AZRIELA
(Azrièla) [Manampy Ahy Andriamanitra].
1. Rain’ilay Jerimota andrianan’ny fokon’i Naftaly, tamin’ny andron’i Davida.—1Ta 27:19, 22.
2. Lohan’ny fianakaviambe teo amin’ny antsasaky ny fokon’i Manase, izay nonina tany atsinanan’ny Reniranon’i Jordana. Iray tamin’ireo “lehilahy natanjaka sy nahery fo” izy. Anisan’ireo nataon’i Tiglato-pilesera III mpanjaka asyrianina sesitany ny taranany, noho izy ireo nivavaka tamin’ny andriamani-diso.—1Ta 5:23-26.
3. Rain’i Seraia. Anisan’ireo telo lahy nirahina hisambotra an’i Baroka sy Jeremia io Seraia io.—Je 36:26.