremia 51:27 fa niaraka tamin’ny fanjakan’i Ararata sy Miny ny fanjakan’i Askenaza mba hiady tamin’i Babylona, rehefa ho resy i Babylona (539 T.K.). Toa tany amin’ny faritry ny Farihin’i Van no nisy an’i Ararata, ary toa tany atsimoatsinanan’io farihy io no nisy an’i Miny (“Manay” ao amin’ny soratra asyrianina). Azo inoana àry fa tany akaikin’ireo faritra ireo ny fanjakan’i Askenaza, angamba tany avaratra, teo anelanelan’ny Ranomasina Mainty sy ny Ranomasina Caspienne.
Mihevitra ny mpikaroka fa ilay nantsoin’ny Asyrianina hoe Ashgozai no Askenaza. Azo inoana fa ireo Skytianina tany amin’ny faritry ny Ranomasina Mainty sy ny Ranomasina Caspienne no Ashgozai. Milaza ny takelaka tanimanga misy soratra miendri-pantsika fa nanao fifanekena hikomy tamin’i Asyria io foko io sy ny Manay (Miny), tamin’ny taonjato fahafito T.K.