FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Miny”
  • Miny

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Miny
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Askenaza
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Ararata
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Babylona
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • B9 Ny Firenena Matanjaka Voalazan’i Daniela Mialoha
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Miny”

MINY

(Mìny).

Fanjakana fahiny nasain’Andriamanitra hiady tamin’i Babylona. Niray dina izy io sy ny fanjakan’i Ararata sy Askenaza, izay samy teo ambany fifehezan’i Kyrosy.​—Je 51:27-29.

Tsy fantatra hoe taiza marina no nisy an’io fanjakana io. Misy mpanao sarintany mametraka azy io eo anelanelan’ny Farihin’i Van sy ny Reniranon’i Araxe. Ny ankamaroan’ny mpivaofy teny kosa mihevitra fa ilay faritra atsimoatsinanan’ny Farihin’i Van izy io.

Misy manam-pahaizana milaza fa ny Manay na Maneanina no nonina tany Miny. Raha izany no izy, dia nisy fotoana i Miny nofehezin’ny Asyrianina ary avy eo ny Fanjakana Medianina, araka ireo soratra miendri-pantsika. Milaza koa ny Tantaran’i Babylona fa ‘nobaboin’i [Nabopolasara] ny Maneanina tonga nanampy (ny Asyrianina)’, tamin’ny taona fahafolo nanjakany (636 T.K.). (Tantaran’i Asyria sy Babylona, nataon’i A. Grayson, 1975, p. 91) Nofehezin’ny Fanjakana Medianina sy Persianina kosa i Miny, rehefa rava i Babylona tamin’ny 539 T.K.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara