BERILA
Vato vokatry ny fitambaran’ny silikatina aliminioma sy silikatina beriliôma. Misy berila tantera-pahazavana ary misy tsy tantera-pahazavana. Mafy noho ny vatokaranana (quartz) izy io ary matetika no maitso mavo ny lokony, nefa indraindray koa maitso, mavo, manga, fotsy, mena matsatso, na tsy misy loko. Sokajina ho emeraoda ny berila maitso be. Antsoina hoe aigue-marine kosa ireo miloko maitso manga, ary morganita ireo miloko mavokely. Any anaty vatolampy (granita) no misy ny berila ary miendrika kristaly misy lafiny enina. Efa nisy fotoana nahitana berila iray milanja 25 taonina mahery.
Vatosoa tena be mpitia ny berila fahiny. Nanao sokitra voakaly teo amin’ny berila ny Grika. Ny Romanina indray nanefy azy ireny mba hatao amin’ny kavina. Indray mandeha no hita ao amin’ny Soratra Masina (TV, Prot., Kat.) ny hoe berila (gr.: beryllôs), rehefa miresaka momba ilay vato fototra fahavalo amin’ny mandan’i Jerosalema Vaovao.—Ap 21:2, 19, 20.